]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Justice et Paix. Momba ireo olana ateraky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy

Justice et Paix. Momba ireo olana ateraky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy

Commission épiscopale Justice et Paix : L’Église catholique dénonce le règne de l’insécurité

**********************************

FEHIN-KEVITRA TAMIN’NY FIVORIANA TSY ARA-POTOANA NATAON’I JUSTICE ET PAIX

(Ampantsakana. By-Pass. 6-8 Septambra 2017)

Izahay 52 mianadahy pretra sy lahika, solontenan’i Justice et Paix avy amin’ny Diosezy 19, noho ny iraka nampanaovin’ny Filankevitra Maharitry Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, dia nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana tao Ampatsakana- By Pass ny 6 ka hatramin’ny 8 septambra 2017 miompana amin’ny olana ateraky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tamin’izany no nahafahanay nifampizara vaovao sy namakafaka ny fijaliana zakain’ny malagasy amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy. Ka ireto no nisongadina indrindra tamin’ny alàlan’ny tatitr’ireo solontena :

1.Trangan-javatra miseho : halatr’omby, fandratràna sy vonoan’olona, fitsaram-bahoaka, vaky trano, takalon’aina, halatra lakolosy, fanakanan-dàlana amin’ny fitaterana, hala-bokatra, hala-botry, vaky fasana sy halatra taolam-paty, fanolanana isan-karazany, fanondranana olona any ivelany, hala-jaza, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanafihana mitam-piadiana, kolikoly avo lenta mihatra aman’aina, fandravana fananana sy fibodoana tanin’olona, sinto-mahery, fandoroana tanàna toy ny tany Antsakabary, fanafihana tranon-drelijiozy narahina habibiana toy ny tany Antsirabe, famonoana pretra sns…

2. Efa tsy hay lazaina intsony ny fiantraikan’ireo toe-javatra ireo eo amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fiainian’ny tsirairay :

* Eo amin’ny lafiny toe-karena, mihena ny risipon’ny olona hamokatra ary miharatsy ny kalitaon’ny vokatra ;

* Eo amin’ny lafiny politika, tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ;

* Eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina, rava ny fihavanana ;

* Eo amin’ny ara-tsosialy : maro ny sekoly mikatona any ambanivohitra ; ny toeram-pitsaboana (CSB) tsy ahitàna mpitsabo ; tsy ampy sakafo ary maty mosary ny olona ka mora andairan’ny aretina.

* Betsaka ny kamboty tsy fidiny ary mitombo ireo mpitsoa-ponenana.

* Ara-koltoraly, simba ny toe-tsain’ny olona. Very fanahy mbola velona ny vahoaka malagasy ary tsy voatandro intsony ny soatoavina maha malagasy.

3. Misy ny ezaka efa nataon’ny mpitondra toy ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana amin’ny fokonolona amin’ny fanarahan-dia ny omby very, ny fiarovana ny ain’ny mpandeha amin’ny lalam-pirenena ary ny fanampiana ireo tra-boina tamin’ny tanàna nodorana.

4. Na eo aza anefa ireo ezaka rehetra ireo dia iaraha-mahita fa miharatsy hatrany ny zava-misy. Mandry andriran’antsy na andro na alina ny vahoaka. Mihanaka ny fitaovam-piadiana mahery vaika avy any ivelany sy eto an-toerana. Mitombo ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny filokàna.

5. Tsy voafehin’ny tompon’andraikitra mihitsy ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny olona. Mihamaro ny tambazotra efa matihanina amin’ny fanaovan-dratsy izay fehezin’ny dahalo ambony latabatra sy ny mpanam-bola sasany avy eto an-toerana sy avy any ivelany.

6. Tsy voahaja intsony ny hasin’ny aina fa zary lasa kolontsaina ny fampiasana hery setra. Mamorona lalàna ny vahoaka ka mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka sy ny valifaty. Tsy misy intsony ny fifampitokisana. Mifampiahiahy ny mpiara-belona ka samy maka ho azy ny tsirairay.

7. Tapi-dàlan-kaleha toy ny sokina nanani-bato ny vahoaka satria ireo natao hitsikitsika hivavahana no lasa papango mipaoka zanak’akoho.

Noho ireo zava-misy ireo dia manolotra ireto fehinkevitra ireto ny Justice et Paix :

1. Iangaviana amim-panajana ny Fivondronam-ben’ny Eveka (FEM) hifampidinika haingana amin’ireo tompon’andraikitra ambony mba hanaitra azy ireo noho izao loza mihatra mahazo ny firenena izao .

2. Hamafisina ny fandraisan’ andraikitra ny Justice et Paix any amin’ny diosezy amin’ny fanatonana sy fanairana ireo mpitondra sy ireo olomboafidy ary ny vahoaka any amin’ny faritra rehetra any.

3. Aoka ireo manam-pahefana isan’ambaratongany mba handray fepetra hentitra hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fampiharana ny lalàna amim-pahamarinana sy ara-drariny : eo anivon’ny fitsarana, amin’ireo sampan-draharaha misahana filaminam-bahoaka, ny fahasalamana, ny fananan-tany, ny harena ankibon’ny tany, ny fanabeazana…sns Marihina fa tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza.

4. Entanina ny vahoaka amin’ny maha zava-dehibe ny aina sy ho sarotiny amin’ny fiarovana ny rariny, ny marina sy ny hitsiny ary ny firaisankina, nefa kosa hanalavitra ny herisetra sy ny valifaty.

5. Hamporisihina ny vahoaka mba tsy hiraviravy tanana fa ho sahy handray andraikitra anatin’ny firaisan-kina amin’ny sehatra tandrify azy.

6. Takiana amin’ny fanjakana ny fanafoanana ny fanondranana omby ho any ivelany sy ny fanaraha-maso hentitra ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny harem-pirenena rehetra ary ny fiakaran’ny vidin’entana ilain’ny mponina andavanandro.

7. Angatahina ny diosezy mba hanangana ny Justice et Paix amin’ny toerana sasany mbola tsy misy azy mba hihaino sy hanangona ny tarainan’ny vahoaka any lavitra any.

8. Amporisihina ny olom-pirenena mba hiezaka hanaraka ny fepetra amam-pitsipika manaja ny soa iombonana sy ny tombon-tsoa ambonin’ny firenena. Entanina koa izy ireo haneho fitiavan-tanindrazana amin’ny sehatr’asa izay ataony.

9. Haely amin’ny fampitam-baovao eto an-toerana ireo fehin-kevitra ireo ary ny Justice et Paix hifandray amin’ny sampana mikarakara ny serasera sy ireo Fikambanana tsy miankina miahy ny zon’olombelona any ivelany.

Natao teto Ampantsakana/ By-Pass (Antananarivo), 8 Septambra 2017.

Hoy ireo solontenan’ny Justice et Paix izay eo ambany fitantanan’i S.E.Monseigneur Roger Victor RAKOTONDRAJAO :

R.P.Jean Germain Rajoelison, Sekretera Jeneraly.

Solontenan’ny Arsidiosezin’ Antananarivo :

1. R.P. Andrien Rolland RAKOTONDRAMANANA, Aumônier JEP Diosezin’Antananarivo.

2. Atoa Honoré RAZAKAMAHAROMANANA, JEP Tsaramasay.

3. Atoa Jean Lucien ANDRIANJATOVOMAHEFA, JEP Antanimena .

4. Atoa FĂ©lix RABEMANAMBOLA, JEP Ambohipo.

5. Rtoa Alphonsine RAKOTOMALALA, JEP Imerintsiatosika.

6. Rtoa Lucie Raphaëlle RABARIJAONA, JEP Andraisoro.

7. R.P. Jean Noël SATA, Aumônier JEP Diosezin’Antsirabe.

8. Atoa Jean LĂ©onard RAMILISON, JEP Antsirabe.

9. Atoa Jean Christian RAZAFINIMANANA, JEP Antsirabe.

10. Rtoa Christine RAZAFIMARIA, Mpikambana JEP Maintirano.

11. Rtoa Juliette RAZANAMANDROSO, JEP Maintirano.

12. Rtoa Natacha TSIAFA, JEP Maintirano.

13. R.P. Marcel RAMIARANJATOVO, Aumônier JEP Diosezin’i Miarinarivo.

14. Atoa Justin RAKOTOARIJAONA, JEP Miarinarivo.

15. Atoa Gilbert IMAKA. JEP Miarinarivo.

16. R.P. Samuël RAKOTOVAO, Aumônier JEP Tsiroanomandidy.

17. Rtoa Zafisoa Margueritte RANDRIANA, JEP Tsiroanomandidy.

18. Atoa Louis de Gonzague RAKOTONDRASOA, JEP Tsiroanomandidy.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezin’Antsiranana

19. R.P. Omer TSIAZONALY, Aumônier JEP Diosezin’Antsiranana.

20. R.P. Emmanuel RANDRIAMAMONJY, Aumônier JEP Diosezin’i Mahajanga.

21. Atoa Eric Yvon RAKOTOMAHEFA, JEP Amparihigidro Mahajanga.

22. Rtoa SĂ©raphine RASOARINDAZA, JEP Mahajanga be.

23. R.P. Simon ZARALAHY, Aumônier JEP Diosezin’i Port Bergé.

24. R.P. Fidèle RAZAFIMANDIMBY, Aumônier JEP Mandritsara Diosezin’i Port Bergé.

25. Atoa Alexice RAMAHATODY, JEP Diosezin’i Port Bergé.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezy Atsimo Andrefana

26. R.P. Jacques ZANATO ZANAKANDRO (Jazz), Aumônier JEP Diosezin’i Toliary.

27. R.P. François d’Assise, Aumônier JEP Diosezin’i Morombe.

28. Atoa Louis Joseph Alfred RANDRIANANDRASANA, JEP Morombe.

29. R.P. Raba Tinorossi RAZAFIMANDIMBY, Aumônier Diosezin’i Morondava.

30. Atoa Alphonse RATOVOSON, JEP Morondava.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezy Atsimo Atsinanana

31. R.P. Théophile RAKOTONIRINA, Aumônier JEP Diosezin’i Fianarantsoa.

32. Atoa Paul Roger RANDRIA, JEP Fianarantsoa.

33. Atoa RĂ©mi RATSIMBAZAFY, JEP Antamponjina Fianarantsoa.

34. R.P. Jean Baptiste RAKOTO, Aumônier JEP Diosezin’Ambositra.

35. Atoa Solonirina ANDRIAMIFIDY, JEP Md. Joseph Ambositra.

36. Rtoa Hantamalala RAFANOMEZANTSOA, JEP Ilanitra Ambositra.

37. R.P. Augustin PIERRE, Aumônier JEP Diosezin’i Farafangana.

38. Atoa Clovis RAZAFINDRAMBELO, JEP Mangarivotra Manakara.

39. Atoa Martin RANDRIANANTOANINA, JEP Farafangana.

40. R.P. Eric José ANDRIANANJA, Aumônier JEP Diosezin’Ihosy.

41. Atoa Jean Chrysostome RATOVOARISON, JEP St. Jean Antanimandry Ihosy.

42. R.P. Abdon Dominique RAKOTONANDRASANA, Aumônier JEP Diosezin’i Mananjary.

43. Atoa Georges LEMAINTY, JEP St. Joseph Nosy Varika.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezy Atsinanana :

44. Atoa Botou Placide NANDRASANA, Mpikambana JEP Mangarano II Diosezin’I Toamasina.

45. Rtoa Eurydice MANDIMBILAZA, Mpikambana JEP Androranga Toamasina.

46. R.P. Eric RAHARISON, Aumônier JEP Diosezin’Ambatondrazaka.

47. Rtoa Noëline Eulalie RASOANIRINA, JEP Ambatondrazaka.

48. Atoa Jean Christian MANANTSOA, JEP Ampasambazimba Ambatondrazaka.

49. R.P. Eloi Benoît MARSON, Aumônier JEP Diosezin’i Fenoarivo Atsinanana.

50. Rtoa Georgine VOLAFENO, JEP Fenoarivo Atsinanana.

51. Atoa Alexandre LAIGAONA, JEP Soanierana Ivongo.

Mis Ă  jour ( Mercredi, 13 Septembre 2017 05:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety