Madagasikara Asan-gazety: Nitsangana ny FOTM

Dimanche, 16 Novembre 2014 18:37 Déclarations
Imprimer

Raharahan’ny samy Malagasy izy ity ary mahakasika ny hoavin’ireo zandry handimby rahatrizay ka dia amin’ny teny malagasy no nanaovana ity fampitam-baovao ity.

FIOMBONAMBEN’NY ORINASAN – GAZETY TSY MIANKINA

ETO MADAGASIKARA (FOTM)

Fifandraisana : 034 05 570 70 – 034 05 503 69

N 002/14-FOTM/BV

FAMPITAM-BAOVAO

Fitsanganan’ny « Fiombonamben’ny Orinasan – gazety

Tsy miankina eto Madagasikara »

Manoloana ireo savorovoro isan-karazany, vokatry ny fitsabahan’ny Fanjakana amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny fisian’ny teritery samihafa, mivantana na an-kolaka, eo amin’ny fitrandrahana sy famoaham-baovao atao amin’ny mpanao gazety, dia tafatsangana, ny Asabotsy faha-14 Novambra 2014 lasa teo, ny «Fiombonamben’ny Orinasan-gazety Tsy miankina eto Madagasikara» (FOTM) na ny «Confédération des Media Privés de Madagascar» (CMPM).

Ivondronan’ireo Tompona gazety, tomponandrakitra eo anivon’ny gazety ary mpanao gazety tsy miankina amin’ny Fanjakana ity « FOTM » ity.

Ireo asa goavana ho tanterahiny dia:

* Hiaro ny orinasa sy ny asa fanaovan-gazety tsy miankina amin’ny Fanjakana, avy amin’ny fampiasana ireo didy aman-dalàna ampiarina eto amin’ny Firenena ;

* Hitsangana ho fahefana ara-moraly ka hanao izay hipetrahan’ny «déontologie» sy «éthique» bebe kokoa eo anivon’ny asa fanaovan-gazety tsy miankina.

Niraisan’ny rehetra feo arak’izany fa ireto olona, voalaza manaraka ireto, no itantàna ny Birao vonjimaika:

1- Rolly Mercia (Tale Jeneraly «Groupe de Presse Sodiat»)

2- Lola Rasoamaharo (Filohan’ny « La Gazette de la Grande Ile »)

3- Franck Ramarosaona (Talen’ny Famoahana «Groupe de Presse Ultima Média»)

4- Lalatiana Rakotondrazafy (Mpanorina-Talen’ny Famoahan’ny Radio «Free Fm»)

5- Rocco Rasoanaivo (Talen’ny Famoahan’ny «La Nation»)

6- Tiana Rakoto (Talen’ny Famoahan’ny «Inona no Vaovao»)

7- Lepêcheur Araffat (Talen’ny Famoahan’ny «Ino vaovao Faritany»)

8- Jeannot Ramambazafy (Talen’ny Famohana sy Tonian’ny Fanoratana ao amin’ny Gazety mailaka «Madagate.com»)

9- Michel Ralibera (Tonian’ny Fanoratana-Mpamakafaka ara politika ao amin’ny Radio «Ny Antsiva»)

10- Heriniaina Andrianirina (Mpanao Gazety ao amin’ny «Gazetiko»).

Ny «FOTM» dia hanao ho vaindohan-draharaha, amin’ny asa sy hetsika rehetra izay hataony, ny fanamafisan’orina hatrany ny firaisan-kina sy ny fivondronan’ireo Orinasa sy ireo Mpikirakira rehetra asa fanaovan-gazety tsy miankina eto amin’ny Firenena.

 

Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovan’ny «FOTM» fanambarana voalohany, izay toy izao ny votoatiny:

* Manoloana ny fitsabahan’ny Fanjakana tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany izay ho Filoha sy ho Mpikambana handrafitra ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, izay niteraka savorovoro sy fampisaraham - bazana eo amin’ny samy mpanao gazety , ny «FOTM» dia miantso ny mpanao gazety rehetra, tsy an-kanavaka manerana an’i Madagasikara, mba tsy handatsam-bato amin’ny fifidianana fihodinana faharoa izay kasaina hatao amin’ny Alarobia faha 19 Novambra 2014 hoavy izao ;

* Raha mbola misy ihany anefa ny fikasana hanao bodongerona ka hanaovana izany fifidianana izany, dia milaza mazava ny «FOTM» fa tsy mankatoa velively izay Birao vaovaon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety mety hitsangana eo.

Antananarivo, faha 16 Novambra 2014

Ny Birao vonjimaika

Mis à jour ( Lundi, 17 Novembre 2014 00:24 )