]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagascar. Aoka izay ny fomba tsy mahomby fanafenana ny tsy fahaizana!

Madagascar. Aoka izay ny fomba tsy mahomby fanafenana ny tsy fahaizana!

Combien aura coûté cette page entière en couleur? Pas moins de 3 millions d’anciens francs. Ici, sur madagate.org, c’est gratuit…

Dirigé par une troupe d’amateurs dans tous les domaines, Madagascar, comme le dit la publicité (« centre du monde ») à propos de la tenue du 16è Sommet de la Francophonie, sera bien le centre des conneries du monde. Le Colonel Lylison de René, élu sénateur à Mahajanga, et dégagé de ses obligations militaires, révèle le vrai visage de ce régime hvm/Rajaonarimampianina (ICI), et c’est la panique dans les palais. Appel est fait aux « spécialistes » pour tenter d’inverser la vapeur de la vérité qui fait tâche d’huile dans les esprits. Pour éviter d’être traité d’esprit partisan (ce qui, entre nous, ne me fera ni chaud ni froid), je préfère laisser la place au confrère Olivier Rasamizatovo, de Midi Madagasikara, pour vous expliquer le bide complet qui a, pourtant, coûté des millions d’ariary à « qui et pourquoi on sait ». Ce n’est pas de l’argent jeté par la fenêtre mais de l’argent dont on veut vite se défaire car émanant d’opérations louches. Pour ma part, tout est dit dans mon titre en malgache qui se traduit par: Halte aux démarches stériles pour cacher l’amateurisme (professionnel)!

Bientôt sur madagate.org un dossier complet avec vidéos à propos de l'autre face de ce "Aoka izay!"... (C'est ICI et en malgache pour les générations futures).

Jeannot Ramambazafy – 3 février 2016

****************


« Halte au coup d’Etat, à l’instrumentalisation du petit peuple, à l’effusion de sang ». C’est la traduction littérale de l’encart publicitaire publié dans les journaux par qui et pourquoi on sait, quand bien même bon nombre des tenants actuels du pouvoir auraient été complices – actifs ou passifs – de ces méthodes durant la transition.

« Aoka izay ! »

L’appel est certes louable et utile pour le pays meurtri par 5 années de crise, mais c’est aussi un aveu indirect d’instabilité 2 ans après l’avènement de la Quatrième République. En témoigne le changement de Premier ministre tous les ans. Sans oublier la majorité à géométrie variable à l’Assemblée nationale qui a aussi connu deux présidents depuis son entrée en fonction le 18 février 2014. On peut également citer les vagues de nominations et/ou de limogeages au niveau des hauts emplois de l’Etat qui partent d’Iavoloha presque à chaque conseil des ministres. Cela risque même de s’amplifier au lendemain du remaniement du gouvernement qui s’avère incontournable après le départ de deux membres pour le palais d’Anosikely. On devrait ajouter à la pub parue dans la presse  « Halte à l’insécurité de l’emploi » car cela n’est pas sans impact sur le bon fonctionnement de la machine administrative et la continuité du service public.

Les auteurs ou commanditaires de la pub auraient dû également ajouter à « Aoka izay ! », la mauvaise gouvernance, la corruption, le népotisme, le clientélisme, l’impéritie, la démagogie, le trafic en tous genres, l’instrumentalisation des forces de l’ordre et de la justice, l’inflation… Halte également à l’insécurité rurale et urbaine. Halte à l’insécurité alimentaire devant laquelle le régime est dans le déni en refusant de reconnaître l’existence de « kere » dans le Sud. On préfère parler en haut lieu de « situation de malnutrition aigüe » quoique ce soit blanc bonnet, bonnet blanc puisque dans l’un comme dans l’autre cas, on est en face de ventres affamés où il n’y a rien à l’intérieur, même si c’est gonflé de l’extérieur.

R. O – MIDI MADAGASIKARA

***********************************

Publié le mercredi 3 février 2016

AOKA IZAY?

Samy manana izay heveriny ho laharam-pahamehany ny tsirairay eto amin’ity fiainana ity.

Ny tsikaritra omaly, ohatra, dia hoe “Aoka izay!, nivoaka tamin’ny gazety mpiseho isan’andro maromaro. Tsy misy ifanomezan-tsiny ny amin’izany, satria efa niarahana niaina ny “fahavoazana” nateraky ny korontana nisy teto, izay namoizana asa, havana, olo-malala, sy ny sisa… hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena ka hatramin’izao efa Repoblika fahefatra izao. Vokatr’ireny dia tsy nitsahatra ny nitontongana ny fari-piainantsika Malagasy. Ê izany andro taloha… hoy ny mahatsiaro izay.

Misy fahamarinany, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, io “taraina” io, kanefa rehefa tena dinihina ny tantara niainana dia misy ny antony hafa, izay azo lazaina fa ny lehibe indrindra niteraka izao fahoriam-bahoaka izao, dia ny fomba nitantanan’ireo mpitondra nifandimby ny haren’ity firenena ity.

Ny mahatadidy dia mahatsiaro fa tany am-boalohany tany, izany hoe tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany, dia navela niliban’ireo vahiny ny sehatry ny varotra teto amintsika teto. Nanjakan’ny mpanjanaka samy irery, na  ny fanafarana na koa ny fanondranana entana. Na nahita tsena netinety kokoa aza ny mpandraharaha malagasy, izay vitsy dia vitsy tokoa tamin’izany, dia tsy nahazo nanao fifampiraharahana raha tsy “mandalo” sy mahazo ny fankatoavan’ny “Reny malala”. Tena tsenan’ny entam-barotra frantsay manokana sy azy samy irery i Madagasikara.

Nisy ihany, taty aoriana, ny nandraisana ho fananam-pirenena an’ireo kaompania goavana, ny trano fiantohana ary ny banky, sy ny sisa… saingy tsy nitondra na inona na inona ho an’ny vahoaka koa izany, noho ny antony ara-pitantanana izay tsy araka ny tokony ho izy fa nanendrena ireo “akamakama” izay niara-nisaosy dia ireny niaraha-nahita ireny fa banky rompitra daholo izy rehetra. Voatery namidy, natao varo-boba indray izy ireny koa dia niverina indray ny fifehezan’ny vahiny ê…

Tsy ohatra iray ahafahana manamarina izany ve ny momba ity vidin’ny solika eto amintsika ity ê?... Rehefa noteren’ny mpanambola iraisam-pirenena ho namidy tamin’ny tsy miankina ny Solima, ilay kaompania nasionaly nisahana ny fandraharahana ny solika tamin’izany, dia izao iainana izao no vokany: mpanatavy an’ireo kaompania vahiny mpandraharaha ny solika ny malagasy rehetra. Tsy afaka sy tsy mahavita mifehy azy ireo ny mpitondra fanjakana fa dia manaiky fotsiny izay vidiny ifanarahan’izy rehetra mba hivarotany ny solika. Raha “fifaninanana” amin’ny hampidina ny vidin-tsolika no “nantenaina” tamin’izy ireo dia fifanarahana amin’ny vidiny hivarotany azy no ataon-dry zareo. Rariny ve raha toa ka efa ambanin’ny 30 dôlara no vidin’ny fatra iray amin’io akora io eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia mbola ny vidiny tany amin’ny 90 na 100 dôlara ihany no ivarotana azy eny amin’ny toby anjifan’ny Malagasy azy ê?... Rariny ve raha mora noho ny nividianan’ny mpitondra sôsialista teo, izay 36 dôlara tamin’izany, no andraisan-dry zareo azy ka izao vidiny izao no amarotan’ireo mpandraharaha vahiny azy amintsika?... Asa?...

Ankoatra io resaka solika io anefa dia ao dia ao koa ny “fitantanana” ireo harena hafa, toa ny hazo sarobidy sy ireo harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Raha ny tena marina dia tsy misy “fitantanana” izany ny amin’izy ireo fa iniana avela ho gaboraraka ka dia samy manao tantely afa-drakotra ao daholo “ry zareo” rehetra ê.

Mety hanahirana moa ny resaka raha hatao lava loatra fa ny tiana hampitaina dia ny hoe marina tokoa fa tokony hatsahatra amin’izay ny fanonganam-panjakana, ny fanaovana sorona ny vahoaka ary ny rà latsaka, kanefa raha ny fiheverana dia tsy hisy intsony ho azy ireo rehetra ireo raha toa ka tsara tantana sy tsara tsinjara ny haren’ity firenena ity. Izany hoe aoka izay ny tsy firaharahiana ny harem-pirenena sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny fihinanam-bahoaka raha tsy tiana ny hisian’ny fifanonganana sy ny zavatra hafa eto. Dia izay!

Lalou - La Gazette de la Grande île

Mis Ă  jour ( Vendredi, 05 FĂ©vrier 2016 05:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety