Antananarivo lozam-piara-kodia. Miombo-po sy miara-ory amin’ireo ray aman-dreny namoy ny menaky ny aina izahay eto aminy madagate.org

Samedi, 30 Avril 2016 09:41 Madagate affiche
Imprimer

Gina ny tena, tsy mahita zavatra hosoratany mihitsy eo anatrehan'ny loza tsy roa aman-tany niseho tamin'iny andron'ny 29 Avrily 2016 iny. Satria mba ray aman-dreny be ihany tena ary tsy misy sedra mafy eto an-tany noho ny fandevenana zanaka izay. Indrindra fa no ny tsy fitandreman'ny sasany. Koa dia ireo lahatsoratra nataon'ireo nanama ao amin'ny gazety "Sakamalaho" sy "Inona no Vaovao" no nindramiko satria aminy teny malagasy izy ireo, mba afantaran'izao tontolo izao ny tena zava-nitranga marina. Inona ny fepetra enjana ho raisin'ity fitondrana ity mba tsy hiverenan'izao loza be izao intsony? Tokony manokana andro iray izy aloha ho fisaonam-pirenena sady ny filoha Rajaonarimampianina toa nandalo teny amin'ny hopitaly HJRA. Fa aefako eto koa ny horonam-peo mirakitra ny fanambaran'ireo olo-tsotra eo anatrehin'ireo loza mahatsiravina ireo. Mila miandry aloha- Jeannot Ramambazafy

*************************

*********************************

Mis à jour ( Samedi, 30 Avril 2016 11:35 )