]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Hery Rajaonarimampianina. Fiarahabana: Inona indray no lainga holazaina amin’ny vahoaka?

Hery Rajaonarimampianina. Fiarahabana: Inona indray no lainga holazaina amin’ny vahoaka?

Niandry ny kabarin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny mpanaraka ny raharaham-pirenena tamin’ny 31 desambra 2017 hifoha ny 01 janoary 2018 lasa teo. Toa ny fomba mahazatra ataon’ny filoham-pirenena maro manerana izao tontolo izao dia manao izany koa isika eto Madagasikara hatramin’izay. Ny taona lasa, desambra 2016-niditra 1 janoary 2017 dia nanao izany koa ingahy Hery Rajaonari- mampianina.  Fa naninona no tsy nasiana izany tamin’ity taona ity? Sa ve efa vitan’ilay famangiana ny «4’mis» teny «La Réunion-kely» sy teny amin’ny tonelina Ambanidia sy Ambohidahy izany ? Iny raharaha iny nefa dia toa ny fandatsana ireo olona sahirana ihany satria tsy nisy vahaolana naroso ho azy ireo hatramin’izay nitondrany izay, ary mbola nampian’ny filoham-pirenena hoe «tsy haka anareo teto amin’ity toerana ity no nahatongavako eto…». Dia vitan’ilay fanomezana vonjy tavanandro iny raharaha iny.

Inona izany no holazain’ingahy filoha Hery Rajaonarimampianina rahampitso zoma faha 05 janoary 2018 amin’ny kabary hofandraisana ireo diplaomaty sy ny andrimpanjakana? Hahasahy hilaza ve izy fa nampahantrany tokoa ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny firenena izay?  Latsaka ao anaty lavaka mangitsokitsoka tanteraka ny firenena ankehitriny. Sa mbola hilaza fa miasa ny fitondrana tarihiny? Amin’ny fo tsy miangatra dia mba inona no nentin’ny fitondrana ity nanatsara ny fiainan’ny Malagasy ?

Ny mpangalatra no nanjaka tao anatin’ny fitondram-panjakana toa ny raharaha Claudine Razaimamonjy izay mbola tsy vita hatramin’izao io ary mbola andrasan’ny Malagasy maro ny tohiny satria maro ny minisitra sy ny mpiasam-panjakana ambony ao anatin’ny fitondram-panjakana io no voalaza fa  voarohirohy amin’io raharaha io. Ramatoa Claudine Razaimamonjy koa tsy naka ny kitapom-bolam-panjakana na namaky izany fa maro no niray tsikombakomba taminy tamin’izany.

Inona koa no holazain’ ingahy Hery Rajaonarimampianina momba ny fanondranana ny andramena, ny volamena, ny vato sarobidy, ny harena voajanahary sy ny harena ankibon’ny tany izay mandeha antsokosoko mivoaka an’i Madagasikara? Ny raharaha «Kidnapping» sy ny tsy fandriampahalemana izay manjaka amin’izao fotoana izao?

Inona koa no holazainy mahakasika ny fanomezan-dalàna ireo sinoa izay manao tantely afa-drakotra ny herim-pirenena? Ny raharahan’ny zanany sy ny rahalahiny manao fandrobana ny fanaparam-pahefana amin’ny fitrandrahana vato toa ny tany Anjozorobe sy tany Antsirabe izay nahavoatonontonona azy ireo. Tsy izany ihany fa hatramin’ny kolikoly avo lenta momba ny «marchés publics» izay naha bakiropitra ny volam-panjakana amin’izao fotoana izao satria dia nataon’ireo mpikambana ambonimbony ao amin’ny HVM (Hery Vaovao hoan’i Madagasikara ) daholo ity sehatra ity.

Aiza ny fampiharana ny fananganana ny fitsarana tampony («Haute Cour de Justice») izay tokony ho vita tao anatin’ny iray taona aorinan’ny nandraisana fanjakana ?

Dia inona indray izao no fampanatenana ny mpiasam-panjakana? Firy indray no hotapahina ny karamany ary inona indray no holazaina azy ireo satria tsy ny mpiasam-panjakana «fantômes» no nenjehina fa ireo izay miasa mafy. Hampiakarina hoatrinona indray ny karama amin’ity vidimpianana izay nisondrotra 100% ity. Ny mpiasam-panajakana izay lazaina fa hofoanana koa ny 5%  ny volan-jaza hoan’izay misotro ronono manomboka amin’ity taona 2018 ity.

Ny fanapotehana ny orinasam-panjakana maro dia tsy hay tenenina intsony ka isan’ny voa mafy amin’izany ny Afaran’ny taona teo ny orinasa Magrama ao Ambatofinandrahana. Homena ny sinoa indray ve sa hamidy amin’ny vazaha avy aiza indray ?

Tsy tenenina intsony ny fahapotehan’ny fampianarana hoan’ny zana-bahoaka amin’izao fotoana izao. Aiza izay fampianarana tsy andoavam-bola hoan’ny daholobe izany any amin’ny EPP izay lazaina amin’ny lalampanorenana? Toa resaka ambony vavahady no betsaka ary fampanatenana poakaty no manjaka. Ny sekoly tsy miakina izay mameno ny banga aza ankehitriny foanana indray ary ampitahorina isan’andro isan’andro nefa ny fanjakana tsy mahavita ny andraikiny akory.

Eo amin’ny lafiny fahasalamana indray dia inona no holazain’ny filoham-pirenena mahakasika ny tsy fahazakan’ny vahoaka intsony ny saran’ny fitsaboana any amin’ny hopitalim-panjakana amin’izao fotoana izao. Naleon’ny olona namonjy «dadarabe» sy ny tambavy satria tsy zaka intsony ny fitsaboana.

Ary mba aiza ilay vola voalaza fa 10 miliara dolara amerikana azo tamin’ny fihaonana tany Parisy tamin’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara tamin’ny taona 2016 iny? Sao dia efa lasa nanaovana kolikoly indray satria efa tsy hita izay niafarany hatramin’izao ka tsy nolazaina izany ny vahoka Malagasy hoe azo sa tsy azo io vola io?.

Inona izany no kabary hataon’ny filoham-pirenena  Hery Rajaonarimampianina  amin’izao fotoana farany hitondrany ny firenena izao? Tapitra amin’ity taona 2018 ity ny fe-potoana hitondrany ny firenena ka olona hafa indray no ho eo amin’ny 2019 amin’ny taom-baovao.

Jesy Rabelaolao – La Gazette de la Grande île, 4 Janoary 2018

Mis à jour ( Jeudi, 04 Janvier 2018 06:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO