Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

Mercredi, 03 Janvier 2024 07:36 Madagate affiche
Imprimer

« Ny faniriana apetrako dia Andriamanitra anie hitantana ny diantsika tsirairay avy mandritra ity taona vaovao ity. Izy no hanome antsika fahendrena amin’ireo fanapahan-kevitra rehetra ho raisintsika handresena ireo sakana sy velam-pandrika. Hiaro antsika amin’ny fampisaratsarahana sy ny famadihana. Ka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanompoana firenena no hanjaka sy hameno ny fontsika fa tsy ny fikasana tombontsoa manokana.

Enga anie Izy hanome antsika fahasalamana sy tanjaka hahavitantsika ny asa fampandrosoana ho an’ny firenena mba hikatsahana hatrany ny soa iombonana. Koa ho firenena milamina sy mandroso i Madagasikara. Ho taona fanatanterahana ny fanamby amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara anie ity taona 2024 ity.

Ary mankasitraka sy mankatelina anareo amin’ny firariantsoa.

Mirary taona vaovao feno fahombiazana ho antsika rehetra ».

 

* * * * *

« En cette nouvelle année, j’exprime le vœu que le Seigneur guide chacun de nos pas chaque jour ; nous accorde la sagesse de prendre les décisions éclairées et la force nécessaire pour surmonter les obstacles ; nous protège des divisions et des trahisons.

Que la loyauté, l'amour de servir la nation remplissent nos cœurs à la place des intérêts personnels. Qu’Il nous accorde santé et force pour accomplir nos tâches au service de notre pays et pour le bien commun.

Que Madagascar soit un pays prospère et paisible. Que cette année soit une étape vers la concrétisation de nos défis et projets.

Et merci pour vos vœux et souhaits.

Bonne année pleine de réussite et d'accomplissements à vous tous ! ».

Mis à jour ( Mercredi, 03 Janvier 2024 12:45 )