]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Sénateur Lylison René. ZES: nandika lalàna indray ny filoha Rajaonarimampianina

Sénateur Lylison René. ZES: nandika lalàna indray ny filoha Rajaonarimampianina

FANONTANIANA: Nisy vondrona senatora Hvm nanonontonona ny anaranao tamina resaka Zone économique spéciale (ZES) tany Fort-Dauphin tany. Ianao izay lazain’ireo hoe: tsy te-hampandroso ny faritra atsimo, hono. Ahoana ny hevitrao mahakasika an’izay.


VALINY momba ny TVM: « Miala tsiny fa tokony tany aminy Tvm no namaliana ny resak’ireny namana ireny, nefa marihiko eto fa verrouillé tanteraka ny ao aminy Tvm, misy censure tanteraka satria be nihezaka mba niantso ny namana teny aminy Tvm nilaza fa niditra tao aminy Tvm ireny namana sénateurs hvm ireny, nahazo alàlana, fa izay sénateurs tsy Hvm tsy mahazo antenne mihitsy ao aminy Tvm. Ka tsara marihina eto izay. Voatery izany mandeha aty amina televiziona privée rehefa mba manao droit de réponse. Fa na izany na tsy izany aloha, tsy maintsy hitady hevitra ihany hazoana io antenne io satria olom-panjakana ny tena, manana izany droit izany, indrindra fa raha droit de réponse.


VALINY momba ny ZES: « Mikasika io ZES io no hitondrako fanazavana eto satria ireny sénateurs namana Hvm ireny, tsy omen-tsiny izy satria nahazo baiko hoe: mandehana ianareo mamaly an’ireo namanareo ireo satria ianareo efa notendrena, mbola tsy hiteny koa ka dia valio. Fa ny mampalahelo fotsiny dia milaza zavatra mamahan-dalitra ny vahoaka. Io ZES io, raha tenenina indraim-bava, mbola tsy misy lalàna mifehy an’izy io eto Madagasikara. Izay aloha izany tsara tsipihina tsara. Ny hitondrako fanazavana eto izany dia izay tsy maha ara-dalàna nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay.

Raha tokony ho izy, izany, misy lalàna mikasika io ZES io, mandalo ratification (fankatoavina) ao amin’ny Assemblée nationale (Antenimierampirenana). Vita izay vao ny exécutif (mpanatanteraka) no mandeha mifampiraharaha, izay vao mandeha ny signature (sonia). Sahala amin’ny hoe ny sarety no mandeha alohan’ny omby: nanao signature aloha ny président de la république, exécutif, izay mety hieritreritra ny hitondra mallettes ami n’izay ao anatin’ny Assemblée, hampandaniana io ZES io (lalàna). Izany hoe, nandika lalàna tsy aiko fanim-polony na faha-mpiriny indray ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’io ZES io. Tena fandikana lalàna tanteraka ny nataony tany Maurice, mbola tsy misy lalàna mifehy io ary tsy mbola nandalo tao amin’ny Antenimierampirenena.


Ny fanampiny: ho antsika parlementaires, tsara ho fanta-tsika ny voka-dratsin’io ZES io. Ny tanindrazana aloha dia tsy azo amidy. Izay aloha ny zavatra anankiray. Io ZES io raha ohatra ka isika Malagasy no mitantana azy, dia tsy mampaninona. Fa namidy amina Maorisiana izay tsy tena tompony araky ny renseignements azo fa mpanera koa ireo. Izany hoe, mbola misy vahiny hafa izany any ambadibadika any hividy io tany io fa dia maka tombony ny Maorisiana hivarotra azy. Ka raha sanatria tanteraka izany fikasana izany dia tsy ho voafehin’ny lalàna malagasy intsony io tany io fa ny lalànan-dry zareo Maorisiana.

Hita-tsika fa ny ao Fort-Dauphin misy afera ana bois de rose izay alefa taterina au large (eny afovoan’ny ranomasina) any, tsy tratra, fa vao mainka raha mipetraka io ZES io dia hiroborobo ny fanondranana bois de rose, satria ao amin’io port maorisiana io ihany no manao ny mise en conteneurs tonga dia lasa satria tsy azo fehezina intsony. Efa nazavaiko matetika teto : ny omby halatra dia hiroborobo faran’izay enjana any atsimo raha tanteraka io ZES io. Satria ny hiditra ao amin’io faritra io tsy azo idiran-tsika Malagasy intsony, ny port an-dry zalahy, tonga dia lasa (…) ».

Mahaliana. Mbola misy fanazavana hafa ka mihaino ny vidéo hatramin’ny farany, fa ireo aloha ny tena misongadina. Ka tsotra ny fanontaniana ry vahoaka malagasy: izany ve no tian-tsika hitranga eto amin’ity tanindrazana iombonana ity?

Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy, 26 Avrily 2016

Mis à jour ( Mardi, 26 Avril 2016 12:40 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety