]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Hery Tonta Rajaonarimampianina. Tsiahy avy amin’i Roland Ratsiraka…

Hery Tonta Rajaonarimampianina. Tsiahy avy amin’i Roland Ratsiraka…

Hôtel Carlton, 18 Okotobra 2013. Efa ho telo taona izay. Inona moa ny zava-niova teto amin’ny firenena malagasy rehefa injay voafidy filoham-pirenena tokoa ilay lazain’Andriamatoa Roland Ratsiraka fa Hery tonta ? Ny lasa tokoa tsy fanadino.


« Betsaka ny zavatra mety ho lazainao Monsieur Hery vaovao fa amiko ianao tsy vaovao mihitsy fa somary tonta an. Satria maninona ? Raha jerenao ny délestages rehetra manerana an’i Madagasikara, ianao no tompon’andraikita voalohany. Io raharaham-pirenena io tsy ho ana kandida tonga tampoka.


« Délestages, tsy afaka miteny ianao hoe tsy tompon’andraikitra direct ianao (Ttf : tamin’izaho nanoratra ity lahatsoratra ity, androany faha-29 Aogositra 2016, dia tapaka ny jiro taty amin’ny faritra Tsiadana sy Ankatso nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 9 ora sy sasany) ; tsy fahazoan’ny mpiasam-panjakana, indrindra indrindra ny mampianatra, ny karamany amin’ny ora tokony hahatongavany, ianao ihany ; tsy fahazoan’ny ankizy [vatsim-pianarana]. Ny ankizy anie ataonareo toa ny ondry e ! Tonga any Sina any dia tonga any dia lasa manao zavatra hafa satria tsy tonga ny vola. Aza alefa ny ankizy, Tompoko ô, Hery tonta, aza fady.


« Ianareo maka andraikitra, tsy tohizinareo ilay andraikitra raisinareo fa ataotao fahatany an, ary ho tsarain’ny Tantara ianao : tsy ary nikitika volam-panjakana a ? Misy dosie ao amiko ao, Monsieur Hery. Avoakako sa tsy avoakako ? ». Inona tokoa moa no niova, telo taona aty aoriana, raha tsy ny resaka OTIV ao Toamasina, izay mitentina amina miliara ariary no lavaka be ao nefa nampanantenain'i Hery tonta fa ho karakaraina, raha izay fotsiny no resahina?

Onitiana Realy, ilay mpanao gazety be fanakianana fa voky dia natory injay lasa minisitra ka sahy milaza fa noho ny « solidarité gouvernementale » (firaisankinan'ny governemanta) ny antony. Fa maninona no tsy sahy miala rehefa hita fa tsy mamely ity fitondrana ity. Sa miray hina amin'ny fandrobana ka alaina aloha izay azo alaina? Dia avy eo?...

Teo dia nibitaka ny nanatrika tao amin’ny hotely Carlton ary nihiaka hoe : « Avoay, avoay ! ». « Tsy ao anatin’ny fotoanan’ny ampamoaka isika », hoy Onitiana Realy izay lasa minisitry ny Mponina in-droa miantaona ka nangina tanteraka...

Jereo tsara ny vavan'ny Dokotera Kolo Roger (ankavia ambany eo amin'ny sary): « Avoay, aboay », hoy izy. Dia lasa Praiminisitra ary avy eo notendrena Loholona. Tsy mahagaga izany

Nanohy ny teniny moa ingahy Roland Ratsiraka, ka nilaza fa : « Tsy ampiseho dosie ny nahatongavako eto, Tompokolahy sy Tompokovavy fa… ». Tsy tapitra intsony ny teniny fa dia nihiaka daholo amin’ny hoe : « Avoay, avoay ». Anisan’ny navitrika, dia ny Dokotera Kolo Roger izay nofidiana ho Praiminisitra voalohany. Rehefa tsy nahavita azy teo amin'io terana io dia notendrena Loholona indray. Sao mamoaka zavatra koa ?...


Ary amin’ny izao volana Aogositra 2016, dia tsy atao mahagaga raha toa ka minisitry ny Fizahantany ingahy Roland Ratsiraka rehefa avy minisitry ny Asa vaventy. Mazava fa matahotra azy ilay Filoha nolazainy fa Hery tonta. Ny dikany dia olona kanosa no mitondra ny firenena malagasy ka raha ianareo koa no kanosa toa azy dia eo isika. Satria mbola any aminy aloha ny basy sy ny « mallettes ».

Fa na ho ela na ho aingana dia hivoaka foana ny marina. Sa tsy izany va Andriamatoa Roland Ratsiraka ? Fa aza lazaina kosa hoe very na manao toa an’i Jean Omer Beriziky mikasika ny andramena ka tara loatra vao resahina indray… Lasa fitadiavan-tseza indray mantsy raha ny ho fijerin’ny vahoaka.

Jeannot Ramambazafy – 29 Aogositra 2016

Mis à jour ( Lundi, 29 Août 2016 07:47 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety