MADAGASIKARA. Orinasan-gazety. Misaona ny La Gazette de la Grande Ile

Mercredi, 09 Juin 2021 05:49 A la une
Imprimer

Amin’ny alahelo lehibe no hilazana amin’ny mpamaky, ny tapaka sy namana rehetra fa misaona indray ny orinasa La Gazette de la Grande Ile noho ny fahalasan-dRandriamampianina Rasoamaharo Aiko Mattis, izay tsy iza fa zanaka lahin’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, Lola Rasoamaharo, sy ny mpiara-mitantanana ny orinasa Aiko Production, Niry Randriamampianina.

Omaly alarobia no nidaosin’ny fahafatesana ny malalanay Randriamampianina Rasoamaharo Aiko Mattis rehefa nivahiny 14 taona teto an-tany. Ny mpiara-miasa rehetra ato amin’ny La Gazette de la Grande Ile dia mirary fiononana feno ary mankahery ny fianakaviana iray manontolo.

Soavadia !


Mis à jour ( Mercredi, 09 Juin 2021 06:57 )