Filoha Andry Rajoelina. Ny marina tsy mba maty

Vendredi, 18 Juin 2021 02:01 A la une
Imprimer

Be izay resaka izay, manodidina ny niaingan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ho any ampita (Andafy moa no mahazatra). Namoaka fanambarana mihitsy moa ny Sampandraharan’ny Serasera sy ny Fifandraisana ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika fa « (…) nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny vavitokana ny Filoha Rajoelina Andry (…) ».

Ary dia niala avy tao amin’ny seranam-piaramanidina ao Ivato tokoa izy ny 16 jona 2021 alina. Ekena ary ekeko fa tsy ampy ilay fanazavana nomena. Any ka nanomboka teo dia nandeha daholo izao karazana resaka izao, manodidina ny vaksiny covishield tsy eken’ny ao France (izany hoe tsy manaiky izay olona nanao io vaksiny io hiditra ao aminy) araka ny fanambarana hita ao amin’ny tambazotran’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara.

Ary dia tonga hatramin’ny hoe « mandainga ny Filoha Rajoelina fa nanao vaksiny ihany na dia nanambara aza izy fa tsy hanao izany mihitsy, fa mahatoky ny CVO sy tambavy malagasy ». Eo anatrehan’izany toe-javatra izany, toa mampibahana ny tsaho sy ny fake news ary ny lainga be loatra, dia nikaroka ny zava-misy marina any am-potony aho. Be dia be ny Malagasy mihevitra fa rehefa hoe Andafy dia France izay. Tsia, Tompoko. Fanafohezina ny teny hoe an-dafindriaka izany Andafy izany. Raha vao miala ny Nosy Madagasikara ianao dia efa andafy izany na ho atsy Mozambika aza.

Nanainga an-tanindrazana tokoa ny Filoha Rajoelina ny 16 jona lasa teo. Fa tsy ho any France izy akory fa ho any Suisse. Ity firenena ity dia tsy mitady fahavitana vaksiny (na inona na inona no anarany) raha hiditra ao aminy, fa kosa mitaky taratasim-pitiliana na « test ». Io test io dia nataon’ny filoham-pirenena malagasy ny 15 jona 2021 araka io taratasy hitanao mpamaky eo ambany io. Raha mikasika ny fianakaviana Rajoelina indray dia efa any ampita ny vady aman-janaky ny Filoha koa dia izy Raim-pianakaviana ihany no niala teto Madagasikara.


Izany fanazavana izany aloha dia tsy hasakana ny be lazao sy ny mpandainga tsy hiteny. Tsy ny hampangina azy ireo akory no tanjoko, tompoko, fa tsotra : ny marina marina ihany, ary tokana, ka tsy ho faty mandrakizay.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Vendredi, 18 Juin 2021 04:04 )