]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Air Madagascar. Rado Rabarilala : «Endrika fitiavan-tanindrazana ny adinay efatra mirahalahy»

Air Madagascar. Rado Rabarilala : «Endrika fitiavan-tanindrazana ny adinay efatra mirahalahy»

ATO NY VIDEOS REHETRA

Ny zava-misy sy trangan-javatra. Ireo mpanamory efatra ireo dia efa namoahan’ny «Tribunal administatif» ny didy famerenana azy ireo amin’ny asany, tamin’ny 09 Jolay 2015. Izany no atao hoe «décision de justice» na didim-pitsarana tsy azo ivalozana. Kanefa modian’ny fanjakana mpanatanteraka tsy fantatra na koa tsy nisy. Ny dikany: tsy misy mihitsy izany hoe tany tan-dalàna izany eto Madagasikara fa mpandainga ny mpitondra. Rehefa nanontaniana indray ingahy Olivier Mahafaly «comique» (ETO MIJERY), Praiministra « vaovao » sy ministry ny Ati-tany tonta ny ela mpanao kolikoly (ETO MIJERY SY MIHAINO), nofidian’ny filoha Rajaonarampianina dia izao ny valiny: «Any amin’ny ministry ny Fitsarana ianareo manontany». Izy anefa ny laharana voalohany amin’izany fahefana mpanatanteraka izany. F’iza marina izany no tompoiny?


Io indray dia vazaha avy any Canada mandray vola be fa manaraka fotsiny ihany ny baiko omen’ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity. Izany hoe tsy rahararahiny izany «décision de justice» malagasy izany. Ho kely koa sisa no hananan-tsika azy satria misy tetika maizina dia maizina miala any ho any hanendrehana tanteraka ity orinasa Air Madagascar ity…


Manankasina, kambana amin’i Andry Raobelina, Tale jeneralin'ny Madagasikara Airways


Antananarivo, 26 Avrily 2016. Ity ny valan-dresaka manokana niarahana tamin’i Rado Rabarilala, mpanamory sady sendikalista ao aminy Air Madagascar. Natao an-tsoratra izay mitoetra. 


« Inona moa ny politikan’ny Dg amin’ny fandroahana ny mpiasa malagasy miisa 400 -CCD ireo-? Satria raha jerena ny mari-karaman’izy ireo, raha misy dia misy, ataon-tsika hoe 2.500.000 fmg. 1 milliard isam-bolana izany, nefa izy namorona Dga anankiroa mikarama ohatrinona? Zavatra tsy mitombona izany ao anatin’ny politikan’ilay Dg.

Resy lahatra ve ny fanjakana misy, amin’izao fotoana izao, fa tena ilaina Air Madagascar? Satria ny zavatra hitako dia izao: ahoana moa no afahanao manome ny tsenanao amina kompania hafa nefa ianao manana kompania nasionaly izay tena mamelona Malagasy, izay efa mitsipozipozy, tsy tenenina hoe ho faty ? Ny concurrence ilaina fa mila fepetra tokony raisina. Ohatra. Raha firenena lehibe tahaka ny Chine na Singapour, izaho miteny aminao fa tena drafitra mihitsy no napetraka. Misy calendrier afahana mamaha ilay lanitra tsikelikely, mba tsy ahafaty ny investissements. Izany Singapore Airlines izany dia fahatelo eran-tany ary voalohany eo amin’ny lafin’ny confort.


Ka misy izany, fepetra tokony ho raisina ho an’i Air Madagascar. Ka rehefa feno izany fepetra izany, dia izay vao avela daholo hifaninana mba hafahana manatsara ny tolotra sy ny omena mandrakariva satria ny zava-drehetra dia ny fahafaham-pon’ny mpanjifa no tanjona. Ary raha tsy misy ny concurrence fa monopole fotsiny dia tsy mety daholo izany.


Raha momba ny Madagasikara Airways? Ny Tale jeneraliny (TTF: Manankasina, kambana amin’i Andry Raobelina bolokin'ny fitondrana Hvm -Dream'In-IBC-La dépêche) dia pilote izay nofanina teto aminy Air Madagascar. Fa tsy namita sy nahafeno ilay contrat folo taona tokony nataony tato. Ny dikany dia tsy manana éthique ny olona toa izany. Eo ihany koa ny maha akaiky azy amin’ny filoham-pirenena. Ny zavatra mampalahelo aho izao dia tonga tany aminy Madagasikara Airways ny filoha niheno doléances nefa mbola tsy tonga teto aminy Air Madagascar mba nanontany ifotony ny hoe inona marina ny olana ato amin’i Air Madagascar. Kanefa, raha ny filazan’ny Dga, dia ireo Airbus A-340, 737-800 sy ireo raoplanina vao novidiana ireo no tena fototra ngezabe mahatonga ny Air Madagascar ao anaty olana mangitsokitsoka tahaka izao.


Nandray anjara izy nividy ireny raoplanina ireny, tamin’izy tao anatin’ny filan-kevim-pitanànana ary mbola filohan’izany filan-kevim-pitanànana. Ka aiza koa ilay notion de redevabilité na tamberin’andraikitra. Mora, androany ny mandrahona ny mpiasa hoe hidiana ny Air Madagascar raha vao mihetsika eo ianareo. Nefa ry zareo no nanao izay hevitra rehetra hampikatso azy, nampidirana ireo concurrence vahiny ireo. Manao tsara ny asany ny Dg-ny Madagasikara Airways, miantso ny filoham-pirenena, satria karazana mitantana société d’Etat izy ary tokony mba mihetsiketsika tokoa, ary tsy manome tsiny azy aho amin’izay lafiny izay, mampiroborobo ny orinasany izy.


Ny mampalahelo ay fotsiny dia karazana favoritisme. Izao tokony vahana ny resaka solika dia izao azony indray izao ny tsenan’ny solika. Dia hitanao fa tsy maintsy mahita hevitra foana ka lasa conflit d’intérêts ka tokony hihezaka koa ny Dg-ny Air Madagascar ka hifoha amin’ny torimasony. Ity moa vazaha ka ty aiko raha manana culture d’appartenance, fa ny olona toa itony anie mandalo fotsiny ihany e…


Ho anay efatra mirahalahy dia izao ataonay izao dia fomba hanompoanay ny firenenay ao anatin’ity orinasam-panjakana ity. Endrika fitiavan-tanindrazana izay zavatra izay. Ka raha tsy manana izay fo mitempo ho an’i Madagasikara izay ianao dia tsy manana fo mitempo ho an’i Air Madagascar, ka marina loatra raha io no niafaran’ny orinasa ».

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

Araben’ny Fahaleovantena, 26 Avrily 2016

****************


Mis à jour ( Vendredi, 29 Avril 2016 08:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety