Jacky Joachim. Nanitsy ny "fiarahana" tamin'i Marc Randrianisa

Dimanche, 25 Juillet 2021 07:55 Newsflash
Imprimer

SARY LEHIBE ETO

Taorian'ny nivoahan'ilay lahatsoratra mikasika an'ingahy Marc Randrianisa ilay mpamerin-keloka vonona hanao"attentat" indray (ETO), dia nahavoaray vaovao aho ny alin'ny sabotsy 24 jolay 2021 : nanoratra tamiko i Jacky Joachim ary nanazava fa tsy nahalala mihitsy ny zavatra ("activités politiques") ataon'i Marco izy no tsy miditra izany sehatra politika izany mihitsy fa «"Dance sy "Music" ihany ka». Nanontaniako i Rossy fa dia hoy izy : « Namako mpiara-mandihy amiko tamin'ny andron'i Tsilavina Ralaindimby i Jacky ary tsy mbola niditra politika. Countryman mpandihy izy ary nahazo loka maro foana ». Ary dia ireo ambony ireo tokoa ny sary manaporofo izany.


Nanambara ihany koa i Jacky Joachim fa ny nahafantarany an'i Marc Randrianisa dia amin'ny maha rain'i Tiavo azy. Izay ihany.

Marco Randrianisa sy Hery, ramatoa tena "fanatique" an'i Marc Ravalomanana mihitsy. Zony izany ka... Fa tokony tsy mifamitaka e ! Tsy ho voatery -ary tsy azo terena- ho zanak'i Dada daholo ny Malagasy any ampitan-dranomasina any

Raha izany dia azo lazaina fa voajonon'i Hery ry Jacky Joachim ka ny lazany no hanambarana avy eo fa efa miaraka aminy sy io Marco io ny Malagasy maro any ampita eo amin'ny tontolon'ny zava-kanto. Fomba fiadin'inona re izany e ?!



TSINDRIO ETO

Mpomba an'i Marco mpamono lolo daholo koa izany ireo olona eo ambany ireo ?! Revin-gadran'olona efa nigadra noho ny nanafiany ny ambasady malagasy tao Paris, niaraka tamin'ny GTT, ny taona 2009.



Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 25 Juillet 2021 10:02 )