Vatican. Naneho ny firaisankinany amin’ireo traboina tamin’ny rivodoza teto Madagasikara ny Papa François

Lundi, 21 Février 2022 04:59 Newsflash
Imprimer

Ao anatina telegrama amin’ny anaran’ny Papa François, nosoniavin’ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin’ny Vatican, Roma, dia naneho ny firaisany akaiky amin’ny Vahoakan’i Madagasikara izay niharan’ny loza voajanahary nifanesy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay, ny Papa Ray Masina.

Ao anatin’io telegrama nalefan’ny Biraon’ny «  Holy See Press » ao Vatican, tamin’ny 19 febroary 2022, io dia voalaza fa ny Papa François dia maneho ny « firaisankinany lalina » amin’ireo traboina tamin’ireo rivodoza namely ny Nosy Madagasikara tato anatina herinandro vitsivitsy. Io telegrama io dia nalefa nivantana any amin’ny, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina.

Araka ny fantatra dia maherin'ny 130 ireo Malagasy nidaosin’ny fahafatesana hatramin'ny fiandohan'ny volana febroary, noho ireo rivo-doza Ana, Batsirai sy Dumako nisesy nifandimby teto Madagasikara.


Fa mbola nanambara ihany koa ny Papa François ao anatin’izany telegrama izany fa « rehefa nahare aho, tao anaty fanaitainana lalina, izany ratra mafy nanjo ny Nosy Madagasikara, noho ireo rivo-doza niverimberina, ny tondra-drano ary ny faharavan’ny trano, dia maneho ny fiombonana am-bavaka amin’ireo rehetra tratry ny loza voajanahary ny tenako ».

Ny Papa Ray Masina dia « mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin’ireo nodimandry, mivavaka ho amin’ny fahasitranan’ireo maratra ary mivavaka ihany koa ho fampiononanan’izay rehetra misaona noho ny fahafatesan'ny havany sy ny faharavan’ny trano fonenany ». Manolotra fampaherezana ho an’ny manampahefana sy ny sampana vonjy maika rehetra ihany koa ny Papa François.

* Marihina fa amin’ny talata 22 febroary 2022 dia voalaza fa hiditra an-tanety, avy any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan'i Madagasikara,  ny rivo-doza Emnati izay loza voajanahary faha-efatra aorian’i Ana, Batsirai sy Dumako.

Nandray sy nandika : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 21 Février 2022 05:58 )