Madagasikara, Andron’ny Vehivavy 2022. Ao Antsirabe, ny 08 Marsa

Vendredi, 04 Mars 2022 08:13 Newsflash
Imprimer

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Manoloana ny faharatsian’ireo foto-drafitr’asa izay efa marefo nohon’ny takaitra izay navelan’ny rivo-doza Batsiraï sy ny andro ratsy efa manambana amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana iny, sy mba ho fisorohana ny voka-dratsy izay mety aterak’izany amin’ireo mpandray anjara amin’ny Fankalazana Nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izay saika hankalazaina tao amin’ny Distrikan’i Manakara, Faritra Vatovavy,

Izahay Ministeran’ny Mponina sy ireo Komity Mpanomana ny 08 Marsa 2022 dia maneho ny fialan-tsiny lehibe amintsika Vehivavy Malagasy tsy vaky volo rehetra, indrindra fa isika aoamin’ny Distrikan’i Manakara, satria voatery novana ao amin’ny Distrikan’Antsirabe, Faritra Vakinankaratra, ny toerana hankalazana izany amin’ity taona ity.

Tiana anefa ny manamarina fa tsy misy miova ny fandaharam-potoana rehetra izay voafaritra tao anatin’ny tondro zotra izay efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra.

Eo ampamanarana dia manantena ny fahatsapana avy amintsika rehetra ny mpanomana ny lanonana satria ny Fotoam-bita, hono, tsy mahaleo ny sampona, kanefa aleho misoroka toy izay mitsabo.

Misaotra, Tompokolahy, mankasitraka, Tompovavy./.

Mis à jour ( Vendredi, 04 Mars 2022 08:17 )