New York, Firenena Mikambana. Hiteny ny Filoha Andry Rajoelina, ny 21 Septambra 2022

Mercredi, 21 Septembre 2022 06:43 Newsflash
Imprimer

Araka ny fandaminana efa narafitry ny tomponandraikitra ao amin’ny Firenena Mikambana ao New York, manodidina ny Fivoriana faratampony faha-77 -20-26 Septambra 2022- dia ny 21 Septambra 2022 no handray ny anjaram-pitenenany ny Filoha Malagasy, Andry Rajoelina.


Raha tsiahivina, dia nisokatra ny 13 septambra 2022 ny Fivoriana ankapobeny na “Assemblée générale” faha-77-ny Firenena Mikambana izay nampitondraina ny lohahevitry hoe: Kihon-dalana iray: Fotoana fitadiavana vahaolana hanovana ireo tranga isan-karazany mampifamatotra ny zanakolombelona. Anisan’izany ny aretina Covid-19; ny ady any Okraina; ny fiovan’ny toetrandro mbola tsy fahita hatramin’izay ary ny tahotra momban’ny loza mitatao eo amin’ny lafiny ara-ekonomika maneran-tany mihitsy.

Arak’izany dia ilaina tokoa ny mikaroka sy mifantoka amin'ny vahaolana iraisana, eo anatrehin'ireo krizy ireo hananganana tontolom-piainana milamina sy sy maharitra kokoa ho an'ny rehetra sy ho an'ny taranaky ny zanak’olombelona ho avy.

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Mercredi, 21 Septembre 2022 10:00 )