Hay teo foana i Kristy, 7 Febroary 2013

Vendredi, 08 Février 2013 06:31 Communauté Malagasy
Imprimer

VIDEO - TSINDRIO ETO

Taona sy taona nisesy nitadiavan-tsoa
Nihodikodina nefa tsy nety nitony ny fo
Ireo izay nitokiana nandao avokoa
Tany efitra sady nangiana no niainako

Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Foana izao ny fotoana izay laniko
Andro mirana sy lohataona izao ny androko
Tojo izay nantenaina aho ka dia afa-po
Ilay fiainako teo karakaina niova ho soa

Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Io ambony io ny tonon-kira avy amin’ny Chorale Fiderana. Izay nihirain’ny Chorale FEFI, ny alakamisy 7 Febroary 2013, teo Ambohitsorohitra (jereo ny video).

Fa io ambany io kosa ny tonon-kira noforonin’i Jocelin Ranjarison

Fatra-pitady hafaliana taloha aho tamin-java-boarara

Ka notsiniako ireo loza mpahazo ahy tety an-tany.
Niraiki-po tamin'ny tany aho mandra-pianjerako nitsirara
Tamin'io indrindra anefa no niantso ahy ilay Mpiandry Tsara

Ref. (Fiverenenana)
Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Niandry ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Tsy hitako intsony rendrarendra izay namitaka ahy
Haiko izao ny lalan-tsara ka hizotra aho tsy amin'ahiahy
Ny fiainako isanandro miaraka aminy dia mamy ery
Ô, indrisy raha fantatrao tsy nampiandrasiko mihitsy i Kristy

Ref. (Fiverenenana)

Mis à jour ( Vendredi, 08 Février 2013 09:26 )