]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Bangkok One Young World 2015. Nanome vonihahitra ny firenena i Hasina Ratovonirina

Bangkok One Young World 2015. Nanome vonihahitra ny firenena i Hasina Ratovonirina

Tamin'ny fihaonambe 2014 dia nanambara i Yeonmi Park (nitsoaka avy tany Korea avaratra) fa: "ny zaza teraka any Korea avaratra dia teraka ho gadra mandritra ny fiainany eto an-tany"

 

 

Eto Madagasikara moa dia variana amina zavatra hafa mihitsy any ka tsy mahalala ny fandrosoana misy eran-tany, indrindra fa avy amin’ireo tanora sahy mandray andraikitra, fa tsy variana amin’ny fitiavan-tena sy fitiavan-kely mampihemotra lava. Ny fahantran’ny saina no mahatonga ny fahantrana ara-bola. Tsy azo ivalozana izany.

Kate Robertson sy David Jones

Ny 18 ka hatramin’ny 21 Novambra 2015 ary dia nisy fihaonambe goavana tany Bangkok any Thaïlande. Io fihaonambe io dia nokarakarain’ny fikambanana tsy miankina anglisy « One Young World » izay niforonin-dry David Jones sy Kate Robertson, tamin’ny taona 2009.



Natokana ho an’ireo tanora eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona maneran-tany. Goavana ny hevitra resahina amin’izany satria misahana ny Fanabeazana, ny Tontolo iainana, ny Asa ankapobeny, ny Zon’olombelona, ny Fahaiza-mitondra sy ny Governemanta ary ny Filaminana sy ny Fandriampahalemana. Efa tamin’ny taona 2010 no nisy ity fihaonam-be ity. Tamin’ity taona 2015 ity dia niisa 120 ny firenena nandray anjara ka anisan’izany i Madagasikara.

 

"Rehefa tsy mety mitondra (izany hoe tsy mahay mitondra) ny mpitondra dia adidin-tsika tanora ny mitondra". Tsarovy tokoa fa mpiasam-bahoaka ireo mpitondra ireo fa tsy mpanjaka na andriamanitra latsaka an-tany ka tsy tokony tompoina. Ianao mamaky no anisan'ny mandoa ny karaman'izy ireo, na mivantana na tsia

Ramatoakely Hasina Suzah Ratovonirina (eo amin'ny sary eo ambany) no nisolotena ny firenena malagasy ary mikasika ny tontolo iainana ny anjara fitenenany. Avy hatrany izy dia nivantana tany aminy Filoha Hery Rajaonarimampianina i Hasina fa koa tany amin’ireo mpitondra maneran-tany. Teny anglisy ny nanaovany izany fa ity manaraka ity ny dikan-tenin’ilay kabariny:

VIDEO aminy teny anglisy ETO

« Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,


Izaho izay mandray fitenenana no Hasina Suzah RATOVONIRINA, misolontena ireo tanora Malagasy rehetra mpiray tanindrazana amiko. Manao izao kabary izao aho ho an’ireo mpitondra rehetra eto amin’ny fireneko, dia i Madagasikara, ho an’ny filoham-pirenena Malagasy Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, fa indindra ihany koa ho an’ireo mpitondra fanjakana rehetra maneran-tany.


Madagasikara no firenena fahatelo eo amin'izao tontolo izao iharan’ny voka-dratsin’ny loza voajanahary be indrindra araka ny valim-pikarohana nataon’ny “Commune Initiative de Plaidoyer à Madagascar”.

 

Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro dia nihena hatramin’ny antsasany ny rotsak’orana, nanomboka hatrany amin’ny 1530.4 mm tamin’ny taona 1960 kahatramin’ny 767 mm tamin’ny taona 2000. Anisan’ny voka-dratsy naterak’izany ny fahasarotan’ny fitantanana ny rano sy ny fikorontanan’ny taom-pambolena. Tato anatin’ny roa taona farany, ohatra, dia nihamafy sy nihamatetika ny fitrangan’ny rivo-doza, izay niteraka tondra-drano lehibe teto andrenivohitra, ny any amin’ny faritra atsimon’ny nosy kosa anefa dia nihamafy ny hain-tany sy mosary.


Izany toe-javatra izany dia nanamafy ny fahantrana sy ny mahamarefo ny mponina mihoatra ny 20 tapitrisa, izay mahatratra hatrany amin’ny 92% ny mponina eto Madagasikara. Isan’ny nanimba sy nanaratsy ny ezaka teo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ireo loza voajanahary ireo.


Na eo aza izany, dia tsapa fa tsy mbola laharam-pahamehan’ny governemanta ny fandinihana ny fiovaovan’ny toetr’andro.


Andriamatoa Filoha,


Vao maika mahamafy hatrany ny fahantran’ny vahoaka Malagasy ny fitombon’ny loza voajanahary. Izany no antony tsy maintsy hiarovantsika ny ala voajanahary eto Madagasikara.Tena ilaina izy ireo hiarovantsika ny tontolo iainana, hiantohana ny fisian’ny rano, hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hiantohana ny fahazoana rano fisotro madio ary herin’aratra.


Tena resy lahatra aho fa ny fanentanana ny tanora amin’ny fiarovana maharitra ny tontolo iainanana sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina dia hanampy betsaka tokoa amin’ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.


Andriamatoa Filoha, amin’nymaha-mpisolotena ahy ny tanora Malagasy rehetra, dia te-hisintona ny fijerinareo mpitondra aho, amin’ireto teboka vitsivitsy ireto ary mba handray azy ireo ho laharam-pahamehan’ny governemanta Malagasy:


- Ampidirina ao anatin’ny fandaharam-pampianarana ambaratonga fototra ny fampianarana sy ny fanentanana mikasika ny tontolo iainana sy ny tombotsoa azo avy amin’izany.
- Ampidiran anatin’ny laharam-pahamehana ao amin’ny politikam-panjakana ny fambolen-kazo ary voizina mafy sy matetika.

- Apetraka ny paik’ady ho amin’nyfampiasana ny angovo azo havaozina amin’ny andavan’andro fa tsy mifantoka amin'ny fitrandrahana ny solika mety lany hatrany, izay isan’ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetr'andro sy fahapotehan’ny tontolo iainana.

Andriamatoa Filoha,

ho antsika tanora olom-pirenena vanona,

Ny fandraisantsika andraikitra ankehitriny no hiantoka ny hatsara sy faharetan’ny fiainantsika amin’ny hoavy ».

Jeannot Ramambazafy – 24 Novambra 2015

 

 

Mis Ă  jour ( Mardi, 24 Novembre 2015 13:26 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety