NOPOROFOIN'NY DGSR (DIRECTEUR GÉNÉRAL DE LA SÉCURITÉ ROUTIÈRE), NY JENERALY DE BRIGADE RATELO ANDRE TAO ALAROBIA, FA NISY NY KOLIKOLY EO ANIVON'NY NY ITY SAMPANA MISAHANA NY FITSARANA FIARAKODIA ITY
Misy amin'ireo olona tompon'ny fiara no tsy mitondra ny fiarany rehefa atao ny fitsarana ny fiara eny Alarobia, fa dia vita amina resaka taratasy fotsiny ihany izany. Eo ihany koa ny fisian'ireo fiara izay hoentina hotsaraina eny an-toerana saingy kojakojam-piarakodia nofaina no apetak'izireo amin'ny fiarany. Tsikaritra fa ny taxi sy ny taxibe no tena mpanao an'io fomba io.
Hentitra araka izany ny Jeneraly de Brigade RATELO André, Tale jeneraly ny fitsarana fiara eny Alarobia, fa tsy ho hisy intsony izany manomboka izao. Fomba mamoehitra izay naharatsy hendrika an'ity sampana ity ireny ka dia izay mpiasa tratra manao izany dia voaroka avy hatrany. Nohamafisiny ihany koa fa tena misy ny mpanera manao an'io asa io ary mifandray amina mpiasa mpitsara fiara. Izahay tsy manakarama mpanera ary tsy tokony ho hisy izany, hoy ihany ny Tale jeneraly.
MILA MANAO « VISITE TECHNIQUE SPÉCIALE » NY FIARA TAXI BE RAHA VAO MITONDRA OLONA HANDEHA MIHOATRA NY 40 KM
Anisan’ny tena nitana ny sain'ny maro teto amin’ny firenena ny lozam-piarakodia izay nitranga tany Anjozorobe farany teo ka namoizana ainan'olona maro tokoa. Eo koa ny fisian'ny loza roa nifanesy izay nitranga teny amin'ny « rocade » sy ireo hafa tsy voatanisa. Ireny dia tokony andraisana fepetra, ka manomboka izao dia tsy maintsy manao fitiliana ireo fiara rehetra izay nahazo « SPÉCIAL » hitondra olona mihoatra ny 40 km. Izany dia roa andro mialoha ny handehanana, ary hoentina ny fiara tsaraina fa tsy misy intsony ny resaka taratasy fiara fotsiny no hoentina eny. Misy avy eo ny taratasy izay omen'ny sampana misahana ny fitsarana fiara, ka iny taratasy iny no hoentina eny amin'ny minisiteran'ny Fitaterana ahafana mahazo ny fahazoan-dàlana mitondra « SPÉCIAL ».
Tsy ho hisy ihany koa, manomboka izao, ny taratasy omena ny tompon'ny fiara hanaovana ny « visite technique » ho an'ireo fiara avy any ivelany, fa dia amin'ny alàlan'ny « voie administrative » no atao. Izany hoe rehefa « apte » ny fiara ho tsaraina iray dia avy hatrany dia mivantana eny amin'ny CIM na ny « Centre de immatriculation » eny Ambohidahy ny tompony fiara, fa ny sampana mpitsara fiara no mandefa taratasy eny amin'ny CIM.
Manoloana ireo gaboraraka dia nitatitra ny Tale jeneraly ny fitsara fiara fa teo aloha dia maro no manao fomba samihafa ahafahana mahazo ny taratasy eny anivon'ity sampana ity, izay tsy mifanaraka amin'ny fizotrin'ny asa. Ary hita fa miendrika kolikoly tanteraka. Efa nisy mpiasa nigadra vokatr'izany, ary raha toa mbola misy tratra dia voaroaka avy hatrany na mety hiafara amin'ny figadrana. Voaporofo araka izany teto fa dia nisy tokoa ny kolikoly eo anivon'ity sampandraharaha iray ity, ary manomboka manadio izany ny Tale Jeneraly vaovao.
Andry Rakotonirainy, sary sy soratra – 13 Septambra 2017