]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy PESTA ETO MADAGASIKARA: NY TOKONY ATAO MAHOMBY INDRINDRA

PESTA ETO MADAGASIKARA: NY TOKONY ATAO MAHOMBY INDRINDRA

TSINDRIO ETO HO AN'NY FIAROVANAO SY NY ANKOHONANAO

*****************************************

CLIQUEZ ICI POUR SAVOIR QUE FAIRE ET QUI CONTACTER

*****************************************

Raha teny amin’ambanivohitra rehetra teny no nisehoan’io aretina pesta io hatramin’izay dia tonga eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara io aretina io amin’izao taona 2017 izao.

Vanim-potoanan’ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta (aretim-boalavo) isika amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Tsy afaka miandry izay fitondrana Hvm mbola variana manao fanambarana feno fandrahonana (indrindra fa ingahy minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tany Toamasina, sakaizan'ny Filoham-pirenena ao amin'ny Rotary Club. Efa nataon'ny minisitra Rivo Rakotovao izany, Tompoko ô! Ka sambory daholo fa izay no hahafaka io aretina io tanteraka. SSSsss.). Any ka adino ny hetsika tokony efa natao tamin’ny volana Aogositra isan-taona, hisoroana io pesta mandoza io.

Satria tokoa eo anelanelan’ny volana septambra sy aprily io pesta io no mirongatra eto Madagasikara, firenena fahatelo misy azy sisa maneran-tany aorian’ny RD Congo sy ny Tanzania (Manampahaizana avy ao amin'ny OMS no nanambara ireo firenena ireo).

Koa araho tsara ireto toro-hevitra manaraka ireto.

Azo sitranina tsara io aretina io. Ahoana ny fisehoany?

Raha « peste pulmonaire »:

-Fanaviana mahery vaika

-Kohaka arahina rehoka misy rĂ 

-Fanaintainan’ny tratra

-Faharerahana be.

Raha « peste bubonique »:

-Fanaviana mahery vaika

-Fisian’ny atoditarimo manaintaina ao ambany helika na eo am-potom-pe na eo amin’ny tenda.

Aretina mora mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora, ny kaikitry ny parasy avy nanaikitra voalavo mitondra ny tsimok’aretina. Telo andro aorian’ny hahazoan’ny olona iray ny tsimok’aretina no tena miseho ny fambara fa voan’ny pesta ny olona iray.

Raha voatily haingana dia tsaboina amin’ny alalan’ny fihinanana antibiotika ny pesta. Tadidio fa MAIMPAIMPOANA ny fitsaboana ny aretina pesta ary izay nifanerasera tamin’ny marary rehetra dia tokony tsaboina sy atokana toerana («mise en quarantaine») mba tsy hamindra amin’ny hafa.

Aretina azo sorohina sy tsaboina tsara araka izany ity valan’aretina ity. Mila manatona toeram-pitsaboana haingana raha vao misy fisehoan-javatra hafahafa.

Fisorohana:

- Diovy foana ny trano, ny tanĂ na sy ny manodidina: ny fako, indrindra ny poti-kanina, dia tsy aparitaka fa dorana na ariana amina toerana sahaza azy mba tsy hampahazo aina ny voalavo.

- Sasàna matetika amin’ny rano sy savony ny tànana

- Fongorina ny voalavo amin'ny alĂ lan'ny famandrihana azy

- Asiana ody parasy ny ao an-trano.

AZA MANAO DOKOTERA TENA KA TONGA DIA HIHINANA COTRIMOXAZOLE FA ALEO MANATONA MPITSABO.

Raha olona salama no mihinana antibiotika avy hatrany dia ho sahirana amin’ny fitsaboana ny aretina raha sanatria tratra, satria lasa tsy mandaitra haingana aminy intsony ilay fanafody.

Ary ho sahirana koa izay marary mitady ny fanafody ilainy.

Ny olona nifanerasera tamin’ny olona voan’ny pesta ihany no tokony ho tsaboina sy hihinana fanafody fa tsy ny olon-drehetra.

Ireto ny LAHARANA MAITSO (antso maimaimpoana) raha mahita tranga mahakasika ny pesta:

Telma : 034 30 810 30 ; Airtel : 033 65 800 00 ; Orange : 032 32 038 00

Koa samia mandray ny fepetra tandrify azy ny olom-pirenena tsirairay.

www.madagate.org

Mis Ă  jour ( Dimanche, 22 Octobre 2017 17:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety