]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo Vary. Nidina teny Anosibe ny Praiminisitra Mahafaly Olivier

Antananarivo Vary. Nidina teny Anosibe ny Praiminisitra Mahafaly Olivier

Taorian’ny fivoriana natao teto Mahazoarivo ny 04 desambra 2017, izay nijerena ireo vahaolana amin’ny fampidinana ny vidim-bary, dia nidina ifotony nijery ny zavamisy teny amin’ny tsenan’Anosibe ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny marainan’ny talata 05 desambra 2017. Nandritra izany no nitafatafany tamin’ireo mpamongady mba hahafantarana ny zavamisy marina amin’izao fiakaran’ny vidim-bary izao.

Ny niandohan’ny olana dia ny tsy fahampian’ny voka-bary teto an-toerana noho ny fiovaovan’ny teotrandro ka nampidina ny habetsahan’ny vary avy eto an-toerana teny amin’ny tsena.

Hita nandritra ny fidinana ifotony fa ny vary vokatra eto an-toerana dia manodidina ny 2.000 ariary na mihoatra an’izany ny vidin’ny iray kilao. Raha ny vary nafarana avy any ivelany kosa dia manodidina ny 1800 ariary ny vidin’ny iray kilao andefasan’ny mpamongady azy, eny amin’ny tsenan’ Anosibe. “Raha ireo no hita dia tsy tokony haka tombony betsaka ireo mpaninjara fa eo amin’ny 10% farafahabetsany. Manao antso avo amin’ny vahoaka indrindra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa mba hiaraka hientana amin’ny fitondram-panjakana hanara-maso ny zavamisy. Marina fa efa malalaka ny vidin-javatra fa tsy azo lalaovina ny aim-pirenena satria ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy”, hoy ny Lehiben’ny Governemanta.

Hita araka izany fa ny vary avy eto an-toerana no midàngana ny vidiny noho ny vokatra tsy ampy. Nanome fanazavana ny Praiminisitra fa naka fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny varotra izay nanao fifanarahana amin’ireo mpamongady manomboka any Toamasina. Efa misy mpamongady maromaro miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ka anisan’ny nifanarahana ny fametahana ny vidim-bary ho hitan’ny rehetra. Tokony ho eo amin’ny 72.000 ariary araka izany ny iray gony. Hidina any Toamasina ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana hijery ny fanatanterahana izay fifanarahana izay.

Anisany ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ihany koa ny fanafainganana ny famoahana vary any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fanamoràna ny famoahana ny “certificat de consommabilité” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Atao izany mba hahafahana mampitobaka ny vary eto Antananarivo sy manerana ny Nosy ka hampidina ny vidiny. Anisany ezaka ataon’ny fanjakana ihany koa ny fananganana ny “task force” manerana ny distrika izay ahitana ny lehiben’ny distrika, ny ao amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana, ny ao amin’ny Minisiteran’ny fitaterana mba hijery isan’andro ny vidin’ny vary vokatra avy eto an-toerana sy ny nafarana avy any ivelany, ny tahiry ary ny filàna isam-bolana. Tanjona ny hahafahana manafoana ny tsy fisian’ny tahiry sy hanafoanana ny fanararaotana.

Nanantitrantitra hatrany ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier hoe: “aoka tsy hisy ny fanararaotana. Efa mandray andraikitra ny fitondrampanjakana fa anjaran’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny mpanjifa no mitaky eny anivon’ny mpaninjara mba tsy hisian’ny fanararaotana. Ny ezaka ataon’ny fitondrampanjakana dia ny hidinan’io vidim-bary io alohan’ny fety. Hisy vary ho tonga betsaka na ny “riz conventionnel” avy any ivelany atsy ho atsy mba hameno ny tsena manerana an’i Madagasikara, ka tsy ho lafo be ireo vary afarana avy any ivelany ireo”.

Sampana serasera

Lapan’i Mahazoarivo

Mis Ă  jour ( Mardi, 05 DĂ©cembre 2017 14:44 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety