]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy SARERAKA. MEDITATION 2018 – NY TONONY REHETRA

SARERAKA. MEDITATION 2018 – NY TONONY REHETRA

MÉDITATION

Ela notoratorahana ka nahavoa mason’angatra

Dia hiara hisambo-dozamanidina raha tsy mitandrina

Dia voatery hiresaka aminareo indray ve Sareraka ?

Radio Ambohitsitononina

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Havanana amin’ny lainga raofina ny Hevitra Vao Mitsimoka

Zato andro na telo volana dia voavahy ny olana

Délestage, kidnapping, famonoan’olona, omby very

Lasa goudron nylon izao Ambilobe-Vohémar, Moramanga-Ambatondrazaka

Taminy mbola tsy tafapetraka teo dia be lokaloka, be be fanamby,

Mampanofinofy mody manambitamby,

Tena hoe tsy misy vandy

Fa hanao… an’izao, hamita… an’izao

Hanafoana.. an’izao, rehefa ao Mavoloha ao

Hay kay tsy azo ianteherana Ranamana rehefa mba tsara toerana

Feno Sinoa hafahafa manerana ny vodimototrin’ny Nosy

Voaolana masera, vonoina mompera, very lakolosy,

Tsy manondrana omby intsony dia milamina eny an-tsaha

Sonia iray minitra sy valo fotsiny dia rava ny dahalo e !

Méditation

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Nikitikitika ny raharaha Claudine no nanendrikendrehana ny Senatera Lilyson

Voasazy izy fa tojo mpitsara mpilelaka lapa

Nitondra « gros bras » nitoratoraka ny Bianco ny Senatera Andriamandavy

Nihagahaga ohatriny gaigy fotsiny ny Jeneraly Florens

Hoy izy hoe tsara tantàna, fandriampahalemana, Ok !

Firenena tsy very any anaty hantsana, tanjona tratrantsika sy ianareo tsy mahita

Efa hoe manaraha « Fotoam-bita » na dia mandokandoka

Ireo ekipany rehefa mitokatokana izay vitany

Tsy dia nisy vita fa ny ataony ihany no ataony

Vao mainka mitombo isa, hoy aho, ireo Malagasy maty noana

Raharahiny izy inona ?

Vidim-bary efa miakatra ohatrinona,

Raharahiny izy inona ?

Mbola mirehareha ihany tatie Claudine

Raharahiny izy inona ?

Soamahamanina, Betsiaka lasan’i Chine

Raharahiny izy inona ?

Atsy ho atsy ny jiro sy ny rano ho viravirainy « Symbion Power »

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Maika handray fanjakana ilay iraika lahy taloha (faharoa)

Terena hilanja loha kisoa ny taxi-n’Antananarivo

Tsy nisy nihaino ilay sioka tokana ka mikoroso fahana ny renivohitra

Hiloholoha kisoa isika rehetra raha lany eo Razokiny Be

Namidy aminna orinasa vahiny ny tranon’ny Professeur Zafy Albert, Villa Elisabeth

Na ny fanjakana kolonialy ary tsy nivarotra fanananm-panjakana

Nody mandry niaraka aminy ny demokrasia sy ny fihavanana

Ary satria fa nahoana, nievotrevotra tamin’ny ressort tany Betsiaka ny mpandevina azy

Havanana amin’ny varotra fa handrava ny valan’omby malagasy

Amidy izay rehetra azo avadika chiffres

Air Mad, Jirama, carrières, vato, bois de rose, sokatra, omby

Tandremo rey olona a ! Raha izao no mitohy

Lafo hatramin’ny zaza, anabavy, reny, vady

Ambeno hatramin’ny mahalehilahy e !

Bozy sy Farasoa ve no mamoy fo na inona na inona miseho e !

Béni oui-oui (eny e !) hitako mba nikisaka ihany

Izay mitondra kaozy na mandalondalo

Izay mahavangivangy na tena izy na ny tsy izy, béni oui-oui

Sady tsy fohy ny volom-bavan’i Gallieni noho leladelafina koa ny Sinoa

Na ny mpanamboatra na ny mpandrava rehefa basy vava o, béni oui-oui

Dia midimidira ry akanganay, ny be volom-bava mahery fihetsika

Médiation

Nialan’i Ramatoa Voahangy toany fasam-bao i Claudine namany

Efa vita lisitra izao ny mpivarotra tanindrazana sy ny mpandroba firenena

Mahazo mahatoko Ranavalomanjaka fa hahazo lafika vaovao

Fivadibadihan’ny lela no naha lasa filohan’ny Hcc an’i Eric Rakotoarisoa

Tsy mila Hery, herim-pamoretana, miomàna ndeha mangoron’entana

Tsy mitondra fampandrosoana, mahita vahiny dia mifompona

Mihazakazaka mihemotra, fahantrana manara-penitra

Maro namana madiditra nefa tsy mba hita amin’ny gazety triatra

Tompon-trano toa mihonohono satria ireto izy tsy mahasa-nono

Gasy ihany fa zana-bahiny tsy mahalala tody, tsy mahalala tsiny

Tanimbariko ity maty tototra, ny hasin-drazako ity lany fototra

Zalahy mahakobo nefa tsy rototra, mihantsy ny zana-bahoaka ho romotra

Ny anabaviny voavingavinga fanipy fanary an an-dava-piringa

Vidm-bary efa miakatra ohatrinona, vahoaka tsy misy feeling

Raharahiny izy inona ?

Soamahamanina, Betsiaka lasan’i Chine

Raharahiny izy inona ?

Atsy ho atsy ny jiro sy ny rano ho viravirainy « Power Symbion »

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Dimy hetsy isan-taona ny tanora no tonga eo amin’ny tsenan’asa

Amidy amin’ny Maorisianina ny moron’i Manambondro Fort-Dauphin

Diman-jato sy arivo ihany ny tanora raisina hiasa amin’izany

Hahazo asa daholo ny tanora rehefa maty

Samy hamoaka ny havany avy any am-ponja daholo ny Malagasy

Satria ny fanjakana mpanatanteraka no tsy mampihatra didim-pitsarana

Indrindra raha afaka madiodio ramatoa tandapa mpibizina

Indrindra koa raha miala maina ny mpitondra ambony namany

Dia mikasa hanao referendum ny mpanjaka

Ny an-tratra tsy lavo, antsoy koa i Rain’ialahy be

Vidim-piainana, fandriampahalemana tsy voafehy

Referendum a hoe referendum

Mikitikitika vodin-tsoavaly, hampitombo ny hatezeranay Gasy

Tsy ny fanahy no atao tsara

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Jiolahy tsy mifamarafara ny mpitondra tamin’ny andramena tany Singapour

Tsy maintsy averina eto ny vidin’izany mba ho vary mora

Indroa natory teny ambavahadin’ny lapa ny valala

Mpila ravinahitra amin’ny mallettes fotsiny ny députés an’i Madagasikara

Misy olona ambony dia ambony nangalatra sonia tamin’ny fivarotana ny Bni

Lasa banky mpampisambo-bola ny Caisse d’Epargne

Tsy misy marina izay tsy hiseho na mitavizavoza aza

Hanan-draharaha henjana ny mpitsara amin’ireo karana ireo

Hatrizay ny mpifidy andevozin’ny kibony manaotao foana ny adidiny

Tsy mpifidy fa mpandatsa-bato, ny hofidiana te-ho mpanjaka

Azy ny harena, vola sy lapa mampiverina anaty lakato

Dia hitsinjaka ambonin’ny harena ho Adama sy Eva mitafy tsy lena

Inona ny vaovao marena ny tany ?

Mody adinon’ny minisitry ny Ati-tany ny didim-pitsarana mandrara ny olona hivoaka

Lasa omby mijery floarà ny polisy mpiandry seranana

Polisy dimam-polo lasa adala vetivety tany Antsakabary

Toy ny mahazatra dia mbola mitohy ny fanadihadiana

Inona ny vaovao manerana ny tany

Niditra am-ponja ny tia tanindrazan’i Soamahamanina

Vita marokoroko ohatran’ny voay ny làlan’ny Francophonie

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Vita manara-penitra kosa ny hotely lehibe A&C

Vidian’i Iavoloha iray alina ny Eau Vive hefa-jato sy arivo rehefa fety

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Dia tsy mba misy na EPP na CSB isam-paritra nefa misy mitatitra ny haren-tsika

Izany ve dia mahafinaritra (mba tany !)

Efa eo daholo silamo hafahafa, nirongatra be ireo

Efa tamin’ny taon-dasa ireo marabout hanjakazaka amin’ny kely ati-doha

Tsy misy mpanao sary vongana eto an !

Mpanao magie mahavariana

Dia ny tanintsika no ataony fihariana : abracadabra lasa ny harenan’ialahy

Difotry ny fahasahiranana dia mitady izay azo fikirana

Difotry ny hery eo an-tanàna dia mitifitra izay azo tifirina

Dia ahoana ny ampitso, hamarino sao diso

Mody manitra kelikely eo dia masiso

Efa teo ilay ranamana fa nandamoaka

Nampitombo ny lazan’Ambatobevohoka

Dia mbola mavandy hatramin’izao (ianao)

Fa hanao… an’izao, hamita… an’izao, Hanafoana… an’izao

Inona ny vaovao manerana ny tany ?

Nitokana barazy tany Samangoky ny Honoris Causa

Samy tsy nahazo rano na ny tanim-bary taloha na ny vaovao

Zava-bita : dispensaire mitovy amina kabone valo

Mpitondra ambony valo no nitokana an’izany

Toby telo, zandary vitsy sisa no miaro ny mpanjaka

Ankadilàlana, GSIS, Fort Duchesne, Préfet de police

Manara-panjaitra ny zandary, tafika, polisy

Nahazo quad iray sy drone ry zareo mba ho kadoa

F’angaha izay tian’ialahy atao dia ataon’ialahy eto e !?

Fa firy diha moa ny taninareo mianakavy alohan’ialahy nitondra teo e !?

Samy mahay manadihady fokon’olona a !

Ny an’ialahy tanimanga fanaovana rotsi-peta

Ialahy, ialahy io mihitsy anie izany e !

Ghana, Rwanda, Botswana, Sao Tome, Zimbabwe, Algérie, Tunisie, Madagascar

Marary aho lereitsy a ! Faha-dimy amin’ny gisitra eran-tany

Andriamanitra enao o !!!

Porofoy amiko fa mahantra ny Gasy.

Ny an’ialahy mpanao gazety mpandainga, mpanely tsaho

Fa ny mpanao gazety, ilay mivavaka amin’ny saosy, dia mandoalika amin’ny felaka

Oadray re R’Andriamanitra o !!!

Mis à jour ( Jeudi, 25 Janvier 2018 05:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO