MADAGASIKARA CORONAVIRUS, 15.04.2020. Olona 110 voamarina, 81 any hopitaly, 29 sitrana, 0 maty

Mercredi, 15 Avril 2020 16:20 Communauté Malagasy
Imprimer

110 (FOLO AMBIN’NY ZATO) izao ny totalin’ireo olona voatily fa manana ny soritr’aretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.


Niakatra 29 (SIVY AMBIN’NY ROAMPOLO) koaa ny isan’ireo olona sitrana soa aman-tsara.


Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na iray aza hatreto eto Madagasikara noho io covid-19. Isaorana an’Andriamanitra izany.


Ireo olona 81 nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, dia efa mahazo fitsaboina daholo.
Ireo Cas contacts vaovao miisa 2 kosa dia samy avy eto Antananarivo no nahitaba azy.

Jereo kely ireo tabilao manga eto ambany :



Tsy miova hatrany ny toro-marika :

AZA MBOLA MIVOAKA NY TRANO NY DAHOLOBE FA ALEHO MANDEFITRA ALOHA. MISY NY MIEZAKA MILAZA FA TSY MISY IO ARETINA IO. SAMY TOMPONANDRAIKITRA ISIKA. FA AZA MIANDRY ILAY NENINA AORIANA HANDATSA E !

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 15 Avril 2020 16:32 )