Augustin Andriamananoro : TvPlus 17/09/2010:Fihaonambe nasionaly, raharaha Madamobil, sns…

Dimanche, 19 Septembre 2010 14:56 Dossier
Imprimer

Maninona tokoa moa raha tsy atao teny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity ? Mba tsara indraindray no miala amin’ny mahazavatra. Tsy ho lava resaka anefa aho fa dia io ny valan-dresaka nataon’Andriamatoa Augustin Andriamananoro, Ministry ny Fifandraisan-davitra, Paositra sy Teknolojia vaovao teo aloha, ary mpanaolo-tsaina manokana ny Filoha Andry Rajoelina, amin'izao fotoana izao, tao amin’ny fandaharana “L'Invité du Zoma”, ny zoma 17 septambra 2010, eo anatrehan’i Ramaoa Onitiana Realy.

Noresahina tao ny mikasika ny Fihaonambe nasionaly vao nifarana tamin’ity 18 septambra ity; tao ny mikasika ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondrana tetezamita; ary tao, indrindra indrindra, ny raharaha MadaMobil. Mihoatra ny adiny iray ilay fandaharana ka voatery nozaraina videos valo ilay izy mba tsy ho tapaka na koa voadingana ny resaka rehetra natao tamin'io zoma io.

Dia mahazotoa ary mijery sy mihaino.

Jeannot RAMAMBAZAFY


Mis à jour ( Dimanche, 19 Septembre 2010 15:38 )