Madagasikara. Ny fomba hangalaran’ny Hvm ny vaton’ny mpifidy

Lundi, 03 Août 2015 08:03 Dossier
Imprimer

Andriamatoa Thierry Rakotonarivo dia «administrateur civil», filohan’ny SYNAD na «syndicat des administrateurs civils» ary efa nisahana ny toeran’ny Sekretra jeneralin’ny ministeran’ny Ati-tany. Ho sarotra be ny hilaza fa «mavandy» io olona io eo amin’ny lafin’ny fikarakarana fifidianana eto Madagasikara.

Rehefa tsapany ary fa tena tsy nandeha amin’izay laoniny mihitsy iny fifidiana ben’ny tanàna notontosaina tamin’ny 31 Jolay 2015, dia nanetri-tena izy nanazava tao amin’ny Viva Tv ny zavatra hitranga mba hazoan’ny antokon’ny fitondrana hibata «fandresena». Ampahan’ny fanambarany.


« Ny atahorana hitranga, tsy ilay hoe fifamadian’ilay voka-pifidianana eo amin’ny fitànana an-tsoratra. Sarotra ny hanaovana izay satria voa vita ny fanisam-bato dia mipetaka eo amin’ny biraom-pifidianana ny fitanàna an-tsoratra hitan’ny rehetra eo izany. Ny voka-pifidianana havoakan’ny Ceni-t, araka ny lalàna dia tsy maintsy isaky ny biraom-pifidianana. Afaka mijery an’io izany ireo nifidy tao.

Ny fampitahana ny fitànana an-tsoratra («confrontation») azo atao tsara araka ny lalàna. Ny dikan’izany dia tsy iny mihitsy no hovaina. Fa ny zavatra mety hataony izay mieritretra ratsy dia ny fanafoanana ny vokatra teo anivon’ny biraom-pifidianana, na amin’ny ampahany io fanafoanana io, na fanafoanana ny voka-pifidianana iray manontolo mihitsy. Izany hoe: jerena fotsiny, aiza ny voka-pifidianana nandresen’ilay kandida tokony halatsaka, dia hitadiavana fomba ao ; hamoronana vavolombelona ao hametraka fitoriana ary hijoro vavolombelona fa nisy an’izao sy izao tato amin’ny biraom-pifidianana tetsy sy teroa, ary maro dia maro ireo antony hafahan’ny fitsarana («tribunal administratif») manafoana voka-pifidianana aoa anatina biraom-pifidianana.


Izay zavatra izay izany no hatahorana amin’ny tranga, fa tsy hisy eritreritry ny sasany amin’ny hoe kosokosehina ny PV dia ny isa folo atao folo amin’ny zato, sns. Izany hoe, raha amin’ny materialy eo am-pelatànan-tsika amin’izao fotoana izao, sarotra ary tonga dia hibaribary.

Io fifamadihana ny voka-pifidianana io dia fanao rehefa mifanakaikaiky ilay vokatra. Ohatra raha hijery ny any Fianarantsa isika, zara raha misy 200 na 300 ny elan’elan’isa. Ao anatina biraom-pifidianana anankiray anie dia mety misy vato aman’arivony e. Rehefa maty ireo izany dia mitsimbadika ho azy ilay vokatra. Fa ny zavatra mety hitranga ihany koa, fa aorian’ny fifidianana indray ity, dia rehefa tsy hita izay hamadiana ilay vokatra na ny antonantony mety hanafoanana ny voka-pifidianana amina biraom-pifidianana sasantsasany, dia jerena indray ny momba momban’ilay olona lany ka hitadiavana antontan-taratasy na «dossier» hafahana mi-«disqualifier» azy, manintsana azy. Efa nisy izany tamin’ny solombavambahoaka ary tamin’ny fifidianana maro izay nisy teto Madagasikara dia fanao izany. Izany hoe, raha mbola mipetraka ao anatin’ny tomponandraikitra ny saina ratsy dia mbola misy misy ny zavatra hataony hafahany mamadika ny vokatra.


(…) Izao vokatra misy izao dia manamarina ihany ny toe-draharaha politika eto Madagasikara izay efa nambaranay hatramin’izay fa ilaina ny fananan’ny filoham-pirenena ny finiavana hiditra ao amin’ilay antsoina hoe «pacte de responsabilité» na ny fifanarahana eo amin’ny fifandraisana andraikitra. Iaraha-nahita ny zava-nitranga tamin’ny olom-boafidy ao amin’ny Antenimierampirenena ; niara-nijery koa izany izao ny voakatra navoakan’ny vahoaka avy any am-pony tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Hiaraha-nahita ny zavatra nataon’ny ray aman-dreny ao amin’ny Ffkm, ny fitakian’ny olona an’izany fanovana, fiovana sy fiaraha-miasan’ny rehetra izany. Inona no mety mbola andrasan’ny filoham-pirenena ? Mbola anohy «comme si de rien n’était», hoy ny vazaha, izany hoe : ohatra ny tsy nisy n’inona n’inona daholo izany rehetra izany fa dia andao isika mandrapahatonga ny taona 2018… ».

Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 03 Août 2015 11:28 )