Sénateur Lylison René: Tsy haharitra io fitondrana io

Jeudi, 21 Avril 2016 05:31 Dossier
Imprimer

ETO NY VIDEO


Mikasika ny gouvernement vaovao, ny teo ihany no navadibadika, dia manamarina ilay teny nolazaiko foana hoe: tsy misy olona intsony eo an-damosin’io filoham-pirenena io. Izany hoe tsy manàna manam-pahaizana, tsy manàna tanora relève intsony ny Hvm ka ny teo ihany no navadibadika.


Ny mikasika ny firafitry ny gouvernement: gouvernement narafitra mba hanomanàna ilay 2018. Ny Premier ministre no natao ministre de l’Intérieur, nanao ministre de la Décentralisation. Ny dikany izay, efa miomana sahady amin’ilay fangalaram-bato.


Hitanareo koa fa ny ministre de l’Industrie amin’izao dia Lehibe ana Chambre de commerce tany Fort-Dauphin.

Ny dikany izany dia efa fanomanan’ny président Hery sahady an’ilay Zone économique spéciale any Fort-Dauphin. Hoentina hamarotàna tanindrazana, hahamoramora ny fananganàn’ireo Maorisiana industries any amin’io toerana io.


Ka eto aloha aho dia miteny kosa: raha mbola ho tanterahin’ny filoha io famarotàna tanindrazana amina Maorisiana io, dia hijoro ny tenako, sénateur Lylison, hanohitra amin’ny heriko rehetra io famarotàna io tanindrazana io satria hiteraka fampidirana fitaovam-piadiana eto io, hiterala halatr’omby hitsofoka ao amin’io Zone économique spéciale io hiteraka trafic illicite ana vatosoa sy harena rehetra eto Madagasikara.

Ka hanakorontana antsika io. Dia mampitandrina ny tenako fa tsy anaiky moramora ary tsy anaiky mihitsy ny fametrahana io.


Izaho aloha tsy mahatoky fa hahatody izany 2018 izany io fitondram-panjakana io, satria io fitondram-panjakana io dia miaina aminy tsy fanarahan-dalàna. Na ny fananganana ny gouvernement efa tsy ara-dalàna. Ny fanodikodiana volam-panjakana efa ahitana porofo. Efa misy dossier.


Ny afera ana bois de rose, mahavaofaoka izy mianakavy ao amin’ny présidence, eny misy officier général voatonona ao amin’ny présidence, manao bois de rose.


Ireny kidnapping: nankaiza izao ilay afera ana kidnapping tany Toamasina?


Izaho mino fa iray volana, roa volana dia hianjera io fitondram-panjakana io.

Nandray an-tsoratra sy nanatontosa ny vidéo: Jeannot Ramambazafy – 21 Avrily 2016

Mis à jour ( Jeudi, 21 Avril 2016 07:43 )