Madagascar WMG. Jazz no safidy tamin’ity Krismasy 2020 ity

Lundi, 14 Décembre 2020 01:07 Manifestation
Imprimer

Niavaka tsy toa ny isan-taona ny fanamarihana ny fetin’ny Krismasy fanaon’ny fikambanam-behivavy Wednesday Morning Group Madagascar tamin’ity taona 2020 ity. Tsy nisy ny « Salon du Chocolat » sy ny « Bazar de Noël » fa kaonseritra mozika jazz tao amin’ny Motel Anosy no nokarakarain’ny fikambanana, ny Sabotsy 12 Desambra teo. Ny tarika Datita Rabeson sy ny LMM Quartet, mpitsoka saxophone, tarihin’i Seta Ramaroson no niaka-tsehatra. Manazava ny Filoha lefitry ny WMG Madagascar, Josiane Ralambotsirofo, teo an-tokontan’ny Motel Anosy.


« Ny fanamarihana androany ity, nanasana izay olona nanampy anay rehetra. Ny sponsors izany, ny partenaires sy ny « donateurs » rehetra. Nanasana ihany koa ireto Ambasadaoro miara-miasa aminay amin’io fanamarihinay ny krismasy io isan-taona. Nataonay tamin’ny sehatra mozika moa izany tamin’ity satria ilay mozika moa atao hamalifaly ny olona sy ireo nasaina, ny « partenaires » sy ny « sponsors » voazalaza tetsy aloha.

Ny mpanakanto niseho sehatra moa androany dia i Datita Rabeson sy ny ekipany dia ny LMM Sax Quartet tarihin’i Seta Ramaroson. Tamin’ity taona ity izany moa tsy dia tena ilay hoe hanangonam-bola (« levée de fonds ») ? Natao hampifalifaliana fotsiny ireto mpanohana anay isan-taona ireto. Satria tsy ho tanteraka mihitsy ilay « Bazar de Noël » tamin’ity taona ity noho ny antony maro be, dia tsy tianay nangingina ny WMG alohan’ny faran’ny taona, dia izay no nahatonga anay nanatontosa ity fialam-boly ity ho an’ireo olona mpiara-miasa aminay ireo.


Ny tsy tanteraka izany dia ny « Levée de fonds » amin’ny « Salon du Chocolat » sy ilay « Bazar de Noël ». Kanefa ny soa rehetra tokony nataonay aamin’ireo olona ampianay dia tanteraka daholo. Na tamin’irey « confinements » ireny ary izahay dia mbola nandeha nirotsaka an-tsehatra nanatitra « dons de PPN » tany amin’ny fokontanin’ny Betsizaraina dia tetsy Andohatapenaka.

Ny vola azonay tamin’ny « Bazar de Noël » tamin’ny herintaona dia nampiasainay tamin’ity taona ity ihany, na tao anatin’ny « confinements » aza. Amin’ity taona ity izahay dia mbola hanao ny « colis de Noël » ohatra ny fanaonay isan-taona, manasoa ny ankizy kely amina fanomezana samihafa. Ho tanterahinay ihany izany ny fanampiana samihafa na dia tsy nisy aza ny « Levée de fonds » eo amin’ny sehatry ny Ambasady »./.

Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 14 Décembre 2020 08:57 )