HAZOVATO FORELLO EXPO : FOARA MISEHATRA AMIN’NY FIOMPIANA, FAMBOLENA ARY JONO NY HETSIKA MANARAKA

Jeudi, 08 Juin 2023 16:40 Manifestation
Imprimer

Fahombiazana  no azo tamin’ny fanatanterahana ny « Foire Internationale de Madagascar » (FIM) farany, hoy Gérard Monloup, Filohan'ny Hazovato Forello Expo, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny Alarobia 7 Jona 2023 lasa teo, teny amin'ny foibeny teny Tanjombato. Ny lafin’ny toe-karena izay nafahan’ireo mpandraharaha ivelany sy ny eto an-toerana nifandray sy nifanakalo traikefa. Teo ihany koa lafin’ny tontolo iainana izay lohahevitra nampifandraisana iny FIM farany teo iny.

Amin’ity taona 2023  ity dia mbola ho hisy varotra fampirantiana telo lehibe ho tanterahin’ny Hazovato Forello Expo, izay hiompana amin’ny fambolena , fiompiana ary ny jono « Foire Internationale de l'Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche », izay hatao ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra 2023. Hisy ihany koa ny varotra  fampirantiana mikasika ny trano fonenana amin'ny « Salon International de l'Habitat », ny 19 ka hatramin’ny 23 oktobra 2023, ary farany ny lafin’ny Fitaterana amin'ny « Salon International du Transport, de la Logistique, de la Maintenance » izay hataony ny 16 ka hatramin’ny 19 novambra 2023.

Hasongadina mandritra ireo hetsika telo ireo ny fanomezana sehatra matihanina, afaha’ny mpandraharaha Malagasy mivelatra sy mifananakalo traikefa sy aram-barotra, koa dia ho hisy ny fiofanana ho ireo olona liana amin’ny lafin’ny fiompianasy ny jono, araka ny fanazavaa nomen’ny Ramatoa Harilala Ramanantsoa.

Ireo hetsika rehetra ireo dia natao mba hivelaran’ny mpandraharaha Malagasy.

Rakotonirainy Andry

Mis à jour ( Vendredi, 09 Juin 2023 11:10 )