]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Madagasikara : f’inona ity r’ingahy Rajaonarimampianina ?

Madagasikara : f’inona ity r’ingahy Rajaonarimampianina ?

Foiben'ny "Commission européenne" ao Bruxelles, volana Septambra 2011

Ny rindrinda misy sofina no nitondra ity filazan’ireo manodidina anao ity : « Fa maninona no mamely e ? ». Tsotra ny valiny : matoa ianao lasa Filoham-pirenena dia noho izahay nifidy anao ary sarotiny izahay amin’ny fananan’i Madagasikara mpitondra mendrika, mahay manaja tena sy manaja ny afa ary koa fitaratry ny firenena iray manontolo eo anatrehan’izao tontolo izao.

Izao ve dia mendrika amina Filoham-pirenena mivady? Sady tery no tsy manaja tena tanteraka. Dia ahoana koa ny amin'ny fiarovana azy ireo ("sécurité rapprochée")? Sa faly mitaingina raopilanina fotsiny ihany, toa taxi borosy? Ary mpanao karaté ve ilay vehivavy mira karana, eo akaikin'i Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina toa tsy taitra mihitsy?

Inona anefa no nitranga tamin’ilay fandehanana tany Bruxelles farany teo ? Zavatra mahamenatra ary tsy mendrika amin’izany toerana filoham-pirenena mihitsy. Amin’ireo tsy ampy fandalianana moa dia mitehaka ry zalahy ary misy milaza mihitsy fa « mahay mitsitsy vola ny filoha Rajaonarimampianina ». Tsy inona moa ny resaka eto fa ny fomba nandehanan’ny filohan’i Madagasikara tany Bruxelles. Dia niaraka tamin’ny be sy ny maro. Niosina tokoa moa. Amin’ny tsy ampy fandalinana ihany dia taratry ny tsy fiavonavonana izany. Ay ? Mankanesa kely ary ianareo ireo ao Tsimbazaza hahafantaranareo raha tena miosina amin’ny vahoaka tokoa ny filoha vaovao…

Tsy nandeha ny minisitra Harry Rahajason (afovoany eo amin'ny sary) satria voafehinay sy ny cameraman ny asa. Sady ny andron'io ihany dia niverina tao Parisy, ary tany no nanaovana ny "communiqué" izay tsy maintsy atao, na inona na inona, fa tsy toa ity fitondrana vao manomboka ity, tsy misy izany "communiqué" matihanina izany, fa miandry baiko satria tsy voafehy ilay asa nampandraiketana, fa manabe isa eo amin'ny sary fotsiny ihany. Volam-bahoaka anie io handehanana io sao lahy adino e !

Ny namoahan’ny manodidina azy ireo sary roa mampiseho azy mivady, miaraka amin’ny be sy ny maro ao anaty raoplanina ireo, dia « populisme » no anarany amin’ny teny frantsay. Izay midika ronono an-tavy fotsiny izao (« démagogie »). Misy fiteny milaza fa ny kahidy ihany no lany be. Tamin’ny volana septambra 2011, dia niaraka tamin’Atoa Hery Rajaonarimampianina ho any amin’ny vondrona eoropeana ao Bruxelles ny tenako. Nandeha Tgv (« Train à grande vitesse ») izahay. Iray ora sy roapolo minitra ny zotra Paris-Bruxelles ary ny vidin’ny tapakila dia 25 euros raha mora indrindra ary 57 euros raha lafo indrindra ny iray.

Afaka mivalapatra tsara tokoa ny ao anaty Tgv Thalis, ary mba misy hajany tokoa ingahy Rajaonarimampianina eto. Tsapako teto fa olo-tsotra izy fa vao lany filoha -tamin'ny alalàn'ny herin'i Mapar sy Andry Rajoelina- dia toa nivadika olo-kafa, noho ireo manodidina azy, tapohin'ny nahazo fahefana tsy niadivana na iray segondra aza. Tsy atao mahagaga ny fihetsik'izy ireo ankehitriny, andrava laka, na ho any na tsy ho any. Didin'ny be sandry e ! Fa raha mihevitra izy ireo fa ho eo foana mandrakizay dia dfahadisoana tanteraka izany !

Malalaka dia malaka ny toerana ao anaty Tgv. Hitanareo amin’ny sary fa afaka mijery "dossier" Ingahy Rajaonarimampianina. Afaka mivalapatra tsara. Nefa tamin’io fotoana io dia minisitra « fotsiny » izy. Kanefa tontosa ny iraka, ary tsy nila olona zato ambin’ny arivo niaraka taminy. Na ny minisitry ny Serasera, Harry Rahajason, aza tsy nandeha, fa nanatitra tao amin'ny "Gare du Nord" fotsiny ihany. Satria tsy « titre » no nandehanana tany fa fitondrana vaovao (« informations ») amin’ny alalànan’ny sary sy videos manaporofo fa nihaona tamin’i Nicholas Wescott tokoa izy. Ho vavolombelon'ny Tantara ny anton'io dia io.

Tamin'io tokoa dia izy no mitondra ny kitapony, satria minisitra "fotsiny". Maninona anefa ?

Ingahy Wescott moa dia Tale jeneralin’ny « Service d'action extérieure de l'Union européenne pour l'Afrique » notendren’i Catherine Ashton manokana. Ary tontosa io fihaonana io izay nikasika ny fikarakarana ny fifidiana mampiditra ny firenena malagasy amina repoblika vaovao, ary koa famatsiam-bola ho an’ireo sehatra sosialy mahamaika.

Hery Rajaonarimampianina sy Nicholas Wescott

Nanao tatitra ny minisitra ary dia ny harivan'io ihany dia hita sy re tao amin'ny Tvm

Tena nanana ny maha-izy azy tokoa ny minisitra Rajaonarimampianina tamin'io volana septambra 2011 io

Ny nahatara ny fifidianana moa dia iaraha-mahalala ny fomba fanaovan’ireo mpiseho mahay politika malagasy : ady seza sy ady varotra… Tsy hidiran-tsika eto io tranga efa tandra vadi-koditra…

Lasa filoham-pirenena voafidy ary ingahy Rajaonarimampianina. Toerana ambony dia ambony izany eo amina firenena iray. Tafiditra ao ny aro fenitra rehetra, eny hatramin’ny fiarovana azy. Ary tsy izy intsony ny mitondra ny kitapony, toa fony izy minisitra « fotsiny ». Inona anefa no nitranga ? Dia ireo amin’ny sary ireo : nandeha raopilanina niaraka amin’ny be tsy ny maro. Ka na eo amin’ny lafin’ny fiarovana (« sécurité ») fotsiny aza dia tsy mety. Na ho azy mivady manokana izany, na ho an’ireo mpandeha tsotra miaraka aminy. Marina fa adiny iray ny sidina, kanefa 92 euros ny tapakila mora indrindra ary 189 euros ny lafo indrindra ! Kajio dia hitanareo fa misy elanelany be io vidiny io, nefa roa polo minitra ihany ny elanelana ao amin’ny fotoana.

Izao teritery izao ve dia rariny aminareo ? Narary hatramin'ny atoka. Filoham-pirenena mivady anie i Vohangy sy Hery Rajaonarimampianina e ! Fa inona no ilaina "protocole" raha izao toe-javatra izao no miseho lava ? Sady tsy manaja tena no tsy hajain'ny olona. Premier Monsieur sy Première Dame anie ianareo ireo e !

Na iza koa hilaza abobo dia misy « classes » (sokajiny) roa ny raoplaninaao Eoraopa, dia : « classe économique » sy « classe business ». Ity farany ity no mendrika amina filoham-pirenena. Dia zavatra roa no mibaribary amin’io tranga mahamenatra io. Voalohany : tsy manao ny asany ny eo amin’ny aro fenitra (« protocole »). Efa fantatra fa ho any Bruxelles izy ka notony nanao famandriana mialoha (« réservations ») ; faharoa : lasa peta-toko ilay dia satria maro be loatra ireo mambra tao anatin’ny delegasiona. Nefa ny andraikitry ny tsirairay tsy mazava loatra. Ohatra : inona moa ny antony nandehanan’ingahy Richard « protocole » ao amin’ny ambasady malagasy ao Parisy, nefa misy ambasady malagasy sy « protocole » anie ao Bruxelles e ? Avoakako eto ny sariny raha misy tsy mino izany. Richard Ramamonjiarivelo no tena anarany ho an'izay te-halala misy misy kokoa.


Ka raha mbola mihevitra ny sasany fa « mamely » ny filoha aho, dia azy ny azy. Fa tsy mety ny tranga toa io. Ary anjarako mpanao gazety ny manitsy, ka rehefa mpitondra no tsy mahatanty tsikera mitombona dia hidiran-doza ny firenena iray manontolo. Aiza moa no tsy ambanian’ireo vazaha ny « gasy kely » ? Ny filohany aza tsy mahay manaja ny toerana misy azy ? Maninona moa no ireo filoham-pirenena maneran-tany irery ihany (na ireo manana laharana amin’izany toa ny Ray Masina) no mahazo mandeha amin’ilay « tapis rouge », fa tsy ny be sy ny maro ? Mila arahina sy hajaina ny voninahitra sy ny aro fenitra. Toa ny fanajana ny Lalampanorenena ihany io ka maha tany tan-dalàna ny firenena iray... Ny sisa dia tsy fahaizana tsotra izao ary ronono an-tavy ihany. Izay no mahatonga ny fanontaniana hoe : f’inona ity r’ingahy Rajaonarimampianina ? Efa ela no tsikaritra fa tsy manana traikefa ny manodidina anao. F’efa ho telo volana kosa ianao no teo. Dia ianao ihany izany no mahatonga izany. Ka raha hitarina amin’ny lafin’ny fitantanana ny firenena dia vao maika mampametraka fanontaniana… Fa izao ny hafatra : aza alaim-baraka re ny vahoaka malagasy nifidy anao a ! Raha ianareo ao ambony ao ny manome ohatra ratsy, tsy mba manana ambo-po dia ho aiza ireo valala tsy mandady harona ? Ary rehefa tsy mahay manaja tena ianareo, aiza moa no hanajan’ny olona anareo ? Ka dia am-bava omana, am-po miheritreritra, Tompoko. Ianareo manodidina azy kosa dia tsotra ny ahy : rehefa tsy voafehy ny andraikitra nomena anareo dia manajà tena miala fa aza ny "kely" no tsindrindra lava izao.

Dia io ny mba fiala-balan'ny ao amin'ny Facebook Président de la République de Madagascar, Lapan'Iavoloha. Fitsitsina ara-bola sy fahatsoranam-piainana mitambatra, hono. Io mihitsy ilay ataon'ny Frantsay hoe : "qui s'excuse s'accuse" satria dia "ofisialy" io adiresy Facebook io ary tsy nisy nanontany akory. Ny "train" Tgv aloha no mora noho ny raopilanina raha miazo an'i Bruxelles ho any Paris. Ary mba firy ianareo nandeha tany ka inona avy no mba iraka nataon'ireo olona ireo, ka hahatsara ny fiainan'ny vahoaka ? Mirongatra daholo izao na ny valala, na ny asan-dahalo, eny na ny fanondranana bolabola. Tsy tan-dalàna intsony ilay Madagasikara satria ny filoha voalohany no tsy manaja ny Lalampanorenena izay nanaovany finiavana. Ho tadidin'ny fitsaran'ny Tantara daholo ireo rehetra ireo ka matezà ny aina e !

Jeannot Ramambazafy – 8 Aprily 2014

Mis à jour ( Mardi, 08 Avril 2014 17:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO