]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Zafy Albert. Veloma nataon-dry Hery sy Voahangy Mivady tany Betsiaka

Zafy Albert. Veloma nataon-dry Hery sy Voahangy Mivady tany Betsiaka

Betsiaka, Distrikan’Ambilobe, Sabotsy 21 Oktobra 2017. Tontosa soa aman-tsara ary an-tsakany sy an-davany ny fialan’ny profesora Zafy Albert ity tany fandalovana ity. Ary dia nanatrika ny dingana farany ny filoham-pirenena mivady dia i Hery sy Voahangy Rajaonarimampianina izany. Ho gaga ianareo rehefa avy nijery ireto sary manaraka ireto. Sary, mbola averiko eto fa tsy misy fepetra ny fampiasana azy ireo.

Ny Antakarana dia manana fomba manokana rehefa misy havany nodimandry. Ka ireto avy izany:

Tsy fiteny ny hoe mandevina izany fa manafina na manitrika no izy. Izany hoe afenina na asitrika ny razana. Rehefa tonga any an-toerana manakaiky ny anaovana izany dia tsy lanjaina ny razana fa tsy entina amina fiara. Izany hoe rehefa avy nanaovana porizenitra ny Profesora Zafy Albert, niaraka tamin’ireo miaramila dia anjaran’ny fianakaviana sy ny vahoaka amin’izay ny mitondra azy any amin’ny trano vato.

Ny lehilahy dia tsy maintsy manao kitamby ary ny vehivavy kosa manao salovagna (lambahoany). Marihina fa ny vady dia tsy manatrika ny fanasitrihina mihitsy. Rehefa vita ny lamesa dia mitodi-doha mody izy. Izay no nahatonga an’i Ramatoa Thérèse Zafy nitodi-doha nandeha ho any Ambilobe.


Ny zanaka indray dia mahazo manatrika fa tsy maintsy manala kiraro ary manasa tanĂ na avy eo ka tonga dia miverina mody rehefa voasitrika ny razana. Rehefa avy nasitrika ny razana dia mandeha mody daholo ny olona rehetra ary tsy mahazo mitodika.

Zaraina toaka ny vahoaka avy eo. Satria ny toaka dia rano sy afo mitambatra, kanefa zavatra tsy afaka miaraka. Izay no mampahery azy. Tsy tokony tratran’ny tsôfotrandra ny fanitrihina, izany hoe alohan’ny 4 na amin’ny 5 ora hariva.

MihĂ´sika: mandrisika ny lehilahy ary ny vehivavy kosa manesy

AmpijĂ´ry: mitondra hazo manga izay manokatra ny varavarana. Miantso Zagnahary izay vao miantso ny Razana. Izy koa no manakatona ny fasana rehefa lasa daholo ny olona

Mikehiny: misy olona miteny amin’ny Razana: « efa tontolo hafa misy anao fa aza manaraka ny velona intsony ».

Sary amin’izay.

Jeannot Ramambazafy

 

 

Ity no atao hoe Zombavola, fasam-pianakaviana ("caveau familial"). Ato ny profesora Zafy Albert no nasitrika ary mandry am-piadanana, miandry ny fitsanganana amin'ny maty, araka ny finoana kristianina

Mis Ă  jour ( Dimanche, 22 Octobre 2017 16:26 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO