Andry Rajoelina sy ny fianakaviany. Lamesa Krismasy 2020 ankalamanjana teny amin'ny Mompera Pedro

Dimanche, 27 Décembre 2020 09:08 Photos
Imprimer

VIDEO ETO

Zoma 25 Desambra 2020. Lamesa ankalamanjana tsy manam-paharoa ny notontosaina teny amin’ny toerana atao hoe Mahatsara, ao amin’ny faritry ny Akamasoa naorin’ny Mompera Pedro Opeka nanomboka ny 30 taona mahery lasa izay. Izao ny fahitan’ny Filohampirenena, Andry Rajoelina, ny toe-draharaha, alohan’ny hanomezanay anareo mpamaky sary tsy manam-paharoa ihany koa :

« Am-pifaliana sy am-pitiavana hatrany, isan-taona, no iarahanay dimy mianaka mankalaza ny Noely miaraka amin’i Mompera Pedro sy ny vahoakan’ny Akamasoa ary ireo ankizy beazina eto. Araka ny nampahatsiahivin’i Mompera Pedro dia fety ahatsiarovana ny nahaterahan’i Jesoa zazakely izay nitondra fiadanana sy hazavana ho antsika ny Noely. Isika rehetra ihany koa dia zaza taloha koa aoka tsy ho very ny fahatsorana, ny fahamarinana sy ny toe-panahy nahitsy fahazaza mba hitsilo ny lalantsika.

Miarahaba manokana an’i Mompera Pedro, ireo mpanabe sy ireo mpianatra eto amin’ny Akamasoa aho amin’ny taha ambony dia ambonin’ireo ankizy afa-panadinana baccalauréat avy eto. Ho fitsinjovana azy ireo dia hananganana ivotoeram-piofanana arak’asa manara-penitra eto Mahatsara amin’ity taona 2021 ity.

Adidintsika ireo zanatsika! Tsy nateraka ho tsisy mpiahy na ho lasa mpirenireny, mpangataka na mpanao ratsy izy ireny. Adidintsika ny miahy sy mikarakara azy ireo amin’izao Noely izao sy amin’ny andro rehetra mandavan-taona ».

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison

**************************************

**************************************

**************************************

****************************

Mis à jour ( Mardi, 02 Février 2021 11:23 )