Belfast, Irlande Avaratra, 13 Septambra 2022. Lamesa ho an’ny Mpanjakavavy Elisabeth II tao amin’ny Katedraly Sainte-Anne. SARY FAHATSIAROVANA

Lundi, 19 Septembre 2022 05:59 Photos
Imprimer

Ho fahatsiarovana ny Mpanjakavavy Elisabeth II - niamboho ny 8 Septambra 2022 tao Balmoral, Ecosse- dia nisy Lamesa notontosaina tao amin’ny Katedraly Sainte-Anne, ao Belfast, renivohitr’Irlande Avaratra, ny 13 Septambra 2022.

Rariny raha omen’ny Madagate voninahitra izy amin’ny alalan’ny sary nalaiko tamin’ny alalan’ny BBC News izay isaorana manokana eto.

Io Lamesa io dia natrehin’ny Filohan’ny Irlande Avaratra, Michael D. Higgins, ny Mpanjaka Charles II sy ny Praiminisitra Liz Truss.

Marihina fa ny nofo mangatsiaky ny Mpanjakavavy Elisabeth II dia nijanona tany Ecosse, niandry ny nandefasana azy tamina raoplanina miaramilan’ny Royal Air Force ho any London.

Jeannot RAMAMBAZAFY

+ + + + + + +

Mis à jour ( Lundi, 19 Septembre 2022 06:39 )