]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Edito et News Andry Rajoelina oeuvre avec les forces de l’ordre pour un retour au calme

Andry Rajoelina oeuvre avec les forces de l’ordre pour un retour au calme

Email Imprimer PDF

Andry-RAJOELINA sur le chemin de la victoire

Andry Rajoelina  :Misy « commandos » sy famoahana vola ao amin’ny « Banque centrale »

Présence de commandos et velléité de piller la Banque centrale


Mamerina indray izany ny fisaorana manontolo sy mitafotafo ho an’ireo mpitandro filaminana izay niara-niasa akaiky tamin’ny Tanànan’Antananarivo, tao anatin’ny fahamezana ny filaminana eto amin’ny Tanànan’Antananarivo, tao aorian’ireny asan-jiolahy tao anatin’ny fandrobana, tao anatin’ireny fandorana trano maro isan-karazany ireny. Indrindra indrindra moa ny fandraisan-dry zareo andraikitra, tao aorian’ny nanaovan’ny Ben’ny Tanàna ny fanambarana, na ny « arrêté » milaza fa asiana « couvre-feu » eto amin’ny Tanànan’Antananarivo.

Azo lazaina ary azo fitinina izany fa niverina ny filaminanana eto amin’ny Tanànan’Antananarivo, satria dia nandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, rehefa tsy nandray andraikitra ny fitondram-panjakana manoloana ireny zavatra nitranga teto amin’ny firenena ireny. Ka raha nanomboka omaly izany (Talata 27 janoary), izay nanaovana io fanambarana io, mandrapahatongan’izao ora sy fotoana itenenan-tsika izao dia hita fa tsy misy intsony ary foana ireo etraketraka sy herisetra izay nampanjakana tao anatin’ny fotoana fohy teto amin’ny Tanànan’Antananarivo ity.

Na izany na tsy izany aza, dia manao antso avo ny tenanay ho an’ny andrimasom-pokonolona ihany koa satria dia re indray izany izao fa miala any, ary efa eto, ny andiana « commandos » na mpikaraman’ady. Ka aleo izany ny andrimasom-pokonolona mba hisavana ny aotomobilina izay mifamezivezy andro alina eto amin’ny Tanànan’Antananarivo. Ny andrimasom-pokonolona izany dia tokony iara-hiasa akaiky miraka amin’ireo mpitandro ny filaminana. Ary inoako fa tokony hiverina tanteraka ny filaminana eto amin’ny tanàna satria olom-bitsy anie, « groupe »n’olona vitsivitsy no manao ireny « casses » ireny eto amin’ny tanàna. Ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, na ny tenanay, dia tsy mankasitraka, tsy mankato mihitsy ny fandrobana sy ny famotehana zavatra eto amin’ny tany sy ny firenena.

Izao moa dia efa re ihany koa fa betsaka no manam-pikasana hanafoana ny vola ao amin’ny « Banque centrale ». Ka izahay dia manome baiko an’ny mponina rehetra rehetra aloha, voalohany indrindra mba hiaro, miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana, ny « Banque centrale ». Manome baiko ihany koa an’ireo olona tompon’andraikitra rehetra satria tompon’andraikitra ianareo, tompon’andraikitra isika raha toa ka amin’izao andro mavaivay, na azo lazaina mihitsy hoe misy « crise » eto amin’ny firenena, dia ataoko fa tsy azo atao mihitsy no mamoaka vola tsy toko tsy forohina izay tsy fantatra izay làlana ho alehany eto amin’ny firenena. Ka dia tompon’andraikitra isika tsirairay avy ary ho tsarain’ny tantara, ary tsy maintsy ho tsaraina ihany koa raha ohatra ka misy fiarahana mitsikombakomba amin’ny famoahana ny vola, volam-panjakana ao anatin’izao « crise » izao.

Traduction :

Je réitère mes plus vifs remerciements aux forces de l’ordre qui ont œuvré étroitement et de concert avec la ville d’Antananarivo, pour circonscrire les dégâts et maîtriser la situation dans la ville, à la suite des actes de banditisme ayant occasionné des mises à sacs et des mises à feu de nombreuses maisons commerciales de toutes catégories. Je les remercie particulièrement d’avoir pris leurs responsabilités, à la suite de l’arrêté municipal signé du Maire de la Capitale, instaurant le couvre-feu.

En résumé donc, le calme est revenu dans la ville d’Antananarivo grâce à cette prise de responsabilité ordonnée par le Maire de la ville, de la part des forces de l’ordre, à partir du moment où le, pouvoir central a laissé faire, a démissionné et n’a donc pas pris les responsabilités qui lui incombent. Et, depuis hier (mardi 27 janvier), date de la signature de cet arrêté municipal, et jusqu’à l’heure où nous nous entretenons, vous pouvez constatez que ces actes visant à semer le trouble et le chaos ont été stoppés net.

Malgré cela, je lance un appel aux comités de vigilance citoyenne de rester en alerte. En effet, nous avons reçu des informations selon lesquelles des groupes de commandos ou mercenaires sont sur le pied de guerre. D ès lors, il est souhaiter que les comités de vigilance citoyenne des quartiers contrôlent tout véhicule circulant la nuit dans la ville d’Antananarivo. Cela, en étroite collaboration avec les forces de l’ordre. Je crois que l’ordre sera totalement rétabli dan la ville car il ne s’agit que d’une minorité d’individus qui ont procédé à tous les casses dans la ville. En tout cas, le Maire d’Antananarivo, en l’occurrence moi-même, je suis totalement en désaccord, refuse et dénonce avec fermeté ces pillages et destructions dans la Nation entière.

Actuellement, nous avons aussi reçu des renseignements fiables indiquant que l’on chercherait à retirer tous les avoirs publics (monnaie locale et devises) de la Banque centrale. Face à cela, nous ordonnons fermement à la population d’abord, de protéger, en collaboration avec les forces de l’ordre, la Banque centrale (situé à proximité du palais d’Ambohitsorohitra, à Antaninarenina). J’ordonne également à tous les responsables, car vous êtes responsables, nous sommes responsables, surtout en cette période chaude, en cette période de crise, de demeurer vigilants et de prendre nos responsabilités. Je pense qu’il n’est pas recommandé du tout de sortir de telles masses d’argent liquide, biens public,  dont on ignore la destination. Nous serons tous, sans exception, responsables devant le tribunal de l’Histoire qui nous jugera. Et qui jugera aussi tous ceux qui seront complices de ce détournement massif de deniers publics, en cette période de crise.

Recueillis, transcrits et traduits par :

Jeannot Ramambazafy – Journaliste

 

 

Mis à jour ( Jeudi, 29 Janvier 2009 12:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...