Eny râIngahy Rasolo. Arakâilay fandaharanâi Latimer Rangers tao aminâny Rnm dia voaray soa aman-tsara ny taratasinao nalefa mailaka. Koa dia indro, ho anâny mpamakinâny Madagate ny vontoatiny. Tsy nampiana, tsy nanalana fa nahitsy ny tsipelina diso.
Jeannot Ramambazafy
Rehefa tsy nanoratra ela ela I Rasolo dia betsaka no nety nilaza hoe : resy na tsy mahita tenenina intsony matoa tsy miteny. Diso izany fa ny Tantara dia mbola mitohy ary saika marina daholo ny voalaza teto:
Ao ilay hoe: raha mbola tsy mahatsiaro tena foana ireo avy nitondra dia ry ingahy Ravalomananana sy ny mpomba azy ankolaka sy mivantana izany; raha mbola mihevin-tena ho tsy nanao ratsy sy nanaotao foana izy ireo dia mbola ho lava io tetezamita io. Satria tadidio sy fantaro ny Tantara fa izay mpitondra avy nanaotao foana sy namono olona teo aminâny fitondrany dia nahalala nipetraka sy nifitsaka ary nangina daholo rehefa voahala na voahilika, toa an-dry dadabe Tsiranana sy Ratsiraka taloha izany .
Hisy hiteny any hoe: samihafa ny taloha Rasolo a! Marina izany saingy tadidio fa nisy tolona fanonganana sy fanilihana ny jadona teto taminâny taona 2009 na inona filazana izany na inona. Ekena fa tolona nataonâny ampaham-bahoaka amanâaliny sy amanâhetsiny manerana ny Nosy izany; tolona nataonâny olona sahirana sy madinika; nataonâny mpanao politika sasany voanâny tsindry hazolena; tolona nataonâny ampahana mpitandro filaminana natao ankilabao; tolona nataonâny mpandraharaha voageja ara-ekonomika nohonâny ampihimamba nataonâny orinasan-dRavalomanana: Tiko , Magro , Alma, sns.
Etsy andaniny dia misy koa anefa antokon'olona na saranganâolona tsy nanao ny tolona 2009 ary mankahala mafy iny tolona iny dia ireo olona mpomban-dRavalomanana iringiriny izany: ireo saranganâolona salasalany, ambony, avara-pianarana. Indrindra fa ny Merina sasany nahita tombotsoa na tsy nahita tombotsoa tamin-dRavalomanana fa nentinâny resaka fihaviana aminâny ankapobeny. Tao koa ny ankamaroanâny ao anatinâny fiangonana Fjkm satria filoha lefitra tao ingahy Ravalomanana, eny fa na hatraminâizao aza, sns. Eo koa ny mpanao gazety maro any anaty: Midi , Gazetiko ,Tia Tanindrazana , Valosoa , Taratra , Telonohorefy, Basy vava, TribuneâŠ, sy ireo mpanao gazety tsy miankina maromaro. Mody ny manodidina an-dRajoelina no haratsiana isanâandro isanâ andro nefa ny fitondrana tetezamita sy ny filoha rajoelina mihintsy no tiana azera, sns.
Noho izany tsy mahagaga raha mitambatra ny Seces (mpampianatra ambaratonga ambony), Smm (fivondronanâny mpitsara) ary ny mpiasam-panjakana ambony sasany, satria hatrany amboalohany, ny « tĂȘtes pensantse » na ny ati-doha vitsy ao anatinâizy ireo dia efa nankahala ny fitondrana nentin-dRajoelina, indrindra ny tao anatinâny Seces. Efa nambarako, herinatona mahery, izay. Irika na kendrin-tohana fotsiny iny raharaha polisy sy mpitsara tany Toliary iny ; ary tsy tongatonga ho azy ny fiarahana, indrindra fa teo koa ny filazan-dRavalomanana hoe tsy maintsy ho avy ato ho ato. Efa vita ny planina hanakorontanana ny firenena. Tsy miaro ny polisy vitsy nanaotao foana akory ny tena, fa apetraka ny fanontaniana hoe : fa mba nigrevy ve ireto Seces, Smm, mpiasam-panjakana ambony sasany ireto isaky ny nisy famonoanâolona marobe nitranga teto aminâny firenena ? Ohatra ny taminâny taona 2009 ireny ? Ny valiny, Tompoko, dia TSIA: tsy nisy nigrevy izy ireo ; sa rehefa ny ao anaty âcorpsâ ihany no misy maty dia izay ihany no izy , fa ny anâny vahoaka tsy fatinâolona ?
Raha ny tokony ho izy dia tokony tsy ahomby izany grevy lava reny izany, ary tokony tsy ahasarika mpiasa maro. Eny Ankatso angamba no azo heverina fa hisy izany; mety hisy minisitera vitsy eo ampiandohana ahatarika ihany satria hisy ny fitarihana ankeriny, ankolaka na mivantana mpiasa sy ny fanafenana lakile (mety ho ny minisitera azon-dry Magro).
Ilay toe-tsaina mialohanâny krismasy no tiana lazaina aminâizany rehetra izany : marina fa tsy fanao ny mitsara olona fa izany andro 22 desambra izany anie ka fotoana fanaovana « trĂȘve » hisainana sy handraisana ny Krisimasy e ! Nefa dia izany grevy ao anaty Krisimasy izany no anaty fisainan-dry Seces, Smm , mpiasam-panjakana ambony sasany ; ary « entre parenthĂšse » no ilazana fa taminâny fifidianana diakona tany aminâny fiangonana Fjkm sasany farany teo dia natao izay tsy ahalany izay olona manakaiky anâi Andry rajoelina, ary nahomby ny tetika. Toe-tsaina ohatra izany no mibaiko ireny olona ambony jerena ivelany ho mpivavaka ireny ary tsy mahagaga raha toa ataonâAndriamanitra mihodikodina migrevy izy ireny satria tsy fantantrâizy ireny izay ataony.
Misy lahatrâAndriamanitra izao zava-misy izao ary tsy tongatonga ho azy eo aminâny fitondrana ny Filoha Rajoelina fa voatendry izy. Tsy anjely akory anefa izy sy ny manodidina azy. Mbola fanontaniana ny hoe: mbola voatendry ho Filohanâny Repoblika ve izy sa ity Tetezamita ity ihany no nanendrena azy ? Ny tantara no hitsara izany
Mandra-panoratra dia mirary Fety faran'ny taona ho an'ny rehetra.
Rasolo