]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Yves Aimé Rakotoarison: Namoaka ny tsiambaratelon'i Dada Ravalomanana

Yves Aimé Rakotoarison: Namoaka ny tsiambaratelon'i Dada Ravalomanana

Yves Aimé Rakotoarison, fehy tenda mivolom-boaloboka, nanao sonia tamin’ilay fifanaraha tao amin’ny CCI Ivato

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka ao amin’ny gazety « La Gazette de la Grande île » tamin’ny 1 Febroary 2013. Izany hoe androany. Iza indray ary no hilaza fa sady mpamadika Ingahy Yves Aimé Rakotoarison no mpandainga. Mety ho marina ilay hoe mpamadika fa raha mikasika ny faharoa, tena zava-nisy tokoa io fomban’i Dada Ravalomanana io ary mbola ho be ny olona hanamarina izany atsy ho atsy. Ka asakasak’ireo olona mampahonena ao aminy Magro izay fahanana lainga ihany, fahanana lainga hatrany. Rahoviana ry Me Hanitra sy Mamy Rakotoarivelo no hamoaka ihany koa ny tsiambaratelo? Rehefa maniry nify ny akoho ka hentin-dry zareo any am-pasana any ny adalana niarahana natao. (Jeannot Ramambazafy)

Yves Aimé Rakotoarison: Namoaka ny tsiambaratelon'ny filoha teo aloha

Yves Aimé Rakotoarison dia mpitolona mafana fo tao amin'ny fitondran'ingahy Ravalomanana Marc.

Tamin'ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety tamin'ny fotoana nanaovan'i Lahiniriko Jean fanambarana dia isan'ny nanohana azy i Yves Aimé Rakotoarison. Tim mafana fo ity lehilahy ity teo aloha kanefa dia nivadika nanohana an'i Andry Nirina Rajoelina.

Tamin'izany no nahavoatendry azy ho minisitry ny Fifandraisana amin'ny andrim-panjakana, ka izy no nisantatra io minisitera io voalohany. Mpanohana mafana fo ny filatsahan'i Lahiniriko Jean koa izy amin'izao fotoana izao raha ny fanambarany ny sabotsy faha-26 janoary 2013 lasa teo. Raha nanontanian'ny mpanao gazety ny nanesorana an'i Lahiniriko tsy ho filohan'ny Antenimierampirenena tamin'ny fotoana nitondran'i Ravalomanana iny dia i Yves Aimé no namaly azy ka hoy izy hoe:

Izaho no mahalala bebe kokoa ny fanjakan'i Ravalomanana Marc sy ny " secret -ny ", niara-miasa akaiky izahay. Rehefa tsy mitovy hevitra aminy dia gadrainy sy roahany, eny fa dia namany aza. Ravalomanana Marc, hoy izy, dia olona mpandainga, mpampigadra olona tsy amin'ny antony, ary manakana tanteraka ny fodian'ny olona nahazo sesin-tany tany ivelany tsy hody eto Madagasikara. Izy sy Rolland Randriamampionona izay minisitry ny Fitaterana tamin'izany hoy izy no tena nanao ireny "Notam" tamin'i Pierrot Rajaonarivelo ireny. Mpandainga be ingahy Ravalomanana Marc satria tamin'ny faha-19 janoary 2002, raha nampiantso ahy izy dia nilaza tamin'izay fotoana izay fa hanangana firenena ao anatin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana.

Indrisy anefa fa ny mifanohitra amin'izany no nitranga. Niaina tao anatin'ny lainga tanteraka i Madagasikara tamin'ny vanim-potoana nitondrany iny. Ny "1er tour dia vita", hoy ihany ingahy Yves Aimé, dia mbola lainga ihany koa. Koa amin'izao fotoana izao, hoy izy dia mandray ny valin'ny asa nataony teo aloha izy.

Fanagadrana amin'ny  tsy rariny, fanomezana "Notam" ny mpiray tanindrazana aminy tsy hody eto Madagasikara, fandravana sy fandrobana fananan'olona sy ny mpiray tanindrazana aminy. Isan'ny santionan'ny fanambarany ireo. Rariny hoy izy, raha tsy mbola mahazo mody Ravalomanana Marc mba hahatsapa fa mafy ny nahazo ireny olona nataony ireny. Maro be no azo lazaina fa napetrany teo aloha ny resaka tamin'io fotoana io.

J.B. - La Gazette de la Grande île, 01.02.2013

 
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...