]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Rivo-doza Haruna: fa aiza ianareo ry FFKM sy ry kandida malala isany e?

Rivo-doza Haruna: fa aiza ianareo ry FFKM sy ry kandida malala isany e?

ETO NY VIDEO MANONTOLO TAMIN'NY ALAHADY 3 MARS 2013 TAO AMIN'NY COLISEUM ANTSONJOMBE

Tontosa soa aman-tsara ilay hetsika nokarakarain'ny Sendikan'ny Artista Mpanao Mozika Malagasy ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana any Atsimo Andrefana, tra-boina noho ny rivo-doza Haruna. Io hetsika io dia natao tao amin'ny Coliseum Antsonjombe, ny Asabotsy 2 sy ny Alahady 3 mars 2013. Ireto ny vola sy entana voangona :

Vola: 14.200.000 ariary

Vary: 33,100 Tonnes

Menaka: 305 Litres

Siramamy: 10 Tonnes

Savony : 10 Cartons

Kojakoja samihafa : 03 Camions


DAMA (Tarika Mahaleo), mpikambana ao amin'ny Sendikan'ny Artista Mpanao Mozika Malagasy

"Hatraminy omaly (asabotsy 2 Marsa 2013) dia efa nanao tohi-vakana ny olona, ary ny mahafinaritra dia izao: mandeha tongotra ny olona, mandeha aty Antsonjombe. Lavitra ny aty Antsonjombe fa tonga ny olona mandeha tongotra.


Ary ny tena mahafaly anay izanydia na dimapolo aza, na roampolo aza, na ariary folo aza dia misy mitondra ny anjara birikiny. Izay no anisan'ny mampiseho hoe: samy mba mahatsirao tena daholo izany isika rehetra . Tsy hoe ny manan-katao ihany no tonga fa na dia ny sahirana aza dia tonga maneho ny fandraisan'anjara an-dry zareo ny any Atsimo. Ary ny zavatra ho ataonay, izay adidy masina ho anay ato amin'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika, -efa be izay natao tany aloha izay, ary ny ahiahy tsy hiavanana, satria tsy fantatra marina hoe tonga any ipotony ve ny entana - ny fiandraiketana ny fanaterana ny entana mandeha any Toliara. Ho tonga soa aman-tsara any amin'ireo olona tokony mila izany fanampiana izany.


Izany no tena zava-dehibe : tena harahinay maso ; ohatra ny anakandriamaso ny hanarahinay ireo entana ireo. Ny zavatra mahafaly koa dia mahatsiaro tena izahay ato amin'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika fa tsy raharahan'ny Sendika fotsiny ihany ity fa lasa raharaha ikambanan-tsika mponina eto Madagasikara. Fa izay eto amin'ny Sendika no mikarakara sy manaitra fotsiny. Fa ny tena marina dia tsapanao izao fa tsy an'ny Sendika ihany ity hetsika ity, fa antsika rehetra. Izao no hampisehon-tsika fa tsy gidragidra na adiady foana ny eto Madagasikara, fa mampiseho ny olona fa afaka mifamelona tsara isika eto Madagasikara, dia izao ataon-tsika izao ».


Mazava izao: tojo fasahiranana ny firenena iray manontolo, no ny rivo-doza Haruna izay namela takaitra any amin'ireo faritra Atsimo-Atsinanan'ny Nosy.

Vao nahare ny olompirenena mahala maka sy mandray andraikitra dia tonga dia nirodorodo tsy nisy atak'andro. Tsy mila ho tenenina eto ny anaran'izy ireo fa fanta-poko fantam-pirenena araka ny fiteny ".

Na kely, na lehibe, na vavy na lahy: ireo no tena vahoaka Malagasy

Somary malotoloto ireto vola 100 sy 200 ariary "tsy toko tsy foroana" (hoy i Ndriana Ramamonjy izay) ireto, fa ny fo nanolotra dia madio tanteraka, avy amin'ireo mpiray tanindrazana efa mba sahirana

Fa ndry! Nankaiza, ohatra, ireo ao amin'ny fiangonana toa an'ny FFKM, ry Mailhol sy ny tariny? Sa "mivavaka mangina" dia izay? Ary nankaiza ireto kandida ho Filoham-pirenena? Tena tsy hita tabilao, nefa amin'izao andro sarotra izao no mba hahitana raha mahay mamaha olana ny mpitarika, indrindra fa ara-sosialy? Aiza ry Sarah Georget Rabeharisoa -izay hanofa «hélicoptÚre» hanaovana propagandy-? Aiza ry Patrick Raharimanana. F'angaha tsy vitan-tsika indray io? Aiza ry Me Avoko sy ireo namana mpikambana «manerana ny nosy»? Aiza ry Jean Lahiniriko, sns? Sa rehefa mihetsika ry zareo ireo dia misy sandany? Ny «mouvance» Ravalomanana moa dia tsy ireo mpiray tanindrazana no mahamaika azy fa mitady izay fomba rehetra anaovana fitaovana an'i Bebe Razay. Fitaovana politika ka any ireo zanak'i Dada efa voageja ara-tsaina tanteraka sisa no mitehaka.


Izany ve ianareo no hoe hitondra firenena? Tsy ho faty daholo ny Malagasy any ambany ravin-kazo any satria ny aty an-tanàn-dehibe ihany no afaka manao ronono an-tavy? Sa tena sarotra ny manangona 250 tapitra amin'ilay firotsahana ho Filoha? Ny an'olo-tsotra aza 500 na 1.000 fmg foiny na dia tsy manana am-pelatànana aza ary tsy sandaina fa vokatry ny fo sy ny fitiavana? Mazava aminy izao ilay «FITIAVANA-TANINDRAZANA-FANDROSOANA». Fa ny anareo ? « FANKAHALANA-IZAHO SAMY IRERY-FIHEMORANA ».

Iny hetsika tao amin'ny Coliseum Antsonjombe iny nandritra ny roa andro iny dia nanabaribary fa kay tena tsy misy ilana azy tokoa ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy. Tsy nisy na iray aza nahafoy vola tamin'ilay karama be vao noraisina tamin'iny faran'ny volana Febroary iny. Ny fitia, hono, tsy mba hetra ry zareo a ! Nefa miseho manam-bola sy mitaingina 4X4 raitra be (re any an-dalambe izany teny izany). Sa mbola lasa nitety vahiny nangataka fa hoe mijaly ny «vahoaka malagasy»? Sa an'ny Mialy sy Andry Rajoelina manokana ireo tra-boina any Atsimo ireo?


Raha miresaka Filoha «voafidy» tokoa dia ity no tsikaritry ny be sy ny maro : fa aiza ry Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana? Tsy voatery vola anie no omena fa teny fampiononana tsotra dia efa nety. Ny Filoha frantsay -azo lazaina fa vaovao-, François Hollande, aza nahavita nandefa taratasy fampiononana sy fanampiana avy amin'ny governementany.

Tsindrio eto

Izany koa dia manabaribary fa kay ny tombontsoany ihany no narovany tamin'izy ireo teo amin'ny fitondra fa tsy nisy mihitsy izany fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka. Raha tsy izany ve hikoroso fahana nanditra ny taona am-polony maro ny firenena ?

Firmin (ilay anisan'ny nahazo tamin'ny fifaninana PAZZAPA), anisan'ireo mpanakanto mihoatra ny zato nanome fahamarinana ilay teny frantsay hoe : "joindre l'agréable à l'utile"

Fa ny teniko dia tsotra: aleho tara toa izay tsy misy mihitsy. Fa dia ho mazana tokoa aloha ho anareo ny handresy lahatra ny mpifidy hoe : fidio izaho. Vao resaka rivo-doza aza dia efa tsy tazana mihitsy ka vao maika fitantanana ankapobeny ny firenena? Ny rivo-doza misy isan-taona eto Madagasikara, aza adino.

Tanora vao misondrotra mandray anjara am-pitiavana

Mamy Gotso, zanak'i Toliara tsy miroro e !

Ny marina dia ity: ireo olona nanampy -ary mbola hanampy fa tsy ho lazain'ireo maizin-tsaina sy mpanompo (ary mpanompa) olona fa propagandy koa- dia tsy hirotsaka ho kandida amin'ity 2013 ity, kanefa dia mamonjy ny mpiray tanindrazana ary tsy mangataka tambiny. Ianareo milaza ho kandida, tsy hita popoka teo fa nangina. Nefa malama vava ery rehefa manaratsy ny afa sy manao planina tsy mitombona. Rehefa ny resaka no mibahana fa tsy ny hetsika dia inona ? Anareo no mamaly ry mpamaky hajaina. Fa rehefa tsy nanao tam-boalohany dia tsy misy dikany daholo izay fialana bala rehetra tenenina atsy ho atsy. "C'est le premier pas, le premier geste qui compte. le reste n'est plus qu'hypocrisie".

Tsy teto an-toerana ? F'angaha tsy misy olona afaka mahasolo anareo ? Tssss avelao any fa azy ny azy, ny fiainana mbola hitohy.

=========================

N°043-P.T/SGP/COM.13

COMMUNIQUE DE PRESSE

Deux millions d’Ariary du Couple prĂ©sidentiel pour les sinistrĂ©s du Sud

Le Couple prĂ©sidentiel a offert une enveloppe financiĂšre d’un montant de deux millions d’Ariary Ă  titre de participation Ă  l’élan de solidaritĂ© national pour les sinistrĂ©s du Sud, suite au passage du cyclone Haruna.

Le PrĂ©sident de la Transition ayant Ă©tĂ© en mission Ă  Toliara, ce fut le SecrĂ©taire GĂ©nĂ©ral de la PrĂ©sidence, Haja AndrĂ© Resampa, et le Directeur GĂ©nĂ©ral de la PrĂ©sidence, Mamy Ratovomalala, qui l’ont reprĂ©sentĂ©, ce Dimanche 03 Mars 2013 au ColisĂ©um d’Antsonjombe, pour remettre ladite enveloppe aux responsables du Syndicat des Artistes, lequel y a organisĂ© un concert-tĂ©lĂ©thon en faveur de ces sinistrĂ©s du Sud.

Antananarivo, le 03 Mars 2013

Le Chargé de la Communication
auprÚs de la Présidence de la Transition

==========================

Ery ambony ny vidéo manontolo mirakitra ny hetsika tamin'ny Alahady 3 Marsa 2013 tao Antsonjombe. -VIDEO TAMIN'NY ASABOTSY 3 MARS 2013 ETO-

Jeannot Ramambazafy – 5 Marsa 2013

Mis Ă  jour ( Mardi, 05 Mars 2013 16:22 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...