Quel est donc ce drÎle de titre ? Sachez que le village dénommé Anjoma Ramartine signifie littéralement au Vendredi de Madame Martine. Par ailleurs, Zoma (Vendredi), dans bien de localités malgaches, est synonyme de jour de marché ou marché tout court.
Les pancartes ci-dessous vous expliquent le pourquoi du dĂ©placement dâune forte dĂ©lĂ©gation de ministres du gouvernement de la HAT. Tout y est dit.
Oui, il sâagissait de la pose de la premiĂšre pierre dâun Centre de dĂ©veloppement-Fararano Lacafampivoarana-Foisonnement de produits), Ă Anjoma Ramartine. Bon, puisque câest une histoire de dĂ©veloppement malgacho-malgache, rĂ©digeons en malgache.
Ny ministra Ramanantsoa, Juscelyno, Ramaroson ary Razafimanazato
Ao anatinâny fivondronampokontanâny Mandoto no misy ny kaominina Anjoma Ramartine. Ity toerana ity no nanatanterahina ny fametrahana ny vato fehizoro ny fananganana ny trano famoriambokatra sady fivarotana izany. Tonga tany an-toerana  nisolontena ny Filohanâny Fahefana Avonâny Tetezamita ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Atoa Julien Razafimanazato, notroninâny minisitra ny Mponina, Rtoa Nadine Ramaroson ary nahitana ihany koa ny minisitra ny Angovo, Atoa Jean Rodolphe Ramanantsoa ary ny minisitra ny Fambolena, Atoa Jaonina Mamitiana Juscelyno.
Andriamatoa Ben'ny TanĂ nan'Anjoma Ramartine
Navoitry ny Benâny tanĂ na ny hetahetanâny mponina aminâny tokony hisianâny televiziona ao antoerana. Nasondainy ihany koa ny fahavononanâny mponina eo aminâny sehatry ny fambolena. Ary nangatahinâny Benâny tanĂ nan'Anjoma Ramartine ihany koa ny hanarenana ny tranon-tsekoly izay simbanâny rivo-doza.
Ny Ministry ny Mponina, Ramatoa Nadine Ramaroson
Raha nandray fitenenana ny minisitra  ny Mponina dia nitatitra hatrany ny fahavononanâny Fitondrana tetezamita tarihinâny filoha Andry Nirina Rajoelina, aminâny fitsinjovana manokana ny vahoaka, indrindra ny fikarakarana azy ireny eo aminâny lafinâny sosialy : « Tsy mora, hoy Rtoa Nadine Ramaroson, ny manarina izay sehatra ny sosialy izay satria hita fa nia-nahantra tanteraka ny vahoaka nandritra izay 50 taona izay. Na izany aza dia manao izay ho afany ny mpitondra sy ireo mpikambana ao aminâ ny Gouvernemanta. Manankarena i Madagasikara saingy noho ny fitantanana gaboraraka nataonâny mpitondra teo aloha, dia lasa olom-bitsy no nahazo tombontsoa fa ny vahoaka kosa dia nia-nahantra hatrany ary mbola vokatrâizany izao zakainâny vahoaka ankehitriny izao ».
Ny Ministry ny Fanabeazampirenena, Andriamatoa Julien Razafimanazato
Ny Minisitra ny Fanabeazanampirenena indray, izay nisolontena ny Filohanâny HAT, dia nilaza  fa hoezahina atao izay fanamboarana tanteraka ny tranon-tsekoly. Eo koa ny fanolorana ny ambioka ho anâny mponina : «Tanjona ny fampandrosoana ny ambanivohitra ary fiaraha-miasa aminâny olo-tsotra sy ny fiangonana ity trano fanangonam-bokatra ity. Ny politikanâny fitondrana ankehitriny dia miezaka manatona ny vahoaka. Midika izany fa porofo iray ho fitohizana ny fiaraha-miasa eo aminâny fanjaka sy ny sehatra tsy miankina ary ny fiangonana izao fanorenana ny ivotoerana fanangonam-bokatra sy famatsiana izao ».
Monsenera FĂ©lix Ramananarivo
Tao anatinâiny lanonana iny, natao ny asabotsy faha-10 aprily 2010, dia nisy ihany koa ny fanolorana ny omby telo avy aminâny Filoha hy tetezamita. Tsiahivina etoana fa ny foibe fanangonambokatra sy famatsiana ity moa dia hetsika niala avy taminâny Monsenera FĂ©lix Ramananarivo, EvĂȘque EmĂ©rite de lâEglise catholique dâAntsirabe. Ny âGROUPE Liaison Office Consultingâ no hanatanteraka ny fananganana ity foibe fanangonambokatra sy famatsiana ity. Haharitra 12 volana ny asa ary mitentina 1.000 tapitrisa irambilanja ny fanamboarana.
Jeannot RAMAMBAZAFY - Andry RAKOTONIRAINY