NODIMANDRY I NADINE RAMAROSON

Dimanche, 28 Août 2011 18:50 Madagate affiche
Imprimer

VIDEO : FANAMBARANA ARA-POMBA OFISIALY TAO AMINY TVM (Tsindrio eto)

ETO RAHA HIJERY NY BLOG MIKASIKA NY ASA VITANY VITSY VITSY

+ + + + + + + + + + + + +

NY FILAZANA MANJO

ANDRIAMANITRA no nanome ary Izy no naka ny malala tsy foiny


Nadine Laura Eugénie

Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Commandeur de l’Ordre National

Hoy :

Ny Ray aman-dReniny :

André sy Odette RAMAROSON

Ny Iray Tampo aminy :

- Danick sy Harry sy ny zanaka aman-jafiny

- Thierry sy Hanitra sy ny zanany

- Rado sy Joëlle sy ny zanany

- Corinne sy Emmanuel sy ny zanany (SUISSE)

Ny Iray Tampo amin’ny Rainy :

- Alain sy Olga sy ny zanany

- Frédérique sy ny zanany

- Raymonde sy ny zanany

- Josiane sy Marc

Ny Iray Tampo amin’ny Reniny :

- Hélène RATRIMOARINOSY sy ny zanaka aman-jafiny

- Etienne sy Evangeline sy ny zanaka aman-jafiny

- Christian sy Gabrielle sy ny zanany (FRANCE)

- Yves sy Georgette sy ny zanany (FRANCE)

- Marc sy Eliane (FRANCE)

- Jeannot sy Brigitte sy ny zanaka aman-jafiny (FRANCE)

- Ny Fianakaviana manontolo

- Ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy

- Ny Fiangonana Andohalo Internationale

- Ny Fiangonana FJKM Andakana

- Ny Fokontany Alarobia Soavimasoandro

+ + + + + + + + + + + + + + + + + + +

FANAMBARANA AN-GAZETY

Fodiamandrin’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita mivady dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny Fianakavian’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, amin’ireo Mpiara-miasa aminy, miisa telo, sy amin’ireo Mponina ao Soanierana Ivongo, miisa fito, izay nodimandry tampoka noho ny loza an-dranomasina nitranga tany an-toerana.

Itompokovavy RAMAROSON Nadine dia iarahantsinika rehetra manaiky fa nahavita be tokoa teo amin’ny asa sy adidy izay nataony, izay tsy nitsaharany sy tsy nahalalany asasarana tamin’ny fikarakarana ny sosialim-bahoaka.

Izany rahateo no nampitoetra hatrany ny fitokisan’ny Fitondram-pajakana taminy ka nametrahana sy nanendrena azy hatrany nisahana io Ministera io.

Marihina moa fa teo am-panatanterahana izany adidny izany izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao.

Andriamanitra Andriananahary anie hanome fionana feno ho antsika tsirairay avy ho fiatrehantsika izao namoizana olo-mangan’ny Firenena izao.

Antananarivo, faha-28 Aogositra 2011

Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita

RAJOELINA Andry Nirina

Mis à jour ( Mardi, 30 Août 2011 07:21 )