]
Les quotidiens du 16 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche MADAGASIKARA FANAOVAN-GAZETY. LASA TAMPOKA TEO NY ZANDRY NAMANA ANDRY TSILEFERINTSOA, NANDAO ITY TANY FANDALOVANA ITY

MADAGASIKARA FANAOVAN-GAZETY. LASA TAMPOKA TEO NY ZANDRY NAMANA ANDRY TSILEFERINTSOA, NANDAO ITY TANY FANDALOVANA ITY

Tsy mahita ho tenenina aho, Tompoko, fa na izany aza, amin’ny anaran’ireo namana mpanao gazety tao amin’ny “Madagascar Tribune” sy ireo ao amin’ny Madagate amin’izao, dia ireto ny teny fampionanana ho anareo fianakavian’i Andry T. tsy ankanavaka, nalaina tamin’ny lovan-tsofina navelan’ireo ray aman-dreny nialohan-tsika :

“Eny, ry izy mianakavy, lasa tokoa ilay fihantahantana,nandao antsika ilay fintositosiana, nindaosin’ny fahafatesana ny vady malala, ray tsy foy, havana tokana, mpanao gazety namana namela mpandimby maro. Izao fahoriana mihatra noho ny famoiza-malala izao tokoa, no toy ny fery vao ka raha hetsehina maharary. Koa amin’ny alalan’ireto teny ireto no hanehonay ny fiaraha-miory ka miara-malahelo sy miombom-pahoriana aminareo mitondra ny teny fampiononana dia ny balisama manasitrana ny fery.

Ny varavarana nivoahana no anareo, fa ny alahelo iarahana mizaka. Amin’ny maha-kristianina no ampitrakanay sy ampahatsiahivana entoana fa amin’ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no mbola hihaonantsika indray amin’ny havantsika, Patrick Emilson Andriantsileferantsia na Andry Tsileferantsoa vao nodimandry, ka mahaiza mionona tompoko”.

Jeannot Ramambazafy

 
Bannière

Madagate Affiche

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina