]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Kere. Fanazavana ofisialy mikasika ny fifindra-monina avy any Atsimo ho any Avaratra

Kere. Fanazavana ofisialy mikasika ny fifindra-monina avy any Atsimo ho any Avaratra

Maro ny resaka mikasika ireo Malagasy avy any Atsimo mifindra monina ho any Avaratra noho ny Kere misy amin’izao fotoana izao. Isika tsy hiady amina olona very jery na koa adala, anisan’ireo misalotra ho mpanohitra kanefa tsy manao hafa-tsy ny mitsikera fahatany. Ny marina iray sy tokana ihany ka ity manaraka ity ny fanazavana miala avy amin’ny zava-nisy sy misy ankehitriny. Dia avelao ireo « mpanohitra » ho kendan’ny laingany sy ny fahaizany mamorona angano maizina ho an’ny taranany.

Fa isika vahoaka kosa aoka hahay hanavaka ny vary amin’ny tsiparifara ka ho an’ireo tsy mifaditrovana dia tsy maintsy ho avy ilay hoe : ny tody tsy misy fa ny ataony ihany no hiverina aminy. Fantatrareo daholo ry zareo mitatata ao amin’ilay hoe « radio miara-manonja » ho voaraikitry ny lafi-maizain’ny Tantaram-pirenena malagasy dia : ny IBC Radio, ny MBS Radio, Ny AZ Radio ary ny Radio MADA.

Tsy misy tia tanindrazana na ny iray ireo be vava rehetra ao. Manantena fisamborana ry zareo. Ho avy rehefa voaporofo fa tsy manaraka ny lalana velona. Ka dia tohizo hatrany fa mbola tsy fantatrareo tsara tokoa ny fomba sy toetran’i Marc Ravalomanana lahy !

Mpanao gazety matihanina tsy manaiky ny sarintsarina fandaharana manabado ny vahoaka malagasy

**********************

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO

TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 13 JANOARY 2021

I- FAMPAHAFANTARANA :

IREO MIFINDRA MONINA AVY ANY ATSIMO :

30% ny mponina any amin’ireo kaominina vitsivitsy any Atsimo no nanomboka nifindra monina namonjy ny faritra avaratra sy andrefan’ny Nosy nanomboka ny taona 2015 no mankaty araka ny fanadihadiana nataon’ny OIM. Saika isan-taona rehefa main-tany no tena hiantombohan’izy io noho ny hain-tany, ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fiovan’ny toetrandro ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Isan’ny miteraka olana ho an’ireo faritra hifindra-monina sy ireo faritra nialana koa anefa izy ity na eo amin’ny lafiny fiaraha-monina na ny lafiny ara-toekarena na ny ara-tsosialy.

Tany am-boalohany lehilahy no maro amin’ireo nifindra monina saingy nitombo izany ka lasa fianakaviana iray manontolo mihitsy no mifindra monina ankehitriny noho ny antony maro samihafa toy ny faharavan’ny tokantrano, tsy fahampian’ny hoenti-manana ary fikorontanan’ny fiarahamonina vokatr’ilay fijanonana irery na an-tany nilana ravinahitra na an-tany nihaviana nonenan’ny fianakaviana. Noho ireo antony ireo dia nivoatra ireo karazana olona mifindra monina avy any Atsimo. Hita tamin’ny fanisana natao fa misy mpianatra na mpila ravinahitra namonjy fodiana, nitondra ny fianakaviany niala tany noho ny tahotra ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tao koa ireo mpanararaotra na voarebireby ka nisy namitaka ny hahazo fanampiana. Hisy ireo vaomiera manokana iraisan’ny ministera isan-tokony amin’ny fanampiana azy ireo sy fanarahana ny fipetrahany any amin’ireo toerana nosafidian’izy ireo hipetrahana toy ny any Aavaratra sy ny Bongolava izay afaka mandray fianakaviana miisa 1200. Misy filĂ na mpiasa manao asa tanĂ na sy asa fambolena any Tsiroanomandidy, ka izay vonona ny hamboly dia afaka omena ilay antsoina hoe « titre vert» hahafahan’izy ireo mamboly sy miavotra.

Tsy azo amidy na hanaovana sehatr’asa hafa ankoatra ny fambolena sy fiompiana ny sombin-tany azon’izy ireo. Araka ny tatitra ara-tsosialy voaray, ny mponina avy any amin’ny faritra Atsimo dia tsy mahafoy ny tany nipoirany. Noho izany hohafainganina ny fametrahana ireo zara-tany hambolena sy hiompiana mirefy 1000mÂČ isampianakaviana hatao ao Ifotaka.

Izany no natao dia ho fitazomana ireo mbola tavela any amin’ny faritra nihaviany hiaina ara-dalàna any, na ihany koa hamerenana ireo niala sy voafitaka mba hiverina ka ho afaka miaina tsara sady miasa no miaro ny tontolo iainana.

Ho an’ireo mandalo eto an-drenivohitra izay hihazo ny faritra nosafidiany nefa lany vatsy kosa dia noraisin’ny ministeran’ny mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony, tahaka izay efa natao tany Fianarantsoa, ny fanampiana azy ireo hamonjy ilay faritra nosafidiany.

(
)

Natao androany faha 13 Janoary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

Mis Ă  jour ( Mercredi, 13 Janvier 2021 20:22 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...