]
Les quotidiens du 17 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara adin’akoho lahy. Feno 5 taona ny BCM na «Batay Coq de Madagasikara»

Madagasikara adin’akoho lahy. Feno 5 taona ny BCM na «Batay Coq de Madagasikara»

Ny taona 2016 no nitsanganan’ny fikambanana BCM na « Batay Coq de Madagasikara », izay Andriamatoa Tsonami Arsene, no Filoha mpitarika. Ahitana mpikambana manerana ny Nosy ny BCM ary saika ireo mpakafy sy mpiompy ary indrindra mpitaiza akoho lahy mpiady no mivondrona ao aminy.


Feno 5 taona amin’ity taona 2021 ity ny BCM satria ny taona 2016 no niatombohan’ny adin’akoho lahy voalohany teo amin’ny Kianjan’ny Kanto ao Mahamasina. « Ho fahatsiarovana izany faha-5 taona izany no nanaovana ilay fifaninana », hoy indrindra ny filoha Tsonami Arsene. Tsy natao handalo fotsiny izany datin’andro izany fa dia nentina tamin’ny alalan’ny hetsika fifaninana adin’akoho lahy ny fanamarihana.


Ny sabotsy 03 jolay 2021 teo ary no nanombohana ny fifaninana izay nomena anarana ny faha-5 taonan’ny BCM Batay Coq de Madagasikara, ary hatao isaky ny Sabotsy amin’ity volana jolay ity dia ny 03, 10, 17, 24, sy 31 jolay ny dingana rehetra hafantarana ny akoho lahy izay hibata ny fandresena.

Eto amintsika eto Madagasikara dia anisan’nyy fialamboly maro mpakafy tokoa izy ity. Ankoatra ny fifaninana dia ahitana adin’akoho lahy eny anivon’ny fokontany. Ho an’ireo efa tena matihanina amin’ny fampiadiana akoho dia tsy mora ny mitaiza ireny akoho mpiady ireny, hatramin’ny toerana misy azy, ny sakafo manokana omena azy ireo, ny fikarakarana ny fahasalamany ary indrindra amin’ny maha akoho mpiady azy, dia misy fanazaran-tena ampanaovina azy. Izany hoe andaniana vola be ny fikarakarana azy ireny.


Raha hiverena ny fifaninana eny amin’ny Kianjan’ny Kanto ao Mahamasina dia nahatratra aman-jatony ireo akoho mpifaninana no nosoratan’ny tompony anarana hifaninana nandritra ny roa sabotsy (03 sy 10 jolay 2021 teo). Tonga teny avokoa ny mpifaninana, toy ny teto Andrenivohitra sy manodidina, ny avy any Sambava, Antsirabe, Itasy, Toamasina, Fianarantsoa...

Ny mpampiady akoho rehetra no afaka mandray anjara ao anatin’izany fifaninana izany ary manaraka ny fepetra toy fifaninana rehetra misy ireny ihany. Mialoha ny ady atao anefa dia ivelan’ny kianja hilalaovana dia efa samy mifampitsapa ny angezan’ny vatana sy halavan’ny akoho ireo tompon’ny akoho. Rehefa samy resy lahatra fa hampifanandriana ireo akoho dia izay vao miditra eo amin’ny kianja ny akoho hiady.


Anisany fitsipika mipetraka ny hoe : rehefa mitsoaka in-telo ny akoho lahy iray eo ampiadiavana dia efa resy ; misy ihany koa anefa ny atao hoe « box » izay karazana « fairplay » (fifanajana ao anatin’ny lalao) eo amin’ny samy mpifanandrina.

Amin’ny izao faha dimy taonan’ny BCM dia hisy loka manokana omena ho an’izay mandresy amin’ny farany, ka ny isa (« points ») azon’ny akoho amin’ny fifaninana sy ny akoho izay manana ampaham-potoana malaky no ho voahosotra hoe mpandresy.


Araka ny fanazavana nomen’ny Filoha Tsonami Arsene ihany dia ireo akoho lahy telo tena manana isa ambony no hiatrika ny famaranana ny 31 jolay 2021.

Ny tanjona nitsanganan’ny BCM sy ny fikarakarana hetsika toy izao dia mba ho fanampiana ireo mpampiady akoho,na ireo efa matihanina na ireo mbola zazavao.

Nangonin’i Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Lundi, 12 Juillet 2021 09:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024