Ny Kardinaly Farrell no nanao izao fanambarana izao androany 21 avrily 2025 maraina :
“Ry rahalahy sy anabavy malala, amin’ny alahelo lalina no tsy maintsy anambarako aminareo ny fodiamandrin’ny Ray Masina François. Tamin’ny 7 ora sy sasany maraina (ora an-toerana) dia nody any an-tranon’ny Ray ny Evekan’i Roma, François, izay nanokana ny fiainany manontolo ho amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny Fiangonany.
Nampianatra antsika hiaina ny soatoavin’ny Filazantsara amin’ny fahatokiana sy ny herim-po ary ny fitiavana maneran-tany izy, indrindra fa ho an’ireo faniranovana sy ireo voahilikilika.
Ary dia nanampy izao Monsenera Farrell : “Amin’ny fankasitrahana lehibe, noho ny ohatra nasehony amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Tompo marina azy, dia mametraka ny fanahin’i Papa François izahay, eo amin’ny Fitiavana tsy manam-petra an’ilay Andriamanitra telo (ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) izay iray sy tokana ihany.
Raha tadidin-tsika dia niditra tao amin’ny « polyclinique Gemelli », ao Roma, ny Papa Francois (Jorge Mario Bergoglio), ny 14 febroary 2025, noho ny aretina « pneumonie ». Nivoaka tao izy taloha kelin’ny andron’ny Paska izay nankalazainy niaraka tamina mpino maro be tao Vatican, ny Alahadin’ny Paska 20 Avrily 2025.
Raha tsiahivina, ny taona 2023 dia naniry halevina ao amin’ny « Basilique Sainte-Marie Majeure de Rome » ny Papa François, izay teraka tany Flores, Bueno Aires, Argentina ny 17 Desambra 1936.
Nandika avy amin’ny teny anglisy : Jeannot Ramambazafy