Karatra mena tokoa ho an'ilay filoha voafidim-bahoaka
SeFaFi â Fanambarana an-gazety
NY NANTENAIN-KO AZO VOTSOTRA TAMINâNY REPOBLIKA FAHA-IV
Nangina efa ho enim-bolana ny SeFaFi rehefa avy niarahaba ny filoha voalohanâny Repoblika faha-IV 1. Nandritra izay fotoana izay dia nisy olona roa tao aminy voaantso hisahana andraikitra politika izay tsy afa-miaraka aminâny maha mpikambana azy ato aminâny SeFaFi, dia: Rakotoarisoa Jean Eric lasa mpikambana ao aminâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana, sy Horace Gatien lasa minisitry ny Asa, ny Fampianarana Tekinika ary ny Fiofanana araka Asa.
Rehefa nisaraka taminâizy ireo ny SeFaFi dia nitsodrano azy mirahalahy hahomby tanteraka aminâny fanatontosana ny andraikiny avy. Izany akory tsy manakana ny SeFaFi tsy hanana ny fahafahana rehetra ilainy hoenti-manatanteraka ilay andraikitra maha mpanara-maso ny fiainam-pirenena azy, satria izy tsy mila ranondranony aminâny fitondrana ary tsy mila tambiny aminâny mpanohitra. Miorim-paka any aminâny fiarahamonim-pirenena ny SeFaFi ka ny hany fikasany dia ny handray ny andraikitra takianâny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena : miampanga ny tsy mety sy ny fanararaotana, mampibaribary ny banga sy ny mifanipaka, manolotra vahaolana hisafidianana. Io fitsikerana io dia tsy telinâny mpanararaotra sy ny be tetika, nefa io dia tena fototry ny demokrasia, tahaka ny fahafahanâny fanaovan-gazety.
Rehefa nanao ny fianianany ny filoha Rajaonarimampianina ny 25 janoary 2014 dia velom-panantenana indray ny vahoaka efa tsindrian-daona hahita ny mpanao politika hiditra aminâny fanao madio kokoa. «Fanantenana mahatalanjona no nentinâny vahoaka malagasy namarana ny taona 2013 : fifidianana demokratika notohananâny fianakaviambe iraisam-pirenena no namaranana ny krizy nifandimby. Io firaisana taminâny somambisambinâny taona 2014 io dia fambara tsara ho anâny firenentsika. Ho taonanâny fihavaozanâny daholobe ity taona ity, eo ambany fanevanâny Hery vaovao tonga mitsoka eto Madagasikara», teninâny Filohanâny Repoblika izany taminâny kabariny fony izy napetraka taminâny toerany. Malina dia malina ny SeFaFi ka nampitandrina ny mba tsy hiverenana intsony aminâny fanao taloha ka nampahatsiahy ny olona nilatsaka hofidiana solombavambahoaka ny fepetra hampisy ny tena fihavaozana marina: «Mba hamerenana ny fitokisana ary hanehoana fa tena misy tokoa ny fiovana, dia tokony hanefa ny adidiny an-tsakany sy an-davany ny solombavambahoakavaovao» 2.
1 « Aorianâny fifidianana, fananganana ny rafi-pitondrana sy fampihavanana », 11 fevrie 2014.
2 Idem.
Enim-bolana aty aoriana, sadaikatra dia sadaikatra ny olona satria efa fahoviana izay mbola tsy hita soritra ihany ilay fiovana nampanantenaina. Amidy ny rariny, manjaka ny kolikoly, tsy miafina izany ; miharihary ny tsy fifanarahana sy ny fisamatsamahana, hitam-poko hitam-pirenena ny tsy fahaizanâny olom-boafidy sy ny tsy firaharahany ny tombontsoa iombonana.
Miverina lasa takalonainanâny raharaha maizimaizina ataonâny mpanao politika indray ny vahoaka. Ary na mbola resahina aza izany hoe fampihavanana izany dia zary lasa fanentanana poaka aty tsy misy fampiharana azo tsapaintanana.
Ahoana Ă ry no nahatonga izany ?
Antenimirem-pirenena tsy mahavita azy ary matim-bola
Toa mba nazava ihany ny raharaha taorianâny fifidianana filohanâny repoblika sy solombavambahoaka. Nisy ny maro anâisa tao aminâny Antenimiera, nahatratra vato 76 izy ireo ka ny solombavambahoaka 49 avy ao aminâny sokajy MAPAR (mpomba an-dRajoelina) ary ny 27 avy ao aminâny Sokajina Parlemantera Manokana, solombavambahoaka mahaleo tena (notanana ho tsiambaratelo ny anarany). Tsy henatra tsy tahotra fa avy hatrany dia nobodoinâio maro anâisa io daholo ny toerana rehetra, nanomboka tany aminâny anâny filohanâny Antenimiera ka hatrany aminâny anâny vaomiera parlemantera rehetra. Ny nanolotra ny kandidany ho Praiminisitra any aminâny Filohanâny Repoblika sisa no nandrasany, araka ny andininy 54 ao aminâny LalĂ mpanorenana. Dia nipoitra teo izany hoe PMP (Plate-forme pour la MajoritĂ© PrĂ©sidentielle), sokajy bemiray nahitana solombavambahoaka 95 avy amina antoko nifidy na tsy nifidy ny Filoha voafidy, nisy koa ny mahaleo tena (tsy nisy nambara ny anarany na iray aza).
Rehefa natambatra ireo maro anâisa roa momba ny filoha ireo, dia noheverina fa mahatratra 171 ny isanâny solombavambahoaka, nefa ny olona tsy nifidy afa-tsy 147 - nisy fifidianana 4 tsy maintsy naverina mantsy ! Mazava loatra, naonganâny PMP avy hatrany ramatoa filoha, ary raha vao tafapetraka ny birao dia olona vaovao miandany aminy tanteraka daholo no nofidiany. Izany hoe, nolaviny ilay maro anâisa voafidy (MAPAR), nataony izay hamoronana maro anâisa vaovao (PMP), nataony koa izay hananganana vondrona parlemantera HVM misy mpikambana 30 na dia tsy nisy afa-tsy tokana aza ny solombavambahoaka HVM lany, vokatrâizany ankehitriny ny fitondrana dia eo ambany vahohonâny vondrona solombavambahoaka afaka manao ny daninâny kibony ka ny tombontsoany sisa no mibaiko azy. Efa nisy fitsipaham-pitokisana roa narangaranga mba voasakana ihany, nisy fitakiana tombontsoa mihoa-pampana, misy solombavambahoaka mivarotra ny safidiny aminâizay mahatolotra (vola) be indrindra, izany no zavabita nandritra ny fivoriana voalohany nataonâny Antenimieram-pirenena.
Ny solombavambahoaka mantsy tsy natao hisahana asa sosialy any aminâny faripiadidiany (nefa dia izany no lazainy ho antony angatahany fanondrotan-karama) fa izy dia natao hifidy ny lalĂ nanâny Repoblika ary hanara-maso ny fanjakana mpanatanteraka.
Sahirana mafy ny Antenimera taminâny fivoriany voalohany vao afaka nankatoa volavolan-dalĂ na valo, saingy nisy raharaha lehibe sy maika hadinony : ny lalĂ na manitsy ny toe-bola sy ny fepetra hifehy ny fifidianana benâny tanĂ na tokony hatao aminâity taona ity. Ny fanemorana izany fifidianana izany ho aminâny taona hoavy dia tena fanitsakitsahana ny lalĂ na, satria efa roa taona izao no tapitra ny fe-potoana niasanâny mpitondra ny tanĂ na voafidim-bahoaka, ary mampiseho koa fiahiahiana ny olom-pirenena. Etsy an-daniny anefa dia fotoana lava dia lava no lany namariparitana indray ny tombontsoanâny solombavambahoaka : karama, tambin-karama samihafa, taratasin-dasantsy, fahana ho anâny telefona, fiara tsy mataho-dalana, pasipaoro diplomatika, sns. Noho ireny dongidongy ireny dia voatery hanao fivoriana tsy ara-potoana izay tena mandany volam-panjakana tsy hita noanoa saingy fidiram-bola mitondra tombony be ho anâny solombavambahoaka. Miharihary fa tsy mihevitra afa-tsy ny tombony ho anâny tenany manokana ry zareo ireto, tsy misy fantany ny mikasika ny andraikiny aminâny maha mpanao lalĂ na azy ho anâny tombontsoa iombonanâny firenena.
Inona no mety ho hita aminâizao savorovoro maizimaizina izao ? Iza ny solombavambahoaka sahy hampahalala ny olona nifidy azy ny safidy nataony taminâny anarany ? Iza ny tomponâandraikitra politika sahy hanery ny vondrona voatondro hamoaka ny lisitry ny mpikambana ao aminâilay lazaina fa vondrona maro anâisa ? Nefa dia izany no tamberinâandraikitra faranâizay tsotra indrindra tsy maintsy ataonâny olom-boafidy aminâny olona nifidy azy. Mbola loza lavitra noho izany, ireny fihetsika ireny dia mampiharihary ny ny tsy fahalalana ilay singa iray tena fototry ny demokrasia : ny fitohizanâny Fanjakana izay mitaky ny hiantsoroanâny fahefana ny asa natomboky ny teo alohany. Avy aiza Ă ry io haromotana hitsipaka izay rehetra vita teo aloha io ka hamerina ny zavadrehetra hatraminâny fotony indray ? Efa nanana fitsipika nifehy azy ny Antenimieram- pirenena : nahoana ilay izy no ovaina indray ? Efa nitombina tsara ny isanâny vaomiera parlemantera : nahoana no nampitomboina ka natao avo roa heny aminâny isanâny ministera ? Ireny kilalaon-jaza ireny dia mampiharihary ny tsy fahamatorana politikanâireto ambara ho solontenantsika vahoaka ireto. Indrisy anefa fa dia hita any aminâny sehatry ny fiainam-panjakana rehetra izany, na ny momba ny fitsinjarana ny ministera izany na ny fanoloana ny teknisiana ao aminâny fitondram-panjakana.
Fitondrana matavy resaka fa manify fiasa
Ny mampiavaka ny fitondrana Rajaonarimampianina aminâny fisantarany ny asany dia ny fitavozavozany rehefa manapaka hevitra. Tsy nofaritanâny LalĂ mpanorenana ny fe-potoana hanendrena ny Praiministra, dia tsy notanterahina izany raha tsy roa volana taorianâny nametrahana ny filohanâny Repoblika teo aminâny toerany. Toy izany koa, nihoatra ny roa volana ny ministra vao nahatsangana ny ekipa miara-miasa aminy. Nefa dia toa afa-po aminâizany ny fitondrana, sanatria ohatra ny tsy miraharaha ny andavanandronâny mponina sy ny tena olana mianjady aminâny firenena. Mandrakâandroany, ireo fivorianâny minisitra intsivy (18 avrily, 2 mey, 9 mey, 14 mey, 21 mey, 28 mey, 4 jiona, 19 jiona, 24 jiona) natao taorianâny nananganana ny governemanta Kolo Roger, dia natokana taminâny ankapobeny ho anâny fanendrena ny Mpiasam-panjakana Ambony.
Ankoatra ny fanokanana vola ho anâny toeram-piasana 10.000 ao aminâny ministeranâny Fanabeazam-pirenena ho anâny taona 2014 dia tsy nisy fiantraikany mivantana teo aminâny fiainanâny vahoaka malagasy 22 tapitrisa izay fanapahan-kevitra noraisina taminâizany na dia iray monja aza, io anefa no tena vaindohan-draharahany. Tsy misy na inona na inona natao mba hiteraka fitokisana, tsy misy na inona na inona natao mba hamelomana ny fanantenana fihavaozana marina fa dia vitanâny fampanantenana lava fotsiny. Sesimototra ny fanambarana sy ny kabary miendrika fampielezan-kevitra, izao anefa efa tsy fotoananâny fitaomana mpifidy intsony, saingy ezahina ny mba hiheveranâny
Malagasy fa tena miasa ny governemanta. Ndao anie hisintona ohatra vitsivitsy misongadina.
Ny raharahanâny andramena
Raha nandray ny fahefana ny filohanâny Repoblika dia nanambara fa handray an-tanana manokana ny ady atao aminâny fanondranana an-tsokosoko ny andramena. Nohizingizininy fa tsy handefitra intsony aminâny gaboraraka izy ary tsy hihambahamba hanafay. Taminâny 3 jiona teo, taminâny fanombohana ny fifanakalozan-kevi-pirenena momba ny Fitomboana maitso dia niteny mafy sy mazava izy hoe : « Hataontsika haza lambo ireny mpanondrana antsokosoko ireny, na aiza na aiza misy azy ». Nandritra izay enim-bolana farany izay anefa, vao mainka koa nitombo ny fanondranana io hazo sarobidy io. Nanomboka ny mey ka hatraminâny jiona, nahatratra 34 ny kaontenera nitondrana andramena 640 taonina tratra tany aminâny serananâi Mombassa, Kenya, 28 ny kaontenera nitondrana andramena 420 taonina tany Colombo, Sri Lanka, ary 3 000 taonina tany Singapour. Raha ny hita aloha dia toa tsy misy rototra hamongotra io zava-doza io, tsy misy mihitsy mantsy safidy politika tsikaritra mankaminâizany, fa ny tsapa dia toa miahotrahotra hampihatra ny fepetra tokony horaisina ny fitondrana - toy ny fisamborana ny mpanondrana an-tsokosoko izay mbola manohy manapaka sy manondrana andramena tsy aminâahiahy ihany. Misy tombontsoa manokana voatohintohina ve ka mampihambahamba ny fitondrana, araka ny siosion-dresaka mandeha etsy sy eroa ?
Ny didy navoaka manangana Komity iraisanâny ministera miandraikitra ny fanadiovana ny sampana andramena sy ny hazomainty dia tsy lany raha tsy taminâny fivorianâny ministra ny 24 jiona farany teo, ary asa na fifandrifianjavatra na ahoana, fa izany dia indray andro mialoha ny fivoriana faha-65 nataonâny komity maharitry ny CITES, tany GenĂšve, taminâio ny governemanta malagasy no nanolotra ny paikâadiny - izay tsy nahazo fankatoavana. Ilay paikâady notapahina dia ohatra ny natao vonjy tavanâandro fotsiny satria tsy nilaza afa-tsy ny fanapahan-kevitra mahonena handorana ny bolabola efa « lo » sy nangonina any aminâny faritra tsy misy lalana. Nefa dia ampy dia ampy ny seho marim-pototra ahafahana manokatra fanadihadiana sy mampiditra fitarainana hanenjehana ny tena « rangory fototry ny afo » 3.
Fahalalahanâny fanehoan-kevitra
Ny zava-misy rehetra dia manamarina fa sahirana ny fitondrana hiala aminâny fanao mahazatra ny politika nandritra izay am-polo taonany maro farany izay, na dia efa nampanantena rivo-baovao aza izy aminâny fitondrana ny raharaham-pirenena. Tsy tantiny mihitsy ny tsikera fa heveriny hatrany ho fanohintohinana. Ny vaovao an-tsary avoakanâny televizionam-pirenena, matetika, dia fitaterana fotsiny ny fandaharam-potoana sy ny dianâny mpitondra na eto an-toerana na any ivelany, na ny seminera sy ny dinikâasa mandrakariva mampatory andraisanâny filoha sy ny mpikambana aminâny andrim-panjakana anjara. Manamafy io firehana io ny nanafoanana ny feon-gazety ao aminâny TVM.
Ny asan-jiolahy
Iray aminâny vaindohan-draharahanâny fitondrana ny ady aminâny asan-jiolahy. Nisy ezaka natao raha tsy hilaza afa-tsy ny tetikâady « coup dâarrĂȘt » tany atsimonâny Nosy. Fa na dia nitarina nankany aminâny faritra hafa aza io tetikâady io dia tena mbola tsy voafehy mihitsy ny toe-draharaha, indrindra moa fa voalaza ho famonoana olona tsotra izao izany fahafatesana dahalo 89 izany fa tsy dia famerenana ny filaminana loatra. Any aminâny faritrâi Melaky dia mandry tsy lavo loha andro amanâalina ny mponina fa ampihorohoroanâny andian-jiolahy izay tsy mihambahamba intsony mamono ny saofera mba hanendahana ny mpandeha taksiborosy. Any aminâny tanĂ n-dehibe, ny takila voalohanâny gazety mpiseho isanâandro fotsiny dia efa ampy hahalalana ny fihanaky ny asan-jiolahy.
3 Tatitry ny fanadihadiana momba ny fivarotana eran-tany ny hazo sarobidy malagasy : andramena, hazomainty, voamboana, Global Witness et Environmental Investigation Agency, Inc. (Ătats-Unis), oktobra 2010.
Ny delestazy
Nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary taorianâny nisalorany ny andraikitra, ny filoham-pirenena dia nampanantena fa hanafoana ny delestazy ao anatinâny telo volana raha ela indrindra. Efa enim-bolana izay no lasa, nefa mbola mitombo hatrany ny fahatapahan-jiro, na eto an-drenivohitra izany na any aminâny tanĂ na lehibe any aminâny faritra.
Ny fiompiana an-drano
Ny sampana fiompiana makamba izay mpampidibola vahiny voalohany ho anâny firenena hatry ny ela be dia traboina tanteraka noho ilay aretina antsoina hoe white spot. Ilay ministra tomponâandraikitra ny aminâizany anefa mbola tsy niresaka na oviana na oviana anâio olana io.
Ny mpanohitra
Mbola andrasana foana ny famoahana ny didy fampiharana ny lalĂ na mikasika ny satanâny mpanohitra izay tsy isalasalana ny maha maika azy.
Mainâny afo natsangany ny Filoha
Noho izy nampitambatra tao aminâny governemanta ireo nanohana azy sy ireo nifanandrina taminy nandritra ny fifidianana filoha farany teo, noho izy nisafidy ny hanome toerana ny rehetra tahaka ireny hoe tsy hisy fiantraikany ara-politika ireny ny fifidianana solombavambahoaka, dia ny fitondrana ihany no nisantatra ny tetika nitondra ny tsimokâaretina hamono azy. Nety kokoa ho anâny mpifanandrina ara-politika omaly ny nirotsaka ho mpanohitra manorina, satria tandindomin-doza ny demokrasia tokam-pirehana raha tsy misy fanoherana tsara rafitra. Ny vokany dia ho voadidina mpanasohaso ny filoha. Ireo mpanararaotra mahazatra izay niseho lany taminâny fitondrana nifandimby dia tsy mitsahatra mitady voninahitra sy tombontsoa. Ireo mpitady toerana izay, arakaraka ny fandehan-draharaha, tonga teny aminâny manodidina azy akaiky, dia migoka ny tsironâny fahefana ankehitriny fa nahazo toerana misahana andraikitra ambony.
Noho izy miankina aminâny namana sy ny karilahy sy karivavy dia voafatotra tongotra aman-tanana ny Repoblika. Dia io fa tena fiverimberenana tsy misy farany tokoa ny Tantara.
Nataonâny Filoha ho vaindohan-draharaha ny ady aminâny kolikoly. Fa ny BIANCO ve (Birao Mahaleo tena Miady aminâny Kolikoly), izay ny filohanâny Repoblika no manendry ny Tale Jeneraliny, mba ho afaka hanao fanadihadiana hatrany aminâny fitondrana fara tampony ? Any aminâny sehatra hafa, dia noresahina, tato ho ato, ny fanambarana ara-potoana ny harena maintimolaly, izay takiana aminâny « sokajinâolo-manan-kaja ambony sy ny mpiasam-panjakana ambony sasany » (lalĂ na 2004-030) ary, araka ny andininy 41 ao aminâny LalĂ mpanorenana, ny Filohanâny Repoblika, ny Praiministra sy ny Ministra, ny solombavambahoaka sy ny loholona, ary ny mpikambana ao aminâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana. Fa hatao inona moa io tabataba eny aminâny haino aman-jery io, nefa voarara ny famoahana izany fanambarana izany? Ny dikanâizany dia ambara aminâny olom-pirenena fa tsy tokony hahalala ny momba ny harenanâny mpitondra azy izy, na dia hita izao aza fa tsy asa mendrika sy mifanaraka aminâizay takianâny lalĂ na mihitsy akory no nahazoanâny sasany harembe miavosa tao anatinâny fotoana fohy.
Toraka izany koa, misy ny fironana hizara ny tombontsoa avy aminâny fananana fahefana aminâny olona ao aminâny fianakaviany, izany dia manohitra izay kabary tsara lahatra indrindra momba ny mangarahara. Na ny fanendrena havana hisahana andraikitra izay tsy sahaza velively ny fahaizany, na ny fanararaotana hanome ho anâ ny olona ao aminâny fianakaviany ny tombontsoa sasany, toy ny fivoahana any ivelany, izany rehetra izany dia asa tokony hohelohina atao hoe nepotisma. Ny tomponâandraiki-panjakana izay mihevitra ny tombontsoanâny fianakaviany na ny fokony alohanâny ny anâny firenena dia mampiseho fa tsy mahalala izany tombontsoa iombonanâny besinimaro izany mihitsy izy na dia kely aza. Ekena aloha fa tena lalim-paka ao aminâny fomba amam-panaontsika mihitsy io zava-doza io, na any aminâny sehatry ny fanjakana na any aminâny tsy miankina ary manenika ny ambaratongam-pahefana rehetra. Tsy antony tokony hahatonga ny mpitondra antsika ho tsy azo kianina momba io toe-javatra io ve izany, ka izy mihitsy no hanome ny ohatra tsara ?
Ary farany, ny ankamaroanâny fahefana dia mivangongo any an-tananâny olona akaiky ny Filoha izay vovonana iadianâny lohany ao aminâny antokony dia ny HVM. Ny Minisi-Panjakana misahana ny Fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana ary ny Fanazariana ny Tany, ary ny Talenâny Kabinetranâny Prezidansa no mitantana ny antoko, ity voalohany no PrezidĂ nasionaly ary ity faharoa Sekretera Jeneraly. Ny mahazo toerana ao aminâny birao nasionaly dia ny Praiminisitra, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ary ny ankamaroanâny mpanolotsaina ny Filohanâny Repoblika. Misy manampahefana ambony manodidina akaiky ny Filoha sy ny HVM notendrena vao haingana ho mpikambana ao aminâny Filankevipitantanana ny Kompaniam-pirenena Air Madagascar. Hita aminâizany fa ny firafitry ny fitondrana dia namboarina hifanaraka aminâny teti-pifidiananâny HVM.
Lasanâio antoko io ny departemanta goavanâny ministera izay nahatonga ny ministera sasany ho anarany fotsiny toy ny lovian-tsahona sisa, toy izany koa ny ministera izay efa fantsakana politika ho anâny fitondrana rehetra nifandimby.
Raha tsorina dia miala anâAnkatso dia Ambohidempona, averina indray ny hadalanâny teo aloha.
Tapi-dalan-kaleha indray mandeha indray i Madagasikara, ny antonâizany indrindra indrindra dia ny tetika fa tsy dia ny politika fotsiny. Tena hadisoana ny mbola hanondro indray ho hany antonâio fikatsoana io ny fifandrafesanâolon-droa fotsiny na ny hambonâny sasantsasany - na dia marina aza fa izany no anisanâny antony lehibe nahatonga ny fitondrana ho tsy nahomby ka zary tsy nitokisana.
Mbola miverina miroborobo indray ny fanao ratsy efa nanakianana ny fitondrana teo aloha, porofo izany fa tena lalim-paka ilay aretina ary ny fisainana mihitsy ny voa. Tsy ampy ny manolo ny tomponâandraikitra, ny vaha olana tena izy dia any aminâny sehatry ny fahatsiarovan-tena ho olom-pirenena vanona sy ny fiheverana ny Firenena.
Antananarivo, 18 jolay 2014
SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Lot III R 45 ter Tsarafaritra, Tsimbazaza, Antananarivo 101
Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. Site Web : www.sefafi.mg