Ireo mpisolovava roa sy ny solontenan'ny fianakavian'ireo telolahy miasa ao amin'ny orinasa COPS, naverina vonjimaika any Tsiafahy
Raha tsiahivina dia nanamafy ny fanapahan-keviny taminâny 28 Septambra 2020, ny «Chambre de dĂ©tention prĂ©ventive» ao aminâny tribonaly ao Anosy ka naverina any Tsiafahy ireo telolahy voampanga taminâny famonoana nahafaty anâi Danil Radjan, teratany frantsay, teny aminâny «La City» Ivandry. Mialohanâio fanapahan-kevitra io, ary taorianâny nandefasan-dry zareo taratasy manohitra («Lettre dâopposition») laharana 1523 taminâny 29 Septambra 2020, dia nanao valan-dresaka ho anâny mpanao gazety ireo mpisolovava miaro anâizy telolahy (nalefa vonjimaika indray any Tsiafahy, ny 15 Oktobra 2020), ka sahy nampiady sy nanameloka ny mpanao gazety malagasy. Eny na dia hoe «sasany» aza, iray ihany izahay ary mifampiresaka foana.Ianareo no tsy «kĂŽpy»... Ity ary ny valin-kafatro.
O ry mpisolovava mpiaro («avocat Ă la dĂ©fense»), izay mbola tsy teraka akory dia efa nanao gazety ny tenanay a : aza mampiseho « raharahan-gasy » loatra ianareo fa manala-baraka tena fotsiny ihany. « Melohinay tanteraka ireo haino aman-jery manao procĂšs mĂ©diatique, manaiky atao fitaovana mba hanelezana vaovao tsy marina sy hanindrina fitsarana mba hanakonana ny marina aminâity raharaha ity », hoy ianareo.
Sady mampiady ny samy mpanao gazety ianareo ireo no milaza mazava fa dondrondra sy tsy misy saina ka mora rebirebena ny mpitsara malagasy. «ProcĂšs mĂ©diatique» hoe ? Ny tena dikanâio marina dia « instance cĂ©lĂšbre » fa aza miteniteny foana. «Lynchage mĂ©diatique» farafaharatsiny no tokony lazainareo. Nefa ny fanadiadiana mikasika io raharaha Danil Radjan io dia aminâio herinandro ho avy io vao hanomboka, fa ny fitsarana (« procĂšs ») mbola tsy fantatra mihitsy hatreto. Izahay, mpanao gazety, Tompoko, tsy mahay mamorona toa ny mpanao politika fa izay voalaza sy hita ary re no taterinay aminâny « opinion publique » voalazanareo. Maninona no mahay miantso mpanao gazety ianareo rehefa injay mba hanao fanambarana ?
Maninona no manabado olona aminâity hoe : « (âŠ) Na efa te-hiteny mafy aza izahay fa tsy meloka ny havanay, mba ho fanajana tsiambaratelonâny fanadiadiana sy ny fitandroana ny marina, dia ho andrasanay ny rariny tsy andrinâny hafa (âŠ). Efa miteny ianareo nilaza izany ary tsindry paingotra tsy misy toa izany ny hoe : « andrasanay ny rariny tsy andrinâny hafa ». Fantatrareo izany ireo « hafa » ka maninona no mitsara ivelanâny tsihy ? Sa izay tokoa ilay toe-tsaina gasy tsy mety afaka sy tsy mampandroso mihitsy ? Ho anao manokana ry Me Fano, maninona no tsy lazaina ny anaranao feno ? Sa « tsiambaratelo » koa izany ?
Maninona koa moa no tsy natao hoe : Ary apetrakay feno eo ampelan-tanĂ nâAndriamanitra ny raharaha rehetra, fa tsy : « Ary apetrakay feno eo ambaninâny fahendrenâny fitsarana ny raharaha rehetra » ? Ny raharaha fanaovan-gazety, Tompoko, dia mazava : « Le journalisme est l'activitĂ© du journaliste, qui consiste Ă recueillir, vĂ©rifier, Ă©crire et, Ă©ventuellement commenter des faits, pour les porter Ă l'attention du public dans les mĂ©dias (presse Ă©crite, radio, tĂ©lĂ©vision, Ntic, web). La protection des sources dâinformation du journaliste est garantie par la loi ». Rehefa tsy mahay teny frantsay (nefa mampiasa ny hoe « opinion publique », « prĂ©somption dâinnocence, expertise ADNâŠÂ ») dia ianareo ireo, mpisolovava mpiaro ireo izany, no mamorona, manao ny « interprĂ©tations » isan-karazany.
ZO sy adidinareo tokoa izany aloha satria MIARO ianareo. Izay no nanaramana anareo. Fa ny mahavariana dia rehefa fantatra fa ho avy ny « procĂ©dure miroir » izay nambaranâny Me frantsay Nicolas Goutx (ETO) vao mikoropaka ny gasy ? Nâiza nâiza voampanga tsy maintsy misy mpisolovava mpiaro rehefa misy ny mpitory. Raha tsy manam-bola ny voampanga (« accusé » na « inculpé ») dia misy ny « avocats commis dâoffice ». Izany hoe mpisolovava tendrenâny fanjakana hiaro ny voampanga, ary manarama azy mba hanajana ny zony. Satria tokoa -ary marina- mbola tsy meloka izay tsy voatsara. Io ilay « prĂ©somption dâinnocence » hainareo tenitenenina.
Fa dia nilaza indray ianareo izao fa « misy olona tsy fantatra ankehitriny mandrahona ho faty anay havana sy voakasika ity raharaha ity, na ny any am-ponja na ny tsy voatĂ na noho ny antony tsy fantatra ». Filazana toa izany indrindra no mampisavoritaka ny sainâny mpanara-baovao (ireo no atao hoe « opinion publique » ry zareo a !). Miampy ny hoe : Tianay ihany koa ny mampahafantatra sy anaovanay antso avo aminareo tomponandraikitra sy Malagasy mpiray tanindrazana ». Nianatra lalĂ na tokoa ve ianareo ireo sa tsia ka dia toa lasa dokam-barotra na « rĂ©clame » ilay fandrahonanâolona tsy fantatra ? Misy ny atao hoe « plainte contre X » ary ny « plainte de rĂ©serve ». Natao io sa tsia ianareo ? Asa akana ny fonâny Malagasy ihany no tanjona ? Malagasy izay olonâny⊠fo. Fa dia ianareo indray izany no ho sokajina mpampihorohoro raha alalinina.
Mba tsy ilazana fa mpandainga sy mpamorona izaho manoratra ity lahatsoratra ity dia io ambany io ny fanambarana feno nataonareo mpisolovava sy ny solontenanâny fianakavianâireo voampanga, eo aminâny sary, ny 15 Oktobra 2020Â :
« Fanambarana.
Manoloana ny fanosoram-potaka sy ny fanameloana sahady ny havanay, mahakasika anâItompokolahy Danil Radjan tao aminâny La City Ivandry, dia manao izao fanambarana izao izahay havanâireo mpiasa Malagasy telo mirahalahy nalefa any am-ponja vonjimaika sy ireo voarohirohy hafa otroninâireo mpisolovava.
Mbola an-dĂ lana ny fanadiadiana ary raha dia misy aza ny vamonjana vonjy maika sy ny fanaraha-masonâny fitsarana ny havanay, tsy mbola midika akory izany fa meloka ireo izay voarohirohy aminâity raharaha ity. Noho izany, melohinay tanteraka ireo haino aman-jery manao procĂšs mĂ©diatique, manaiky atao fitaovana mba anelezana vaovao tsy marina sy anindrina fitsarana mba anakonana ny marina aminâity raharaha ity.
Ampatsiahivinay ary takinay ny prĂ©somption dâinnocence sy ny zonâny voampanga mba tsy hanaovana sorona ny fahafahanâny havanay na hampanginana ny opinion publique izay voavilivily hatrany am-boalohany. Efa eo am-pelatĂ nanâny fitsarana avokoa ireo dradradradraina hoe porofo, vidĂ©os, sary sy ny sisa. Ary mahafaly anay ny filazana fa hisy ny fanaovana expertise ADN sy mpahai-tao vahiny handray anjara aminâny fanadiadiana.
Tianay ihany koa ny mampahafantatra sy anaovanay antso avo aminareo tomponandraikitra sy Malagasy mpiray tanindrazana, fa misy olona tsy fantatra ankehitriny mandrahona ho faty anay havana sy voakasika ity raharaha ity, na ny any am-ponja na ny tsy voatĂ na noho ny antony tsy fantatra.
Ety am-pamaranana, na efa te-hiteny mafy aza izahay fa tsy meloka ny havanay, mba ho fanajana tsy ambaratelonâny fanadiadiana sy ny fitandroana ny marina, dia ho andrasanay ny rariny tsy andrinâny hafa. Ary apetrakay feno eo ambaninâny fahendrenâny fitsarana ny raharaha rehetra.
Misaotra, Tompoko »./.
Me Fano iza marina ? Sa tsiambaratelo koa ny anarany ?
Ity indray ny ampahanâny fanambarana nataonâio Me Fano tsy nety nilaza ny anarany feno. Nianatra manokana mombanâny tsiambaratelo tokoa angaha izy ?
« (âŠ) Ny fitazomana am-ponja aloha, tsy voatery nanao aloha ilay olona vao hoe tazomina am-ponja fa antony maro maro no hitazomana olona am-ponja. Ohatra hoe resaka ordre public, na fiarovana ny ainâilay olona voarohirohy. Manana ny antony ny fitsarana matoa nanapakâhevitra hitazona am-ponja, dia manana ny motivation-ny ry zareo. Dia izay no averimberinay foana hoe mba ho fitandroana ny secret dâinstruction dia arahinay ny procĂ©dure aloha. Fa rehefa mizotra ny toe-draharaha, tonga ny fotoana hafahana mamoaka ny zavatra rehetra rehetra, ataon-tsika rehefa miravona ny zavatra rehetra, dia angamba hitondra firery vaovao sy fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny toe-raharaha ».
Sylvie Humbert dia mpaka sary ary Denis Salas sady magistrat no mpanao gazety «essayiste»
Fehiny avy aty amiko manokana : ianareo tanora eo aminâny sehatry ny fitsarana («magistrats», «avocats», «notaires», «huissiers»âŠ) : aza dia atao fanao loatra ny manenjika sy mampiady mpanao gazety satria raha tsy misy ireo anie ny fiainam-pirenena iray manontolo dia mikatso e ! Nisy ary mbola mitoetra ny zarazarao hanjakana eo aminâny sehitry ny fanaovan-gazety eto madagasikara. Fa eo aminâny lafiny ara-politika matetika fa tsy aminâitony raharaha famonoana olona ho faty itony. Farany : aza afangaro ny «publication» sy «publicité» ary aza atao tsinontsinona koa ny zonâny olompirenena hahazo vaovao mikasika toe-draharaha iray. Dia mba fantaro ihany hoe inona izany «chronique judiciaire» izany ary iza no manao azy io ? Sa resa-bazaha io fa tsy hidiranâny raharahan-gasy ?
Tsy mety ny lahatsoratra fa mitanila raha toa ka tsy apetraka ato aminâity lahatsoratra ity ny ampahanâny fanambaranâny mpisolovava mpiaro ny fianakavianâny maty novonoina ho faty dia i Danil Radjan. Mikasika indrindra ny fitsarana sy ny mpanao gazety. Ny ampitsonâio andro nanaovan-dry Me Fano fanambarana io (16 Oktobra 2020 izany), no nitafa taminâny mpanao gazety ny Me Sahalioth Raherimanana sy Me Miadana Ratsimba :
Me Miadana Ratsimba : «Fantatatray fa ny mpanao gazety dia mamoaka vaovao ny asany. Dia aleho ny mpanao gazety hanatanteraka ny asany antsakany sy andavany. Ary izahay dia mahita fa manampy ben y fitsarana ry zareo aminâny investigations izay ataony rehetra rehetra».
Me Sahalioth Raherimanana : «Ny voalohany aloha, tiako ho marihina dia aminâny zo fototra izany. Manana zo ny olom-pirenena rehetra rehetra hahalala vaovao misy eto aminâny tany sy ny fanjakana. Ary anisanâizany ny ao anatinâny fitsarana. Ary raha mahita isika, isanâny fototra lehibe na principe be ao anaty fitsarana, ohatra rehefa misy fitsarana ireny olona ireny, ny publicitĂ© anâny dĂ©bats, raha ohatra eo aminâny sehatra fitsarana. Ny dikanâizay, mba hiarovana ny fahamarinana sy afantaranâny be sy ny maro ny famahamarinana. Ary raha mijery ny zava-misy erakâizao tontolo izao isika, dia na ny mpanao gazety aza misy mihitsy ny manao spĂ©cialisation aminâny resaka chronique judiciaire. Ny dikanâizay, mba hafantaranâny olona ny vaovao. Vao aingana teo ireny mikasika ny fampihorohoana tany Frantsa.
Na ny anaranâilay olona aza dia hitan-tsika rehetra aminâny haino aman-jery eran-tany ary mivoaka daholo ny fizotranâny fitsarana hatrany aminâny fanaovana famotorana savaravona dia hitan-tsika fa mivoaka fa misy saisie natao tatsy, nisy perquisition natao dia izao no hita izao no tsy hita. Ka aminay izany aloha, tsisy mihitsy aloha, hatreto, ary tsy miheritreritra hanao izany izahay hoe : anao famoahana tsiambaratelonâny fitsarana. Na izany na tsy izany, ny fisianâny fampahalalana aminâny gazety koa dia antoka anankiray hizoranâny fitsarana sy hanampiana ny fitsarana.
Maninona moa ny polisy na ny fitsarana, rehefa manao ireny avis de recherches ireny dia mampitady olona ary efa lazainy eo sahady aminâireny fotoana ireny ny fiampangana ity olona ity na izao ny fiampangana iry olona iry. Marina fa raha voarohirohy, ny fitsarana no milaza farany ao anatinâio hoe iza no meloka na iza no tsy meloka. Fa na izany na tsy izany tokony mifarimbona ny rehetra hivoahanâny marina. Ny hivoahanâny marina izay no takinay, raha ohatra atao aminâny teny vahiny ilay izy : manifestation de la vĂ©ritĂ© sy ny justice rendue. Izay no tadiavinay ary tokony miara-mizotra aminâizay daholo ny rehetra».
Misy ohabolana malagasy milaza fa « Fisaka ny marina ka saro-patarina » (la vĂ©ritĂ© est tĂ©nue et difficile Ă trouver). Asakasakâizay tsy mazava sy tsy ampy fangaraharana ary koa miafina lava ao ambadikâizao tsiambaratelo isan-karazana izao ka na ny anarana azy tsy lazaina aminâny mpanao gazety.
Jeannot Ramambazafy