Marina fa efa nilaza aho fa mba hanao kely ilay antsoina hoe « trĂȘve de NoĂ«l » ka tsy hanoratra intsony aloha raha tsy aorianâny Krismasy 2020. Kanefa rehefa nahita sy nandre ny resaka nataonâingahy Hery Rajaonarimampianina, filohampirenena teo aloha aho, dia tsy misy hevitra fa tsy maintsy miaka-tsehatra ihany koa satria mihevitra ny vahoaka malagasy -izaho ao anatiny- ho badraodra daholo, araka ny fiteninâny Profesora Zafy Albert izay.
Araka ny voalazany dia ny volana marsa 2020 izy no niteny farany ho anâny vahoaka malagasy. Eny, ary daty marina dia ny 22 marsa. Resaka coronavirus taminâizay no nifantoanâny kabariny ka niantso ny firaisankina eo anatrehinâny fahavalo iombonana izy. Ary dia maro ireo Malagasy nihevitra fa tena hanampy aminâny fomba izay hitany fa mety ity filoha namorona ny antoko Hvm ity. Fa inona no teo ?
Nandritra ny sivy volana katroka (marsa-desambra) izy dia niletika tsy re maty tsy re velona. Na ny antoko noforoniny aza dia tsy hita izay mba nataony ho anâny mpiray tanindrazana afa-tsy ny naniry, ary mbola maniry loza ho anâny firenena, miaraka misalahy taminâny antoko Tim sy ilay hoe RMDM (Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny demokrasia eto Madagasikara). Taminâio 22 marsa 2020 io moa dia betsaka no nihevitra fa teto Madagasikara ihany ingahy Rajaonarimampianina satria ilay vidĂ©o hita sy re dia mampiseho rindrina fotsy aoriany.
Fa taminâity ankatoky ny Krismasy 2020 ity dia akory ny fahatairana fa dia ny « Tour Eiffel » ao Paris, France, no hita aoriany ! Fanaovana tsinonatsinona ny mpiray tanindrazana izany, Tompoko ! Io dia midika hoe : « Ici, câest la France ! ». Asa inona loatra no mibaiko ity filoha teo aloha ity rehefa mba manao zavatra. Tsy misy maharatsy ny mahatsiahy ny mpiray tanindrazana sy mirary soa ho azy. Kanefa maninona no manao fanahy iniana toa izao ? Any aminâny taninâny mpanjanaka ingahy io no milaza fa tia tanindrazana !
Inona moa no manakana azy tsy hody aty Madagasikara ? Miandry azy ny tranony aoTsimbazaza efa zary tsy misy mpikarakara intsony ka na ny sainam-pirenena aza dia lozotra izay tsy izy. Tsy mila sary izany fa minoa ahy ianareo. Mba namaky ny « commentaires » ao aminâny Facebook aho. Misy ireo misaotra, miantso ny fiverenany. Tsy hitanâireo io « Tour Eiffel » io. Ao kosa anefa no milaza ny hoe : « Misaotra eeee. Fa maninona no tour Eiffel no atao fond ? » sy ny « Mahay miteny rehefa tsy eo Ă ? Teo anefa tsy itako ze atao » ary ny « Mody be resaka sy be sinema indray rehefa avy nangalatra sy nampitondra fahantrana ny firenena, any aloha mihinana ny azo dia mody mamendrofendro fa mbola manonofy sy manimanina ny tongolon'i Ejipta ».
Raha ny vontoatinâny resany, izay soratra vakiana eo ambaninâny masony, ny asian-teny dia asa loatra : mbola mihevi-tena filoham-pirenena am-perinasa ve ity Rajao ity e ? Inona no nanaovana dokam-barotra mikasika ny vaksininâny covid-19 ? Sa izay no tena « mission » nampanaovinâny Frantsay azy ? Nisy tokoa ny « avant » ary hisy ny « aprĂšs » anâny valanâaretina. Fa taiza ianao « pendant » ary inona no mba nentinao nanampiana ireo mahantra maro eto an-tanindrazana, vokatry ny tsy fahaizanao nitantana ?
Ny rainao no Pasitora fa tsy ianao velively. Ny rahalahinao koa pasitora kanefa nangalatra. Azo porofoina izany fa aza misy maika mirediredy miaro eo. Ny marina dia mpaka fo ingahy Hery Rajaonarimampianina. Avy any Antsofinondry izy. Fantany tsara fa olonâny fo ny Malagasy ka alainy aminâny « sentiments » dia ireo tokoa fa mora manadino ny fomba nitantanany ny firenena. Vola anie izany nahodiny any amina banky any ivelany izany e ! Nefa dia tsy mahafoy na iraimbilanja akory hividianana kilalao ho anâireo ankizy ao Antsofinondry ao fa vokisana resaka mampibaribary ny maha « beaucoup paroles » azy. « Mampijoro sy mampitraka » ? Tsy vitanâny vava anie izany ry Rajaonarimampiesona e ! Tandremo fa tsy izaho no namorona io anarana io fa mandehana ianareo any ambany tanĂ na any raha te-hihaino izanyâŠ
Dia mbola ho gaga ve isika raha toa ka 8% ny isan-jato azony taminâny fiodinana voalohany taminâny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ? Ho anâireo kely loha hitondra any am-pasana ny hoe « mpangala-bato i Andry Rajoelina » dia tsotra : aty Afrika, Tompoko, dia ny mpitondra no afaka mangala-bato izany satria eo am-pelatanany ny fitaovana sy ny olona ary ny rafitra momba ny fifidianana. Ka aminâny fomba ahoana moa no nafahanâny Mapar, ivelanâny fitondrana, nangala-bato taminâny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ? Tsy ny antoko Hvm ve no natanjaka indrindra, araka ny filazanâingahy Rivo Rakotovao, Filoham-panjakana mpisolo-toerana taorianâny nametrahanâingahy Rajaonarimampianina fialana araka ny Lalampanorenana ?
Fiodinana voalohany dia kofona ingahy kandida laharana faha-12. Ny tena marina ry zareo dia ity : ny antoko Hvm teo aminâny fitondrana no nangala-bato. 5% ny isa tena azonâi Hery Rajaonarimampianina fa nakarina ho 8% satria nahamenatra ilay isan-jato. Tsy tafaverina any aminy akory ilay vola « caution », satria ireo mahazo 10% ihany no mahazo « remboursement ». Tsy nisy nahazo io isan-jato io ny kandida miisa 34 ivelanâi Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Mbola tsy fahita manerana ny Afrika izany filoha tao am-perinasa tsy tafakatra fiodinana faharoa izany. Ny sisa resabe, fa ny Tantara tsy hamela izany Marina izany.
Raha nirary soa ho anâny vahoaka malagasy aminâny fo madio izy, ka tsy nisyihany koa io « Tour Eiffel » io aoriany, dia fisaorana no nomeko azy satria tsy manadino tokoa izy. Eny na dia resaka aman-taoniny fotsiny ihany no natolony. Fa tsy izany no tsapa. Olona miana-kendry no hita sy re. Olona be kajy kanefa nampidina ny laharanâny firenena malagasy ho faha-dimy aminâireo firenena mahantra indrindra maneran-tany. Izany dia tao anatina fotoana fohy ary tsipihina fa tsy nisy izany coronavirus izany teto Madagasikara. Mihevitra izy izao fa nahatontosa adidy ka afaka hanao « rĂ©veillon » milamina miaraka amin-dry Henry Rabary-Njaka sy Jean de Dieu Maharante ao Paris izy. Dia aza adino ary fa na mpamosavy mandeha alina asa misy mahita e ! « Aoka ny fitsarana tsy hitongilana na hitanila fa hampiatra kosa ny tena rariny sy ny hitsiny ». Izay izany no nahatonga ny fitondrany nanmorona ilay andininy faha-146 aminâilay lalĂ na 2014-043 manome fahefana ny Solombavambahoaka ho lasa mpitsara ny mpanao lalĂ na.
Aza maika ianao Rajao fa tsy avelanâny fahamarinanâny Tantara ho afa-bela eo ianao. Tsy ho voafafanao daholo ny porofo rehetra nanaovanao ampihimamba ny volam-bahoaka. Ireo mpampindram-bola ireo ihany no hamoaka izany fa manaova aloha ianareo Krismasy lavitra anay gasy nampahantranao eto Madagasikara. Tsy tezitra aho akory fa zendana aminâny fasahianao miantsy ny vahoaka tsy mandady harona mbola abadonao hatraminâizao. Adinony tanteraka fa ny teny (sy ny lainga) toy ny salala ka ny tompony ihany no afatony, fa ny mangina kosa volamena. Aza adino ry zareo no mividy ity a ! Vao nanomboka ny taona 2014 dia taratra fa mpitondra handiso fanantenana goavana. Mbola ho avy ny fizarana faharoa mafonja kokoa. Ho Tantaram-pirenena marina mipetraka mandrakizay.
Jeannot Ramambazafy