]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Hary Limo Andrianjafy. Ilay vazaha taratasy 70 taona miana-kendry ho very faty ao Frantsa

Hary Limo Andrianjafy. Ilay vazaha taratasy 70 taona miana-kendry ho very faty ao Frantsa

Io hitanareo amin’ny sary izany vazaha taratasy izany, izay 70 taona amin’ity 2022 ity. Miana-kendry nefa tsy mieritreritra izany hiverina aty Madagasikara mihitsy ka ho very faty ao Frantsa ao. Izany rehefa ratsy namana ka entin’i Marc Randrianisa “lalin-tsaina”, zandriny 10 taona be izao, amin’ny volony lava be io ka tsy mandini-tena intsony. Asa koa raha mba manam-bady aman-janaka. Aleho ho hitan’ny havany eto, araka ny fiteny. Ary ny marina dia mety tsotra kely: mandoto rano fotsiny ihany noho ny fitiavam-bola kely sy fankahalana.


Hary Limo Andrianjafy na Ralimo no anarany feno. Ny 22 janoary 1991 -efa ela izany ry zalahy, satria 38 taona izy tamin’izany!- dia nanangana ilay trano fisakafoanana (“restaurant”) “Le LĂ©murien de Madagascar” ao amin’ny 5, rue Sadi Carnot ao Montrouge, akaikin’i Parisy, izy.

Ary nanangana ihany koa orinasa iray mitondra ny anarana hoe “Le LĂ©murien”. Tsy nisy aretina covid-19 tamin’izany kanefa tao anatin’ny 18 taona dia nikoroso ny fitantanany io ““Le LĂ©murien de Madagascar”. Any ka ny 13 marsa 2019 dia nikatona noho ny tsy fahampian’ny vola miodina (“ClĂŽture pour insuffisance d’actif”). Fa ny taona 2010 izy efa tratry ny “redressement judiciaire” izay niafara tamin’io fanakatonana io. Sivy taona izany i Ralimo no nitsipozipozy tao.


Dia tonga ny covid. Dia tafiditra ao amin’ireo vazaha frantsay “misotro ronono” ity Ralimo ity. Ny any Frantsay misy karazana maro ny “allocations” (fanampiana ara-bola) omen’ny fanjakana. Ohatra : ny ARE -“Allocation chĂŽmage d’aide au retour Ă  l’emploi”- (ohatra). Maro ny Malagasy misitraka izany any
 Inona ary no nitranga tamin’ny fiainana no nahatonga azy tena mahavita manompa sy manozona olona, nefa milaza tia tanindrazana, ka nahavitany nanangana ny fikambanana hoe “Ravao io ColisĂ©e io !”, izay izy no Filohany ? Ny tena mampalahelo ahy amin’i Ralimo dia izao : ny mpampirisika, na eto Madagasikara na any ivelany any, dia manana ny fiainany milamina, tsy “mitolona” raha tsy ny zoma sy/na sabotsy.

Fa Andriamatoa Hary Andrianjafy (io kosa tsy azo fafana ka ho soloina anaram-bazaha frantsay) dia nijanona “hippie”-ny taona 1970 nefa efa izy izao no 70 taona. Modian’ireo fanina izy atsy ho atsy.

Ity misy sosokevitra Ralimo a ! Ravao ny ColisĂ©e satria “patrimoine national” izy io, hoy ny Unesco ? Efa frantsay an-taratasy ianao dia mandehana koa mamorona ny fikambanana: “Ravao ny ascenseurs ao amin’ny Palais de Versailles”, satria koa “patrimoine national” ary tsy nisy izany tamin’ny andron’ny mpanjaka Louis XIV. Zonao koa izany ry vazaha taratasy.

Ireto telo mianadahy zokiolona ireto dia efa nandany 13 taona be izao "nitolomana"

Nefa asa aloha fa azy ny azy e ! Ny anjarako dia ny mametraka raki-tsoratra ho an’ny Tantara. Olona toa itony tsy azo avela adino amin’izao fotsiny. Te-halaza izy ? Tokony isaorany aho. Na izany aza dia tsy Marc Randrianisa ary Fanirisoa Ernaivo (hivoaka tsy ho ela ny boky iray mamontoloa momban’ity mpitsara voaraoka noho ny nataony ity) sy ny forongony ihany no hoe “Diaspora malagasy” ao Frantsa ao. Ka noho ny fandrahonana sy ompa isan-karazany nataon’ireo olom-bitsy Gtt teo aloha izay nahazo taona fa tsy mety tonga saina mihitsy, dia namoaka fanamarana toa izao kosa ireo fikambanana miaro ny Filohampirenena amperin’asa amin’izao fotoana izao, dia Andry Rajoelina :

FANAMBARANA


Tohina ny fo ary malahelo manoloana ny fihantsiana ady, fifofoana aina ataon'ny Malagasy vitsivitsy, ondry very, teto Paris ny 24 Aogositra 2022, nanoloana ny Masoivohom-pirenena Malagasy eto Frantsa.

Tezitra ihany koa ary mijoro mampahafantatra fa tsy adala na ondrakondrafana daholo akory ny Diaspora Malagasy rehetra fa misy ny mitandro ny Soatoavina nananan'ny razantsika na aty lavitra aty aza., na dia eo aza ny tsy fitovian-kevitra manoloana ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Ho setrin'izany, izahay manao sonia etsy ambany, misolotena ny fikambanana misy anay tsirairay avy, na ny tenanay manokana, dia manao izao fanambarana izao :

- Melohinay tanteraka, na amin'ny fomba inona n'a amin'ny fomba inona ny fanimbazimbana ny hasin'ny vahoaka Malagasy amin'ny faniratsirĂ na sy fifofoana ny ain'ny Filoham-pirenena Malagasy sy ny ankohonany, ary ireo tompon' andraikitra isan-tsokajiny.

- Toherinay amin'ny feo hentitra ny famitaham-bahoaka ataon'ireo fohy fisainana amin'ny fanodinana ny tsy fahombiazana ara-politika ho lasa asan- jiolahy. Ireny fihetsika ireny dia porofo mitohaka amin'ny tenda fa tsy henoin'ny vahoaka izy ireo na dia manantena ny hamboly korontana sy ady an-trano aza.

Noho izany dia :

- Manainga ny Malagasy tsirairay izay mandala ny fomba amam-pahendrena maha isika antsika mba ho mailo sy hiaro ny firaisam-pirenena amin'ny fomba matotra sy milamina.

- Manainga ny tompon' andraikim-panjakana Malagasy mba hanao ny asany ka hitady ny vahaolana rehetra hifehezana ireny olona fahavalon'ny filaminana sy ny firahalahiana ireny, na any an-tanindrazana na aty dilam-bato.

- Mankahery tsy misy fepetra ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, mba hanohy hatrany ny ezaka efa natombiny tamin'ny fahefana nomen"ny vahoaka azy ho fanarenana sy fampandrosoana an'i Madagasikara.

Ady hevitra sy asa mivaingana fampandrosoana ny Tanindrazana no mendrika ny Diaspora sy ny Malagasy rehetra fa tsy herisetra na habibiana, toy izay mety efa mahazatra ny sasany.

Firaisan-kina kina sy Fifanomezan-tanana no ilaina himasoana, fa tsy ady saritaka sy vono olona.

Ny hendry mody voky, hoy ny Ntaolo Malagasy, fa ny adala manesika ihany. Na izany aza dia "Vonona" mandrakariva ny tenanay hiaro ny zava-bita sy ny vokatra azo amin'ny firosoana marina makany amin'ny tena demokrasia sy ny fisandratana.

Masina ny Tanindrazana


Eric Hobialy RANISARIVELO, Filoha lefitry ny TGV extérieur

Fiatoae RANGERS, Filoha lefitry ny TGV extérieur

Andrianome RAKOTOMANANTSOA. Filohan'ny TEM

Andrianasolo RAMAMBAZAFY, mpiray Tanindrazana (Ny anarana, Tompoko, tanim-boanjo)

 

Lahatsoratr’i Jeannot RAMAMBAZAFY ho rakitry ny Tantaram-pirenena malagasy

 

Mis Ă  jour ( Samedi, 27 AoĂ»t 2022 17:42 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO