]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles RIVODOZA FREDDY FEBROARY 2023. AVY AIZA IO ANARANA IO?

RIVODOZA FREDDY FEBROARY 2023. AVY AIZA IO ANARANA IO?

Na tiana na tsy tiana, satria mbola ao anaty fahavaratra isika, fotoanan’ny orana sy ny fiavian’ny rivodoza, dia voalaza ary hitan’ny zana-bolana fa tsy maintsy hiditra eto Madagasikara ilay rivodoza nampitondraina ny anarana hoe Freddy.

Eto isika dia tokony manontany tena hoe avy aiza ary io anarana io ?


Satria TSY AO ANATIN’NY LISITRA EFA NOMANINA MIALOHA momban’ity taona 2023 ity. Raha ny F izany dia tokony FABIEN no anaran’io rivodoza Freddy io ary ry zareo avy atsy amin’ny nosy Maurice no nanome io anarana Fabien io. Jereo ny lisitra. Fa raha i CHENESO namela takaitra ho an’ny Malagasy dia ao ary avy atsy Botswana no nanome io anarana io.



Ity rivodoza Freddy ity izany dia tena tsy fanta-piaviana arz-bakiteny. Ary lazaina fa ho loza be… ho an’ireo tia sy/na mijery sarimihetsika misy maneran-tany dia mahatadidy tsara ilay horonan-tsary notontosain’i Wes Craven (avanana amin’ny sarimihetsika « horreur ») ny taona 1984 mitondra ny lohateny hoe : FREDDY: LES GRIFFES DE LA NUIT. « Série » izy io ary nisy horonan-tsary enina nifarana ny taona 2003.

Taminy taona 2022 dia ny karana no nampiasa io anarana FREDDY io nanohy ny asan’i Wes Craven.

Fa rehefa nikaroka aho dia izao no niavian’ny anaran’io rivodoza « F » io. Ny sampandraharaha avy any Australie no nanome io anarana FREDDY io, ny 6 Febroary 2023. Alohan’ny nidirany taty amin’ny faritra jeografika misy antsika.


Raha ny fandalinan-dry zareo dia hitovitovy amin’ny fandalovan’ny rivodoza Litanne (1994) sy Eline (2000) teto Madagasikara ny fandalovan’io FREDDY io izay hiditra eto amintsika ny amin’ny Talala 21 Febroary 2023 eo anelanelan’ny Toamasina sy Manakara.


MAILO HATRANY DAHOLO MIHAINO RADIO SY TELE !

Liana mikasika an-dry Litanne sy Eline ianareo ? Aza miala aminy madagate ary !

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 20 Février 2023 11:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO