]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Zaza Malagasy: kilalao avy any Amerika nozarain’i Olga Ramaroson

Zaza Malagasy: kilalao avy any Amerika nozarain’i Olga Ramaroson

Raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe : »Misaotra tompoko o »

Akoho misotro rano , na be na kely ao, avy angé tazano diniho sy jereo

Fisaorana no ataony, ny avo no andradraina, ry ankizy mba misaina ambaka ve ianao ?

Saika io avokoa no ambetin’ny teny nentin’ireo ankizy rehetra, nandalovan’ny Minisitry ny Mponina sy Raharaha sosialy, Olga Ramaroson, nandritra ny fitetezana ny faritra, nentina nizarana kilalao ho azy ireo, tamin’iny herinandro lasa iny.


Nosantarany ny fizarana izany tany amin’ny faritra DIANA izay nahitana ankizy miisa 250; nitohy tao SOFIA (ankizy miisa 250) ary nizotra tao Mahajanga tampon-tanàna nahitana ankizy 400, dia nitohy tao Marovoay (200) sy tao Ambato Boeny (200).


Navoitran’i Ramatoa Minisitra hatrany ny tokony anana’ireo ankizy fahendrena manaraka ny tenin’ny Raiamandreny, ary indrindra ny tsy hanadinoana ny fivavahana. Ilaina, hoy indrindra ny tenany ny ankizy tia firaisankina, tia namana, toy izay nataon’ireo ankizy any Amerika izay nanome ireto kilalao ireto.


Ireto kilalao ireto tokoa mantsy, raha tsahivina, dia fanomezana avy amin’ireo zaza any Amerika izay eo amin’ny 5 taona ka hatramin’ny 14 taona. Ny vola tokony atao “ goûter” no nangonin’izy ireo ka nividianany kilalao, ankanjo, kiraro, fitaovana fidiovana sy ny maro samihafa. Avy eo dia nataon’izy ireo anaty boatin-kirarao izay nangonina tamina toerana iray tao amina fiangonana miisa 37 tany Amerika.


Avy eo dia natao tao anatine kaontenera ireo boaty misy kilalao ireo ary nalefa aty Madagasikara, amin’ny alàlan’ny Ong TAK na ny Tetik’asa Ankizy Krismasy, izay Andriamatoa Randriamalala Alain no Filoha nasionaly. Ity Ong farany ity indray no miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Mponina ka manatontosa ny fomba famoahana ireo kilalao, ary mizara izany ho an’ireo ankizy sahirana manerana ny nosy.


Raha amin’ity taona 2012 ity dia nahatratra 37 ny isan’ny kaontenera tonga izay ahitana kilalao miisa 7000 isaky ny kaontenera. Izany hoe: afaka hahazo izany kilalao izany avokoa ny ankizy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara.


Na dia eo aza anefa ny famporisihana ny ankizy ho hendry, dia tsy adino ny nanentana ny raiaman-dreny mba hampianatra ny zanany, eny na dia ny falalam-pomba fotsiny ihany aza.


Tamin’ireo toerana nolalovan’ny Minisitry ny Mponina nanaovana izao fizarana izao, dia tsikaritra teny amin’ny hendrik’ireo zaza ny aravoana, satria dia nitombona tao anatin’ny fialan-tsasatra ny fizarana ny kilalao , izay fotoana ahafahan’ireo zaza milalao izany kilalao izany.


Tsiahivina fa nanomboka ny zoma 20 Jolay 2012 lasa teo ny fizarana ireo kilalao avy any Amerika ireo ka tao amin’ny fiangonana katolika tao Namontana no natomboka.

Soratra sy Sary : Andry RAKOTONIRAINY – Zoma 17 Aogositra 2012

Mis à jour ( Samedi, 18 Août 2012 05:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety