]
Les quotidiens du 04 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mahamasina: tao no nankalazana ny Andro iraisam-pirenena 2013 ho an’ny Vehivavy Faritra Analamanga

Mahamasina: tao no nankalazana ny Andro iraisam-pirenena 2013 ho an’ny Vehivavy Faritra Analamanga

NY FANDEMEN-TSAINA, NY FANERENA AMIN’NY FIHETSIKA ARY NY TSY NIFANARAHANA DIA MBOLA AZO SOKAJIANA HERISETRA AVOKOA

«Fanamby hifanaovana fampitsaharana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy. Ho tanterahantsika izany». Saika nifantoka tanteraka tamin’ireo fijaliana manjo ny vehivavy ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an’ny Vehivavy, no any lahateny navoitran'ireo izay nandray fitenenana. Saika nitanisa ireo karazana herisetra izay atao amin’ireo vehivavy daholo.

Raha ny teto Analamanga manokana dia tao amin’ny kianja ben' Imahamasina no nifampitaona ireo vehivavy rehetra, izay nahitana fikambanam-behivavy maro raha tsy hitanisa afa tsy ny fikambanan’ny vehivavy polisy; ny vadin’ny miaramila ao aamin'ny Faritra voalohany (RM1); ny vehivavy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra; ny fikamban’ny Andriambavilanitra FIAMA, ary indrindra moa fa ireo vehivavy miasa eny anivon’ny sehatra samihafa toy ny birao sy ny hafa koa...

Ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina, izay nitondra ny hafatra avy amin’ny Minisitry ny Mponina, dia nametraka ny maha zava-dehibe ity fanamarihana ity. Navoitra tamin’izany hafatra izany ary fa matoa mbola misy ny fanamarihana toy izao dia mbola midika izany fa mbola tsy foana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ary mbola manjaka ny tsy fitoviana sy fanilikiliana eo amin’ny fiaraha-monina.

Ny tena mampahory indrindra dia eo amin’ity fampiasana ny herisetra sy habibiana isan-karazany eo amin’ireo vehivavy. Vao tsy ela akory dia niara-nihaino tamin’ny haino aman-jery samihafa ny famonoana nataon’ireo tsy mataho-tody ny Masera Emmanuel tany Mandritsara. Tsy lazaina intsony fa saika isan’andro dia hita amin’ny gazety ny herisetra fanolànana miampy famonoana mihitsy ireo vehivavy, zaza. Tsy tanora, tsy lehibe fa iharan’izany avokoa. Noho izany indrindra no mbola hanamafisana entoana ny fanamby hitsaharan’ity herisetra ity, satria raha mbola misy tsy nifanenkena na fanerena atao amin’ny vehivavy, na amin’ny fihetsika, na fandemen-tsaina dia mbola herisetra avokoa izany.

Izao fanamarihana izao ary dia ho fampiraisan-tsaina ny rehetra, sy ho fanamafisana fa mitovy zo ny rehetra, ary tokony hisy fampiharana ireo fanentanana sy atrik’asa rehetra natao momba ity herisetra ity, fa tsy hijanona ho fanabeazana fotsiny.

Andriamatoa Edgard Razafindravahy, PDS'ny tanànan'Antananarivo ihany koa dia nanamafy ny herisetra mahazo ny vehivavy, ary naneho ny fiombonan-tsainy sy fiarahana hiadiana amin’izany herisetra izany. Tsy vitan’ny hoe manentana fotsiny, hoy indrindra ny PDS, fa somary nasitsiaka mihitsy azy tamin’ireo lehilahy: «Mba aoka izay ny herisetra, fa tsy sahaza ny lehilahy ny mampijaly vehivavy, tsy fanirian’ny vehivavy mihitsy ny herisetra izany, satria loharano nipoirana izy ireo: rahavavy, anabavy, reny izy ireo. Misy adidy sy andraikitra tokony horaisina manoloana izany, ka izany dia miainga dieny izy ireny mbola zaza, dia iny fanabeazana ho entina aminy iny no hitaiza azy mandra-pahalehibeny».

Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia nanamarika ny fanamarihana ny fampisehoana an-kira nataon'ny mpanakanto vehivavy toan’i Fara Gloum, Mamy Bastà ary Willah. Teo koa ny fanaovana ny fanatanjahantena izay malaza amin’izao fotoana izao dia ny «Zumba» izany.

Ny teto Analamanga moa dia ny Tale iraisam-paritra ny mponina Analamanga, Andriamatoa Rakotonirina Angelo no tompon’ny fanomanana ny fanamarihana niarahany tamin’ny Kaominina. Indrisy anefa fa adin’iray mialoha ny fanomanana ny hetsika androany dia nahazo antso an-tariby ny tenany fa nindaosin’ny fahafatesana ny zanany vavy matoa. Mialoha ny fanamarihana dia nisy, araka izany, ny iray minitra fahanginana ho fiaraha-miory amin’ny ity Tale ity.

Marihina fa any amin’ny Faritra Bongolava no nanaovana ny fanamarihana ofisialy ity Andron’ny Vehivavy ity, tany an-toerana niatrika izany ny Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, Ramatoa Olga Vaomalala Ramaroson.

Ankoatra ireo dia samy nànana ny fomba fanamarihana izany ny faritra rehetra manerana ny Nosy.

 

Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Vendredi, 08 Mars 2013 22:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO