Â
PEJY DOKAMBAROTRA REHEFA TSY NAHOMBY NY "ADY GASY" TAO AMIN'NY TVM. NY IRAY MIGADRA SATRIA NANGALATRA (Nivo Ratiarison izay mitsosotra any amina hopitaly iray); NY FAHAROA VOADAKA (ny minisitra Vonison Andrianjato). Amanâhetsiny ariary ny vola lany taminâio pejy iray miloko io. Maty ny asan-gazety fa izay tiany ambara no amenoany io pejy io satria nialĂ na vola. Ary tsy gazety iray na roa⊠Hatramin'ny oviana? Ato aminy madagate.org aloha maimaim-poana e!
Niavaka tokoa aloha io olona manao solomaso fotsy io e. Fa inona tokoa moa ny vitany raha oharina an-dry Tsiranana, Ratsiraka, Zafy sy Ravalomanana? EPP, tranom-boky sy paompin-drano. Ny sisa, zavatra notokana nefa tsy vita hatramin'ny farany akory. Ary dia mihevitra ny hilatsaka hanao "mandat" faharoa indray, "hamita ny tsy vita". Tantara efa hita sy niainana izany, ary ratsy foana ny fiafarany
Mino ihany aho fa avy any aminâi Rolly Mercia (eo ankavia indrindra io ambony io), ilay nodakana dia nantsoina indray (hafa ny azy ny tena tarigetra, tsy omen-tsiny), ilay hevitra. Inona hoy ianareo? Efa ho efatra taona be izao, taorianâny naha filoha anâi Hery vaovao, vao hoe azavaina, hono, ny fomba fiasanâingahy filoha, izay « tsy mety mipaka eny aminâny Malagasy tsirairay » e!
Dia mividy pejy iray manontolo amina gazety eto an-toerana mihitsy anie mba hanazavana izany e! Asa raha voavakinareo io ambony io fa raha izaho manokana, aminy maha olom-pirenena malagasy nifidy azy dia tsotra: tsara fa tara! Toa vao maika koa mandetika ity filoha ity ao anatinâny tontolonâny lainga tsara lahatra ilay izy.
Tsy mahalala na tsy mahatadidy? Ny "H" na Haitso dia milaza zavatra mbola ho atao. Izany hoe mbola any an-kibon'omby mandrapaha-tontosany. Mazava izany fa fsy ampy an'i Hery vaovao ny dimy taona Hanatontosana ireo. Ka dia miomana daholo fa hilatsaka ingahirainy ary hiditra amina zava-doza indray ny firenena malagasy. Satria hala-bato "en vrac" no hitranga...
Ny tokony ho izy anie dia tsotra e. Iza no nifidy azy? Taminâny alalĂ nâny inona ary mitoetra eo aminâinona? Ny vahoaka no nifidy azy taminâny alalĂ nâny fifidianana voafaritry ny Lalampanorenena. Io farany io no nanaovany fianianana fa ho hajainy sy tandremany toa ny anakandriamaso. Ary izy izany dia mpiasanâireo vahoaka ireo izay NAMPINDRANA ny fahefana azy satria ny vahoaka ny Andriamanjaka («Le peuple souverain»).F'inona no teo, nanomboka tamin'ny andininy faha-54?
Ka aiza ho aiza ao anatinâio dokam-barotra io ary no misy hoe niera taminâny vahoaka izy, (aminâny alĂ lanâny solombavambahoaka) taminâny nanaovany ireo fifanarahana manome vahana ny vahiny, mba tsy tenenina hoe nivarotany ny tanindrazana iombonany fa tsy lovan'ny ray aman-dreniny? Tsy misy fierĂ na fa mandeha any ivelany tsy mampilaza, miverina eto tanindrazana toa mpangalatra, na olona nanao ratsy, ary avy any vao milaza fa nanao izao sy izao aminâny anaranâny vahoaka malagasy.
Aminâny teny frantsay moa dia hoe «Le pĂ©dagogue incompris». Izany hoe ilay mampianatra saro-pantarina. Ka tsy mampianatra anie na mpikaonty volanâolona no nilainâny vahoaka malagasy fa mpitondra firenena manaja ny Lalampanorenana e! Tsapa ao ambony ao va efa alam-bahoaka tanteraka izy dia misy mampandroso hevitra diso hanadiovan-tena. Raha tsy izany ve tsy ho taomina amina «camion» ny mpianatra tany Antsiranana e? Fa Firy koa moa ny Malagasy mahavidy gazety aminâizao vary efa 3.000 ariary Mahery ny kilao? Ny vidin'ny lasantsy aoka fotsiny... Revin-gadra ny anareo ao ambony ary mampibaribary fa tsy hitanareo ny anaovana ny volam-bahoaka.
Nankaiza ilay minisitry ny Vola tamin'ny tetezamita niaraha-mitantana (tao daholo ny ankamaroan'ny antoko politika misy eto Madagasikara), sady mihaino olona no henoin'olona? Toa mampanofy... ratsy amin'izao fotoana izao. Tsy itokisako intsony mandrakizay ho doria ity Hery Martial ity. Fa entiny ho aiza hono ireo volabe azo ao ambonin'ny lamosin-dRamalagasy?
Mitodika aminao manokana aho râingahy «expert-comptable» mitomany «pĂ©dagogue incompris»: Sao dia ataonao hoe vendrena ary ny vahoaka tsy mandady harona. Fa io fanadiovan-tena io dia midika zavatra iray ihany koa: tena hirotsaka ho fidiana mihitsy izy aminâny taona 2018. Tsotra ny teniko efa nahita sy niaina ny repoblika rehetra nisy teto Madagasikara sy ireo filoha voafidy : aoka etsy! Hiandry hisy Malagasy maty firy vao ho tonga saina? Aza mihevitra mihitsy hoe satria, hatreto, mbola zakanâny vahoaka ny vidim-bary sy ny vidim-piainana ankampobeny ka dia toa omby entina any amina labatoara izy ireo. Eo aminâny ora tsy ampoizinao no ho avy ny patsa be tsy omby vava ho anao sy ny manodidina anao. Tsy mpaminany aho fa samia ela velona hahita azy.
Jeannot Ramambazafy â 3 Mey 2017