]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mahajanga. Kolikoly mibaribary ataon’i Eric Razafimandimby, minisitry ny Asa vaventy

Mahajanga. Kolikoly mibaribary ataon’i Eric Razafimandimby, minisitry ny Asa vaventy

Dia mia-mazava tokoa fa tena maizin-tsaina mihitsy ity fitondrana ity. Ny senatora voafidy tao amin’ny faritan’i Mahajanga no manao izao am-pamoaka mahatsiravina izao, mikasika ny minisitry ny Asa vaventy « vaovao » dia i Eric Razafimandimby. Tena fivarotana tanindrazana tsora izao. Tsy ho hitanao sy ho renao ao aminy Tvm sy Rnm mihitsy izany zava-misy sy marina izany, indrisy. Tsiahivina f’efa minisitry ny Asa vaventy sy ny Toetr’andro tao amin’ny governemantan’ny Praiminisitra Monja Roinfedo ity Eric Razafimandimby ity. Ndao ary.

« Niantso taty aminareo Antsiva, taminy taribia ny prezidan’ny Sojabe ao Mandritsara sy prezidan’ny Sojabe ao amin’ny distrika fito mamaritra ny faritra Sofia. Izy izany no mifehy ny ray aman-dreny rehetra any amin’ny faritra Sofia. Ary io no efa noteneninay. Efa nanaitra anay parlementera avy any amin’ny région de la Sofia izy fa misy mamaritra ny région de la Sofia ambongadiny izay mandingana ny ministera ary koa mandingana ny vahoaka fa ny tombontsoany ihany miaraka amin’ireto vahiny -tsy hoe izy rehetra akory- , vahiny sinoa izy ireo, izay efa namaritra ny tany.

Amin’izao isika miteny izao, tezitra ny olona any amin’ny faritr’i Mandritsara, misafoaka ny mponina, mety hisy ny soulèvement populaire izay tsy ho voatazona any Mandritsara any. Ny aton’izy io aleho dia potsirina ny masony: ny ministre des travaux publics izay notendrena amin’izao fotoana izao io, mbola tsy ministre fa conseiller spécial-ny président Hery Rajaonarimampianina, dia izy no nandeha nandrefy an’ireo tany ao amin’i Sofia ireo, saika rakotra voarefy daholo ny tanin’i Sofia iray manontolo nametrahana piquets hatrany amina tanim-bary, trano, eny hatrany amina fasana.

Efa niteny aza izahay parlementeran’i Sofia, dia niteny moa izy hoe : io zavatra jerena fotsiny, piquetage fotsiny fa tsy dia misy inona akory. Nefa voatendry minisitra tampoka, minisitra Eric natao minisitry ny travaux publics, amin’isika miteny izao, dia io ny zavatra mitranga. 4X4 mitandrozotra feno vahiny lasa any amin’iny faritra Sofia iny amin’izao fotoana izao. Eto aho dia miteny fa justifié ilay corruption nazahoana toerana ministre satria kay misy ambadika, misy antony daholo ny nanendrena ireo ministres tsirairay ireo.

Efa noteneniko teto ny nandrenena ny ministre de l’industrie, hametrahana ny Zone économique spéciale (ZES) any Fort-Dauphin. Ny nametrahana ny ministre Eric amin’izao fotoana izao dia hanohizana ny corruption miaraka amin’ireto mpitrandraka vato izay mbola tsy misy permis d’exploitation fa na ny permis de recherche ihany angamba ny eo am-pelatanàny fa na ny permis environnemental tsy azony fa tonga dia manao exploitation. Ny baiko dia avy amin’ny présidence. Conseiller spécial-ny présidence Monsieur Eric teo, misy fifandraisana amin’ny Chine dia izay izy napetraka ministre des travaux publics mitondra ireo vahiny rehetra ireo manao fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin’iny région de la Sofia.

Ka manahy izany ny mponina fa ho potika tsy hisy infrastructures hipetraka, tsy isy fampiresahana, tsy misy zavatra ara-dalàna ahafany mitrandraka nefa efa mitrandraka tahaka ny ataony ao Bealalana. Tsy anaiky intsonu izahay ao amin’ny région de la Sofia, ary manaitra ny fitondram-panjakana anajanona miaraka amin’ny vava io fitrandrahana ataon’ny vahiny miaraka amin’ny ministre Eric sy ny Premier ministre. Ny Premier ministre, amin’izao fotoana izao ao Antsohihy, miaraka amin’ny ministre Eric. Ireo no nandefa ireo Sinoa ireo.

Ka miteny izahay : atsaharo miaraka amin’ny vava fa tsy ho ekenay io fitrandrahana tsy ara-dalàna io. Ny zavatra efa mitranga any Mandritsara dia manao menaces fisakanan-dalàna ny olona amin’izao fotoana izao ary hanao tache d’huile io manerana ny distrika fito ao amin’ny faritra Sofia ao. Tsy misy mivohy io satria efa leo ny olona any. Ny tenenau izao anisan’ny vavolombelona. Misy izany chromite zafindravoay ao Befandriana Nord. Taminy 1976 tany ho any, mbola kely izahay tamin’izany, nisy fitrandrahana io chromite zafindravoay io nalefa tao amin’ny port Ampasindava ao Analalava, saika tapitra ny chromite tao, tsy nisy na école iray nitsangana, ny goudron kely mba vita avy any Antsohihy mankany Befandriana, potika tamin’ny fitanterana io chrome io, tsy nisy réhabilitation hatramin’isika miteny izao, anisan’ny mampijaly.

Ka ny zavatra ataon-dry zareo izao tsy misy manara-dalàna satria tsy misy permis d’exploitation nefa efa manao installations fitrandrahana. Ao Bealanana efa nanomboka, efa mihetsika ny mponina any, ary hihetsika enjana ny ao Antsohihy ao, amin’izao isika miteny izao ».

Ampahan’ny fanambaran’ny Senatora Lylison René ireo, tao amin'ny radio Antsiva FM 97.6 teo amin'ny micro-ny namana Michel Ralibera, ny 30 Avrily 2016. Raha tena liana ianareo dia henohy hatrany amin’ny farany ny horonam-peo. Ka mbola hahagaga indray ve raha tena manomboka mikomy ny vahoaka n’aiza n’aiza eto Madagasikara, amin’izao fivarotana tanindrazana tsy misy farany ataon’ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity, no ny fitiavam-bola diso tafahoatra, amin'ny alalàn'ny fahefana tsy sahaza sy tsy mendrika azy, ary ho an’ny tombontsoan’ny vahiny irery ihany. AOKA IZAY!

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy – 1er May 2016

*************

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Mahajanga. Eric Razafimandimby: Tsy ho afa-bela amin’ny fivarotana tany amin’ny vahiny

Catégorie : Gasy

Publication : 4 mai 2016

Heverina fa tsy hohadinoin’ny vahoaka malagasy ny vontoatin’ilay satan’i Lambert na “Charte Lambert” tamin’ny fanjakan-dRadama II, dia ny nifanarahany tamin’ny vahiny fa “rehefa tonga eo amin’ny seza fiandrianany izy dia homeny ny vahiny ny tapany avaratr’i Madagasikara fa ny tapany atsimo no hotantaniny amin’ny maha-mpanjaka azy.

Tamin’ny fitondrana Ravalomanana koa dia nisy ny fivarotana velaran-tany midadasika hatramin’ny 1 300 000 ha tamin’ny vondrombarotra koreanina tatsimo Daewoo. Miendrika varotra tanindrazana mivantana avokoa ireny, hoy ny mpanara-maso. Ny nosoniavin-dRajaonarimampianina tatsy amin’ny Nosy Maorisy fotsiny, any amin’iny faritr’Anosy any Taolagnaro iny dia efa 450 Km2. Ny lasan’ny vahiny any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy dia tsy hita refy intsony satria mitombo isanandro. Ny any Nosibe Hell-Ville dia re fa tsy ho ela dia mety tsy an’ny Malagasy intsony koa. Ny ao amin’ny faritr’i Sofia izao no nohamafisin’ny Loholona Lylison fa efa nisy ny famariparitana sy fametrahana tsatoka satria nisy fifanarahana avo lenta tamin’ny manampahefana ara-panjakana tamin’ny vahiny. Voatondron’ny loholona Lylison ho tomponandraikitra voalohany tamin’io fanomezana ny tany midadasika any Sofia io ny vahiny i Eric Razafimandimby, mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena Rajaonarimampianina ary lasa minisitry ny Asa vaventy amin’izao fotoana.

Miteraka tsy fankatoavana avy amin’ny mponin’i Sofia izany rehetra izany, ary samy mahatsapa ny maro any an-toerana fa tsy mijanona eo amin’ny minisitry ny Asa vaventy ity fivarotan-tanindrazana ataon-dRazafimandimby Eric ity fa mipaka sy miainga avy any an-dapa mihitsy. Na nahazoana tso-drano avy any amin’ny filohampirenena na nobaikoiny mihitsy satria misy tombontsoa manokana andrandrainy, hoy ny loholona Lylison tamin’izy nitondra fanazavana momba ity raharaha ity.

Isan’ny antony sy teboka mamatotra andraikitra ny filohampirenena amin’ireo fandikan-dalàna marobe nataony izao resaka fivarotana tany amin’ny vahiny any amin’ny faritra Sofia izao, hoy ihany ny loholona Lylison, ka tsy hanaiky lembenana ny amin’izany mihitsy izahay.

Notsipihin’ity loholon’i Madagasikara ity fa “ny fandrebirebena ny vahoakan’i Sofia sy ny fandrahonana an’izay tsy manaiky lembenana amin’izao fivarotan-tanindrazana izao no tena foto-dian’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana sy ny minisitry ny Asa vaventy, Eric Razafimandimby tany ny zoma teo.

Nisarika ny sain’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny ny loholona Lylison hanana fahasahiana hijoro hanohitra ny fivarotan-tanindrazana sy ny fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’ny filohampirenena Rajaonarimampianina sy ny namany ao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao

La Gazette de la Grande île

*********************************

 

Mis à jour ( Jeudi, 05 Mai 2016 06:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety